2010
Namana Mahatoky
Jolay 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jolay 2010

Namana Mahatoky

Ny iray amin’ireo fanomezan-kasina lehibe izay azon’ny Mpamonjy omena dia ny fiantsoana antsika hoe “namana.” Fantatsika fa Tiany amin’ny fitiavana lavorary ny zanaky ny Rainy an-danitra rehetra. Ka ireo izay nahatoky tamin’ny fiarahana nanompo Taminy no antsoiny manokana amin’io anarana io. Tadidinareo angamba ireo teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-84 hoe: “Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo ry sakaizako, fa hatramin’izao dia hantsoiko hoe sakaiza ianareo, ilaina ny anomezako anareo izao didy izao, mba hahatonga anareo ho tahaka ireo sakaizako tamin’ny andro izay niarahako tamin’izy ireo nandeha nitory ny filazantsara tamin’ny heriko” (F&F 84:77).

Lasa Namany isika rehefa manompo ny hafa ho Azy. Izy no ohatra tonga lafatra amin’ny karazana namana tokony halaintsika tahaka. Izay tsara indrindra ho an’ny zanaky ny Rainy any an-danitra ihany no tadiaviny. Rehefa faly izy ireo dia faly Izy. Ny alahelon’izy ireo dia tsapany toy ireny hoe Azy ireny mihitsy satria nanefa ny vidin’ny otan’izy rehetra Izy, naka ny rofin’izy ireo ho eo Aminy, ary nizaka ny olan’izy ireo rehetra sy nahatsapa ny fanirian’izy ireo rehetra. Madio ny tanjony. Tsy mikatsaka fankasitrahana ho an’ny Tenany Izy fa kosa ny hanome ny voninahitra rehetra ho an’ny Rainy any an-danitra. Ilay tena namana, Jesoa Kristy, dia tena manadino tanteraka ny tenany eo amin’ny fanomezana hafaliana ho an’ny hafa.

Isika tsirairay izay nanao ny fanekempihavanan’ny batisa dia nampanantena fa hanaraka ny ohatra nasehony dia ny hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay toy ny nataony (jereo Môsià 18:8).

Hanana fahafahana ny ho lasa namana ho Azy ianao ao anatin’ny andro vitsivitsy ho avy. Mety hoe amin’ny fotoana handehananao an-tongotra amin’ny lalam-bovoka iray izany. Mety hoe amin’ianao mipetraka ao anaty fiara an-dalamby iny. Mety hoe amin’ny fotoana itadiavanao toerana iray ipetrahana eo anivon’ny mpiangona. Raha mijery ianao dia hahita olona iray milanja enta-mavesatra. Mety ho vesatry ny alahelo izany na fanirery na lolom-po. Tsy ho hitanao anefa izany raha tsy nivavaka mba hanananao ny Fanahy hanome anao maso hahita ny ao am-po sy raha tsy nampanantena ianao fa hampiakatra ny tanana izay miraviravy.

Ny valin’ny vavaka nataonao dia mety ho ny tavan’ny namana taloha iray, izay tsy hitanao nandritra ny taona maro saingy tonga tao an-tsainao sy tao am-ponao tampoka ny zavatra ilainy ary tsapanao ho toy ireny hoe anao ireny izany. Efa nitranga tamiko izany. Nisy ireo namana taloha izay nipetraka lavitra ary efa an-taonany maro no tsy hita, izay tonga tany amiko mba hanome fankaherezana ahy tamin’ny fotoana izay tsy nisy afaka niteny tamin’izy ireo ny enta-mavesatro afa-tsy Andriamanitra ihany.

Nangataka antsika ireo mpaminanin’Andriamanitra mba ho namana mahatoky isika ho an’ireo niova fo vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana sy handeha hamonjy ireo izay nivily lalana. Afaka manao izany isika ary hanao izany raha mahatsiaro foana ny Mpamonjy. Rehefa mandeha manampy sy manamaivana ny enta-mavesatra isika dia miaraka manao izany amintsika Izy. Hitarika antsika ho any amin’ireo izay mila fanampiana Izy. Hanao izay hahatsapantsika ny zavatra tsapan’izy ireo Izy. Rehefa mifofotra amin’ny ezaka ataontsika isika mba hanompoana azy ireo dia hitombo hatrany hatrany ny fanomezana antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fahatsapana ny Fitiavany azy ireo. Izany no hanome herim-po sy tanjaka ho antsika hitondrana fanampiana hatrany hatrany amim-pahatokiana.

Ary amin’ny fotoam-pahavelomana sy amin’ny mandrakizay, dia ho tsapantsika ilay fifaliana noho ny fahatsapana fa voaray eo anivon’ireo Namany mahatoky isika. Mivavaka aho mba hahazoantsika rehetra sy ireo izay hotompointsika izany fitahiana izany.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Mandray anjara amim-piniavana kokoa ny olona ao amin’ny fianakaviana rehefa angatahana mba hikaroka zavatra izy ireo eo am-pamakiana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany (jereo Teaching, No Greater Call (L’Enseignement, Pas de Plus Grand Appel) [1999], 55). Rehefa mamaky ilay lahatsoratra ianao dia angataho ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hitady ireo fitsipika izay hanampy azy ireo ho mendrika ny ho antsoina hoe naman’ny Tompo.

Ny L’Enseignement, Pas de Plus Grand Appel dia milaza hoe: “Raha manana ilay fitiavana tahaka ny an’i Kristy ianao, dia ho voaomana tsara kokoa hampianatra ny filazantsara. Ho entanim-panahy ianao hanampy ny hafa hahafantatra ny Mpamonjy sy hanaraka Azy” (12). Tadiavo ao anatin’ny lahatsoratra ireo fitsipika izay afaka manampy anao ho lasa mpampianatra isan-tokantrano tsara kokoa. Resaho miaraka amin’ny namanao ireo ary diniho ombam-bavaka ny fomba ahafahanareo ho lasa “namana mahatoky” ho an’ireo olona izay tompoinareo.