2011
Voizo mankany amin’ny Hoavinao
Janoary 2011


Ho an’ny Tanora

Voizo mankany amin’ny Hoavinao

Maro ireo zatovolahy no miomana ara-bola mba handehanana hitory ny filazantsara. Any Afrika dia tafiditra ao anatin’izany fiomanana izany ny fanangonam-bola hikarakarana ny pasipaoro. I Sedrick Tshiambine dia nahangona izay nilainy tamin’ny alalan’ny fomba feno fahaizana misanta-javatra: tamin’ny alalan’ny fivarotana akondro izay entina ao aoriana amin’ny bisikileta.

Nonina tao Luputa any amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Kongô i Sedrick. Iray tamin’ireo zatovolahy miisa 45 avy tao amin’ny Distrikan’i Luputa izy izay niasa mba hanangonam-bola hikarakarana ny pasipaoro handehanana hitoriana ny filazantsara. Mitentina 250 dôlara ny vidin’ny pasipaoro any RDK, izay roa ampahatelon’ny vola lany amin’ny fanorenana trano iray.

Kanefa dia tsy natahotra i Sedrick. Nahangona ny vola hanaovany asa fitoriana izy tamin’ny alalan’ny fandehanana am-bisikileta teo amin’ny 15 ka hatramin’ny 30 kilaometatra avy eo Luputa nankany amin’ireo tanàna kely, izay toerana nividianany akondro, ary avy eo dia miverina indray manavatsava ny faritra hivoka Afrikana izay mafana tokoa. Ny bisikiletany amin’izany dia navesatry ny voankazo mba hamidy any an-tanan-dehibe. Isan-kerinandro izy dia nandeha teo amin’ny 180 kilaometatra teo nanivatsiva lalam-pasika, ary indray mandeha ihany no mba niteraka fianjerana ny vesatry ny entana tsy nifandanja tsara.

Noho ny ezaka nataony dia nahangona 1,25 dôlara isan-kerinandro i Sedrick, na 65 dôlara isan-taona. Tao anatin’ny efa-taona izy vao nahangona vola ampy hividianana pasipaoro, kanefa fantany tamin’izay fa hahitana fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno ny hoaviny satria efa vonona ara-bola izy mba hamaliana ilay antso hanompo.