2011
Mila Misiônera ny Tompo
Janoary 2011


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2011

Mila Misiônera ny Tompo

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny volana Ôktôbra lasa teo dia nanao antso avo mba hisian’ny misiônera maro kokoa aho. Ny zatovolahy rehetra mendrika sy manana hery hanaovana izany dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Izany asa fanompoana izany dia andraikitry ny fisoronana—andraikitra izay andrasan’ny Tompo amintsika izay efa nomena betsaka tokoa. Ry zatovolahy, manainga anareo aho mba hiomanana hanompo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Aoka ianareo hadio sy mendrika ny hisolo tena ny Tompo. Tandrovy ny fahasalamanareo sy ny fahatanjahanareo. Halalino ny soratra masina. Manatreha seminera sy institiota fianarana ny filazantsara, rehefa misy izany. Mizàra mamaky ilay boky torolalana ho an’ny misiônera Torio ny Filazantsarako.

Ry rahavavy, na dia tsy manana andraikitry ny fisoronana mitovy amin’ny an’ny zatovolahy ny ho misiônera hanompo amin’ny fotoana feno aza ianareo, dia afaka mitondra anjara biriky ihany koa ianareo raha ho misiônera ary raisainay an-tanan-droa ny asa fanompoanareo.

Ho an’ireo rahalahy sy rahavavy efa lehibe ato amin’ny Fiangonana, dia tiako ny mampahatsiahy anareo fa ny Tompo dia mila maro dia maro aminareo mba ho misiônera amin’ny fotoana feno. Raha toa ianareo mbola tsy tonga eo amin’ny taonan’ny mpivady mpitory ny filazantsara, dia mamporisika anareo aho hiomana dieny izao amin’ilay andro izay mety hanaovanao sy ny vadinao izany, raha mamela anareo hanao izany ny toe-javatra iainanareo. Vitsy dia vitsy ny fotoana eo amin’ny fiainanareo izay ahafahanareo hankafy ilay fahatsapan-javatra tena tsara sy ilay fahafaham-po izay azo noho ny fiarahana manompo amin’ny fotoana feno ao anatin’ny asan’ilay Mpampianatra.

Ankehitriny, mety misy aminareo saro-kenatra na mieritreritra ny tenanareo ho tsy manana ny fahaiza-manao mba hanekena tsara izany antso mba hanompo izany. Tadidio fa asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa manompo ny Tompo isika, dia natao hahazo ny fanampian’ny Tompo. Hamolavola ny ao an-damosina ny Tompo mba hitondrana ilay enta-mavesatra apetraka eo amin’izany.

Ny sasany, na dia mendrika ny hanompo aza, dia mety mahatsapa fa mbola manana laharam-pahamehana lehibe kokoa. Tsaroako tsara ny fampanantenan’ny Tompo: “Fa izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra” (1 Samoela 2:30). Tsy misy amintsika hanome voninahitra bebe kokoa ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy amin’ny fomba hafa mihoatra noho ny amin’ny alalan’ny fanompoana amin’ny maha-misiônera feno fanoloran-tena sy fangorahana.

Ohatra iray maneho izany fanompoana izany ny zavatra niainan’i Juliusz sy i Dorothy Fussek tamin’ny naha misiônera azy ireo, izay voantso hitory ny filazantsara tany Pologne. Teraka tany Pologne Rahalahy Fussek. Miteny ny fitenin’izy ireo izy. Tiany ireo olona tao. Rahavavy Fussek dia teraka tany Angletera ary zara raha nahafantatra momba ny Pologne ary tsy nahafantatra na inona na inona momba ireo mponina tany. Nandeha nanatanteraka ny andraikiny izy ireo tao anatin’ny fahatokiana ny Tompo. Irery izy ireo tany am-panaovana asa ary ny asa koa anefa dia maro tokoa. Mbola tsy nisy misiôna niorina tany Pologne tamin’izany fotoana izany. Ny andraikitra nomena an-dry Fussek dia ny hanomana ny lalana mba hahafahana manangana misiôna.

Moa ve kivy tamin’ny halehiben’ny andraikiny Rahalahy sy Rahavavy Fussek? Tsia, na dia indray mandeha monja aza. Fantatr’izy ireo fa avy amin’Andriamanitra ny antson’izy ireo. Nangataka tao anatin’ny vavaka ny fanampiany masina izy ireo, ary dia nanolo-tena tamin’ny fony tamin’ny asany izy ireo.

Taty aoriana dia nihaona tamin’ny minisitra misahana ny raharaham-pivavahana, Andriamatoa Adam Wopatka, izay mpikambana tao amin’ny governemanta Poloney ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Loholona Hans B. Ringger izay tao amin’ny Fitopololahy tamin’izany ary ny tenako niaraka tamin-dRahalahy Fussek. Renay tsara ny filazany hoe: “Afaka miditra eto ny Fiangonanareo. Afaka manorina ireo trano fiangonanareo ianareo ary afaka mandefa ny misiôneranareo. Ity lehilahy ity,” hoy izy sady nanondro an’i Juliusz Fussek, “dia nanompo tsara ny Fiangonanareo. Afaka ho feno fankasitrahana tamin’ny ohatra nataony sy ny asany ianareo.”

Tahaka an-dry Fussek dia ndeha isika hanao ny zavatra tokony hataontsika ao anatin’ny asan’ny Tompo. Ary dia afaka hampanakoako miaraka amin’i Juliusz sy i Dorothy Fussek isika an’ilay Salamo manao hoe:

“Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

“… Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.

“Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely” (Salamo 121:2--4).

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Ny L’enseignement, pas de plus grand appel dia milaza hoe: “Mizarà zavatra niainana manokana anankiray mikasika ny fomba nahazoanao fitahiana noho ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara anankiray. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara fohifohy ny zavatra niainan’izy ireo” ([1999], 159). Vakio ity hafatra ity ary anontanio ny olona ao amin’ny fianakaviana hoe iza ireo izay nolazain’ny Filoha Monson fa tokony hitory ny filazantsara. Mizarà zavatra manokana niainanao na niainan’ny hafa fony misiônera tamin’ny fotoana feno. Na zarao ny drafitra napetrakao mba ho misiônera any aoriana any. Angataho ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny drafitr’izy ireo sy ny zavatra tsara niainany.