2010
Mpitari-dalana Iray Hanampy Antsika Hiverina Any amin’Andriamanitra
Septambra 2010


Ho an’ny Ankizy

Mpitari-dalana Iray Hanampy Antsika Hiverina Any amin’Andriamanitra

Inona no mety ho tsapanao raha toa ka very ianao ary tsy mahafantatra ny lalana hiverenana mody any amin’ny fianakavianao? Ho faly ve ianao raha toa ka misy olona iray azonao arahana izay afaka hanoro anao ny lalana? Nilaza ny Filoha Eyring fa ny Bokin’i Môrmôna dia toy ny mpitari-dalana izay manampy antsika hiverina hody any amin’ny Raintsika any an-danitra.

Voalaza etsy ambany ireo zavatra vitsivitsy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay ilaintsika atao mba hiverenana any Aminy. Vakio ny 2 Nefia 31:10, 11, 20. Soraty eo ambanin’ny andian-teny tsirairay etsy ambany ny andinin-tsoratra masina marina ahitana izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mila mampiasa in-droa ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao.

Mibebaha ary aoka hatao batisa.

Manana fanantenana mamirapiratra.

Tia an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra.

Manaraka an’i Jesoa.