2012
Afaka Manao Zavatra ho an’ny Hafa Aho
Aogositra 2012


Ho an’ ny Ankizy

Afaka Manao Zavatra ho an’ny Hafa Aho

Isika tsirairay avy dia afaka manao zavatra mba hanampiana ny hafa. Ny Filoha Monson dia nampianatra fa tokony hitia ny olon-drehetra isika ary hianatra ny hijery ny fomba ahafahana manampy azy ireo.

Rehefa miara-misakafo amin’ny fianakavianao ianao ny hariva, dia arosy ny hevitra hoe ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana dia hizara zavatra iray izay nataony mba hanompoana ny hafa tamin’io andro io. Soraty ao anatin’ny diarinao isan’andro ny zavatra niainanao mikasika ny asa fanompoana nataonao.