2010
Ny Adidintsika eo amin’ny Fikolokoloana ny Taranaka Vao Misondrotra
Septambra 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Septambra 2010

Ny Adidintsika eo amin’ny Fikolokoloana ny Taranaka Vao Misondrotra

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Sary
Relief Society seal

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Avy ao amin’ny Soratra Masina

Ohabolana 22:6; Efesiana 6:4; Enôsa 1:1; Almà 53:20–21; 56:47; 57:27

Raha tsy misy ny fikolokoloana dia mety ho lasa toy ilay taranaka voalaza ao amin’ny Môsià 26 ny taranantsika vao misondrotra. Maro ireo tanora no tsy nino ny fomban-drazany ary lasa olon-kafa izy ireo raha ny finoany sady nijanona ho toy izany hatrany. Ho voasarika amin’ny lalan-diso tahaka izany koa ireo taranantsika vao misondrotra raha toa ka tsy mahatakatra ny anjara toerany eo amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra izy ireo.

Ka inona ary ny zavatra hiaro ireo taranaka vao misondrotra? Mampianatra fitsipiky ny famonjena isika ao am-piangonana, ary ireo fitsipika ireo dia miompana amin’ny fianakaviana. Ireo fitsipika izay hanampy ireo taranaka vao misondrotra hanangana fianakaviana, hampianatra izany fianakaviana izany sy hanomana izany fianakaviana izany amin’ny ôrdônansy sy fanekempihavanana—ary avy eo ireo taranaka manaraka dia hampianatra ny manaraka ary ho toy izany hatrany hatrany.

Amin’ny maha-ray aman-dreny, sy mpitarika ary mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manomana ity taranaka ity ho amin’ireo fitahiana an’i Abrahama, sy ho amin’ny tempoly isika. Manana andraikitra ny hilaza amin’ny fomba mazava ny hevitra mafonja ao amin’ny fotopampianarana hita ao amin’ny fanambarana mikasika ny fianakaviana isika. Anjara asa sy andraikitra mandrakizay ny maha-reny sy ny maha-ray. Isika tsirairay dia samy mihazona andraikitra, na izany ny anjara asan’ny lehilahy na izany ny anjara asan’ny vehivavy ao amin’ilay drafitra.

Afaka mampianatra izany fotopampianarana izany isika ao anatin’ny toe-javatra rehetra misy. Tokony hiresaka amim-panajana mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana isika. Ary afaka hahazo fanantenana sy fahatakarana lehibe avy amin’ny ohatra asehontsika ireo taranaka vao misondrotra—tsy avy amin’ny teny izay lazaintsika fotsiny fa koa avy amin’ny fomba fiainantsika sy fanehoantsika ny ohatra tsara mahakasika ny fianakaviana.

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Avy amin’ny Tantarantsika

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny lahateny nataony nandritry ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny 23 septambra 1995, hoe: “Tontolo feno korontana sy miovaova amin’ny hasina ijoroany ity misy antsika ity. Maro ireo feo misarika hanao zavatra iray na iray hafa mba hanimbana ireo fitsipi-piainana efa nipetraka hatry ny ela.”1 Avy eo dia naroson’ny Filoha Hinckley teo anatrehan’ireo rahavavy, ny Fiangonana ary ny olona rehetra mihitsy na aiza na aiza: “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.”

Taona maro taorian’izay dia nadika tamin’ny fiteny maro ary nozaraina tamin’ireo mpitondra firenena maneran-tany izany taratasy mifono faminaniana izany. Miangavy ny olom-pirenena sy ny fitondram-panjakana izany “mba hampandroso ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina.”2

Lasa fototra iorenan’ny finoan’ny Olomasin’ny Andro Farany mahakasika ny fianakaviana ilay fanambarana, fanambarana izay azontsika ifikirana mafy ary fantatsika fa manamafy ny fianakaviantsika sy ny tokantranontsika isika rehefa miaina ny fitsipika ao anatiny.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Stand Strong Against the Wiles of the World,” Ensign, Nôv. 1995, 99.

  2. Jereo “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo Izao,” Liahona, Ôkt. 2004, 49.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no ahafahako manampy ireo rahavavy mba hampiasa “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” mba hikolokoloany ny taranaka vao misondrotra? Afaka mizara ny tahadikan’izany fanambarana izany ianao ary manampy ireo rahavavinao hikaroka sy hanisy marika ireo andalana izay hampianatra tsara ireo fotopampianarana manan-danja.

  2. Ahoana no Ahafahako Mikolokolo ireo Taranaka Vao Misondrotra? Afaka manolo-tanana ianao ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, na sampana, na olona ao amin’ny fianakaviana na olona eo amin’ny fiaraha-monina izay afaka ny hahazo tombontsoa avy amin’ny fanampianao sy ny fitiavanao.