2010
Ny Bokin’i Môrmôna ho toy ny Mpitari-dalana ho an’ny Tena Manokana
Septambra 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Septambra 2010

Ny Bokin’i Môrmôna ho toy ny Mpitari-dalana ho an’ny Tena Manokana

Isika rehetra, mandritry ny fotoana hahatsapantsika tanjaka ara-panahy, dia samy manana faniriana ny hiverina hody hiara-hiaina miaraka amin’Andriamanitra. Nomeny antsika ilay fanomezana dia ilay Zanaka Malalany mba ho Mpamonjy antsika izay hanome ny lalana sy hampianatra antsika ny fomba hanarahana izany. Nomeny ireo mpaminany isika mba hanoro ny lalana. Nahazo fitaomam-panahy ny Mpaminany Joseph Smith mba handika ny rakitsoratr’ireo mpaminany dia tsy inona izany fa ny Bokin’i Môrmôna. Izany no mpitari-dalana azo antoka ho antsika eny am-piverenantsika hody any amin’Andriamanitra.

Toy izao no nolazain’i Joseph Smith mikasika izany boky sarobidy izany: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fitsipika ao anatiny toy izay ao anatin’ny boky hafa.”1

Ny fitsipika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ireo didin’Andriamanitra izay hitantsika ao anatiny. Ny sasany dia didy mivantana avy tamin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ireo Mpaminaniny momba izay tokony hataontsika sy izay tokony ho tratrarintsika. Ny Bokin’i Môrmôna dia manome antsika ny ohatry ny Mpamonjy mba ampitomboana ny finoantsika sy ny fahavononantsika hankato ny didiny hoe manaraha Azy. Rakotry ny fotopampianaran’i Kristy ilay boky mba hitarihana antsika. Indro misy ohatra iray avy ao amin’ny 2 Nefia:

“Ary niteny tamin’ ny zanak’ olombelona i [Jesoa] hoe: Manaraha Ahy. Noho izany ry rahalahiko malala, ahoana no ahazoantsika manara-dia an’ i Jesoa raha tsy vonona ny hitandrina ny tenin’ ny Ray isika?

“Ary niteny ny Ray hoe: Mibebaha ianareo, mibebaha ianareo ka aoka hatao batisa amin’ ny anaran’ ny Zanako Malalako” (2 Nefia 31:10–11).

Manazava tsara ilay boky fa tokony handray ny Fanahy Masina ho toy ny batisan’ny afo isika mba hanampy antsika hijanona amin’ilay lalana ety sy tery. Ampianarina antsika fa tokony hivavaka lalandava amin’ny anaran’i Kristy isika ary tsy tokony ho kivy, ary raha manao izany isika dia hahazo ity fampanantenana ity: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.” (2 Nefia 31:20).

Manazava amin’ny fomba tsotra sy feno ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny dikan’ny hoe manana fitiavana an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra ao amin’ny toritenin’ny Mpanjaka Benjamina. Ho feno izany fitiavana an’Andriamanitra izany isika rehefa voaova ny toetrantsika amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana sy amin’ny alalan’ny fankatoavantsika amim-pahatokiana ny didy (jereo Môsià 4:1–12).

Manome antsika fahatokiana koa ny Bokin’i Môrmôna fa hanana fahafahana ho tonga madio tokoa isika eto amin’ity fiainana ity ka tsy hanana faniriana hanao ny ratsy intsony (jereo Môsià 5:2). Izany fanantenana izany dia manome antsika herimpo sy fahatokian-tena rehefa manandrana maka fanahy sy manakivy antsika eo amin’ny lalantsika i Satana.

Isaky ny mamaky, na dia andalana vitsivitsy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fotsiny aza aho dia mahatsapa fa mihamatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona hoe marina io boky io, ary hoe i Jesoa no Kristy, ary hoe afaka manaraka Azy mody any amin’Andriamanitra isika, ary afaka hitondra ireo olon-tiantsika miaraka amintsika koa. Io no boky manan-danja indrindra amiko. Tenin’Andriamanitra izy io.

Enga anie ka higoka fatratra ny hatsarana avy amin’izany isan’andro isan’andro isika sy ireo rehetra tiantsika. Mijoro ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy aho fa tena mpitari-dalana marina izany.

Fanamarihana

  1. Enseignements de Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 69.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

“Rehefa mampiasa ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany isika ho toy ny loharanon’ny fampianarantsika rehetra dia manasa ny Fanahy hijoro ho vavolombelona. Izany no mitondra ‘ny herin’Andriamanitra ho fandresen-dahatra ny olona’ eo amin’ny fampianarantsika (F&F 11:21)” (Teaching, No Greater Call [1999], 51). Diniho ny hamakiana ireo hevitra misongadina ao amin’ny hafatry ny Filoha Eyring, isan’izany ny teny nolazain’i Joseph Smith mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana hizara ny fomba hahazoan’izy ireo fanampiana hanatona kokoa an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiainana ireo fampianarana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

“Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina ny mpianatra dia mampitombo ny fahaiza-manao ilainy eo amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina izy ireo” (Teaching, No Greater Call, 54). Diniho ny hamakiana ireo soratra masina mifandraika amin’ity hafatra ity, tadiavo ireo fitsipika ampianariny ary mifanakaloza hevitra mikasika izany.