2011
Hiomana Dieny Mbola Tanora Aho
Janoary 2011


Ho an’ny Ankizy

Hiomana Dieny Mbola Tanora Aho

Mba hanampiana ny ankizy hahatsiaro ny fanentanana nataon’ny Filoha Monson mba hiomana hanao asa fitoriana, dia manaova taratasy mari-pankasitrahana misy io soratra etsy ambany io mba ho soniavin’ny zanakao ary hotehiriziny mba ho toy ny mpampahatsiahy azy, ka apetaka eny amin’ny rindrina izany na atao anaty diary.

Hiomana Aho

Ny Filoha Thomas S. Monson dia niantso ahy hiomana hanao asa fitoriana. Izaho dia

  • Hitandro ny fahadiovako sy ny fahamendrehako hisolo tena ny Tompo.

  • Hitandro hatrany ny fahasalamako sy ny tanjako.

  • Hivavaka sady handalina ny soratra masina.

Hiomana hitory ny filazantsara.

(sonia)