2011
Ny Tantara sy ny Lovan’ny Fikambanana Ifanampiana
Janoary 2011


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Janoary 2011

Ny Tantara sy ny Lovan’ny Fikambanana Ifanampiana

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hanamafy orina ireo rahavavinao sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Sary
Relief Society seal

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Nampahatsiahy ny fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith i Eliza R. Snow hoe: “na dia manaraka ny toetr’andro aza ny anarana hoe [Fikambanana Ifanampiana] dia efa ela no niforonan’ny fikambanana.”1

Ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy, dia nitsidika an’i Joseph Smith ary tamin’ny alalany no namerenana indray ny fahafenoan’ny filazantsara teto an-tany. Ny Fikambanana Ifanampiana dia tao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny izany. Tsy feno ny rafitry ny Fiangonana raha tsy voaorina ny fikambanan’ireo rahavavy.2

Mandritra ireo volana ho avy, ny hafatra ho an’ny famangiana isan-tokatrano tsirairay dia hanome antsika fahafahana hianatra bebe kokoa momba ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana ary ny anjara asany ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Noho ny antony maro, ny fahatakarana ny tantarantsika dia tsy hoe manan-danja fotsiny fa tena ilaina.

Voalohany, ny fahatakarana ny tantarantsika dia mitaona antsika mba ho tonga vehivavin’ny Tompo arak’ilay tena ilana antsika. Amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ireo Vehivavy Olomasin’ny Andro Farany mendri-kaja, dia afaka mianatra avy amin’ny lasa isika momba ny fomba hiatrehana ny hoavy.3

Faharoa, ny tantarantsika dia mampianatra fa ireo fitsipika izay efa nisy tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana no fitsipika fototra iorenantsika ankehitriny. Izany fahalalana izany sy ny tanjontsika—hampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana, sy hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano, ary hanampy ireo mila fanampiana—dia mampisy fifandraisana eo amin’ny lasantsika sy ny ankehitriny iainantsika.

Fahatelo, rehefa manome lanja ny tantarantsika isika, dia afaka mizara tsara kokoa ny lova ara-panahintsika. Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolontsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niteny hoe: “Mampitapita ny lova ianareo rehefa manampy ny hafa hahazo ny fanomezan’ny fiantrana. … Ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia voarakitra amin’ny teny sy ny isa, fa ny lova kosa dia miampita amin’ny fo mankany amin’ny fo.”4

Farany, ny fahatakarana ny tantarantsika dia manampy antsika ho lasa ampahany manan-danja ao amin’ny hoavin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nanazava hoe: “Fantatray fa ny vehivavy izay manana fankasitrahana lalina dia hikatsaka ny hanorina hoavy feno fahamarinana.”5

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Avy amin’ny Soratra masina

Estera 9:28–29; Romana 16:1–2; Almà 37:8; Môrônia 7:45–47

Avy amin’ny Tantarantsika

“Ny Fikambanana Ifanampiana dia rafitra nataon’ny Tompo ho an’ny Vehivavy.”6 Tamin’ny fahafahany naha-Mpaminany azy, Joseph Smith dia nanorina ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 17 Martsa 1842. Izany vondrona kely nisy olona samihafa nandritra ny fivoriana voalohany izany dia nahitana vehivavy feno fanoloran-tena tokoa, mitovy amin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ankehitriny. “Ny zandriny indrindra tamin’izany dia zatovo telo, ary ny zokiny indrindra dia rahavavy iray teo amin’ny dimampolo taona mahery teo. Ny iraika ambin’ny folo tamin’ireo vehivavy dia efa nanambady avokoa, ny roa mananotena, ny enina mbola mpitovo, ary tsy fatatra ny mombamomba ilay iray. Tena samy hafa be ny fari-pahaizan’izy ireo sy ny zavatra niainany ary toy izany koa ny fari-piainan’izy ireo. Niha-nitombo hatrany ny fahasamihafan’izy ireo rehefa nitombo ny mpikambana tao amin’ny fikambanana, kanefa dia nitohy ary hitohy ho iray izy ireo.”7

Fanamarihana

  1. Eliza R. Snow, “Female Relief Society,” Deseret News, Apr. 22, 1868, 81.

  2. Jereo ny Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph Smith (2007), 451.

  3. Jereo ny L. Tom Perry, “Ny Fomba Taloha mba Hiatrehana ny Hoavy,” Liahona, Nôv. 2009, 73–76.

  4. Henry B. Eyring, “Ilay lova maharitra napetraky ny Fikambanana Ifanampiana,” Liahona, Nôv. 2009, 121–24.

  5. Spencer W. Kimball, “Privileges and Responsibilities of Sisters,” Ensign, Nôv. 1978, 102.

  6. Spencer W. Kimball, “Relief Society—Its Promise and Potential,” Ensign, Mar. 1976, 4.

  7. Jill Mulvay Derr, Janath Russell Cannon, sy Maureen Ursenbach Beecher, Women of Covenant (1992), 28.