2010
Ny Lanjan’ny Bokin’i Môrmôna Ho Ahy
Septambra 2010


Ho an’ny Tanora

Ny Lanjan’ny Bokin’i Môrmôna Ho Ahy

Tamin’ny Aogôsitra 2005, dia nampanantena aho fa hamaky ny boky iray manontolo, raha nangataka ny mpikamban’ny Fiangonana mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny faran’ny taona ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008). Efa fantapantatro daholo ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna kanefa mbola tsy namaky izany avy any amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany aho. Ankehitriny dia te-hanatanteraka izany fampanantenako izany aho.

Nampianarina hampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainako hatrany aho ary mba hanao azy ireo ho manan-danja eo amin’ny fiainako manokana. Ka rehefa namaky aho dia nosoratako teny amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny boky ireo noeritreretiko fa hevi-dehibe tao amin’ireo zavatra novakiako. Notsipihiko ihany koa ireo teny sy andian-teny miverimberina mba hampiavaka azy ireo.

Nosoratako teo akaikin’ny anaran’ireo olona voalaza ao amin’ny soratra masina koa ny anarako mba hanampy ahy hahatsiaro fa ny tenin’Andriamanitra izay nolazaina tamin’ny olon-kafa dia natao ho teny hivantana amiko koa. Ohatra, nosoratako teo amin’ny 2 Nefia 2:28 ny anarako: “Ary ankehitriny, ry [Hillary], dia mba tiako ny hiandrandranao Ilay mpanalalana lehibe sy hihainoanao ny didiny lehibe.” Arakaraky ny nanasiako lanjany ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny tenako manokana no vao mainka nampientanentana ahy hamaky izany isan’andro.

Rehefa namaky isan’andro aho dia nanjary lasa avy amin’ny fo sy mahakasika ahy manokana ny vavaka nataoko. Nanjary afaka nifantoka tamin’ireo taranja nianarako aho ary afaka nanaraka ny bitsiky ny Fanahy mba hinamana amin’ny hafa. Vitako ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna ny alina farany tamin’ny taona.

Tsapako teo ny maha-zava-dehibe ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo, miaraka amin’ireo soratra masina hafa, ary te-hanao izany imbetsaka eo amin’ny fiainako aho.