2010
Olona Vaovao
Jolay 2010


Ho an’ny Tanora

Olona Vaovao

Sahirana aho tamin’ny fieritreretana hoe tafiditra tsara tao anatin’ny paroasy tokoa ve aho sa tsia. Vao tsy ela tamin’izay no nifindran’ny fianakaviako tanteraka tany amin’ny faritra ilan’ny firenena. Nisy tanora betsaka tokoa tao amin’ilay paroasy nifindranay, saingy izay aho hatrizay vao tena hoe ilay “olona vaovao.” Ny lafiny tena ratsy dia ny tsy maintsy nandehanako nianatra tany amin’ny sekoly iray vaovao ary nisy eritreritra tonga tampoka tao an-tsaiko hoe: “Hiara-hipetraka amin’iza aho rehefa hisakafo atoandro?” Mety hahita olona avy ao am-piangonana aho, saingy tsy te-hisisika hipetraka eo amin’ny latabatra fisakafoanan’ny olon-kafa aho, indrindra moa fa tsy fantatro akory raha tian’izy ireo ny hipetrahako eo na tsia!

Toy ny elabe tsy nety tapitra ilay andro voalohany tany an-tsekoly. Noho ny farany dia naneno ihany ny lakolosy famantarana ny fisakafoanana atoandro. Rehefa niditra tsimoramora ny efitrano fisakafoanana atoandro aho dia nivavaka tamin’ny Ray any an-danitra mba hanampy ahy hahita olona iray fantatro. Nanopy maso ny manodidina aho mba hijery raha misy olona fantatro. Tsy nisy na iray aza. Noho izany dia nandeha namonjy ny latabatra teny amin’ny faritra aoriandriana tao amin’ilay efitrano fisakafoanana atoandro aho ary nihinanana ny sakafoko.

Rehefa nandeha ny fotoana tamin’io andro io nandritra ny fianarana matematika dia nisy endrika iray fantatro. Hitako tany amin’ny seminera i Davida ny marainan’io. Nangataka hijery ny fandaharam-potoanako izy ary hitany fa mitovy ny fotoana hisakafoananay atoandro. “Oay! Fa taiza ianao nandritra ny fisakafoanana atoandro androany?” hoy izy.

Novaliako hoe: “Nisakafo tany amin’ny faritra aoriandriana tao amin’ny efitrano aho.”

“Eny ary! Tongava rahampitso miaraka mipetraka amiko mandritra ny fisakafoanana atoandro,” hoy izy.

Feno fankasitrahana aho noho ilay Ray any an-danitra be fitiavana izay mahafantatra ny zavatra ilaintsika tsirairay ary mamaly ny vavaka ataontsika tsirairay. Feno fankasitrahana koa aho an’ilay olona iray izay vonona ny hanolo-tanana mba ho namana. Manova zavatra lehibe ny zavatra tsotra iray toy ny fanasana.