2012
Mandray Andraikitra ao anatin’ny Fotoan-tsarotra
Aogositra 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Aogôsitra 2012

Mandray Andraikitra ao anatin’ny Fotoan-tsarotra

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ireo rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Sary
tarigetran’ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika dia iray amin’ireo tanjontsika ny hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano. Ireo rahavavy izay vangiantsika dia tokony ho afaka hiteny hoe: “Raha manana olana aho, dia fantatro fa hanampy fa ireo mpamangy isan-tokantranoko fa tsy hiandry ahy hangataka izany.” Mba hahafahana manompo, dia manana andraikitra isika hamantatra tsara izay zavatra ilain’ireo rahavavy vangiantsika. Rehefa mikatsaka fanentanam-panahy isika, dia ho fantatsika ny fomba hanomezana ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo izay ilain’ny rahavavy tsirairay nasaina ho vangiantsika. Dia avy eo isika afaka manao asa fanompoana feno fangorahana mandritra ny fotoana hisehoan’ny aretina sy ny fahafatesana ary ao anatin’ireo toe-javatra hafa manokana amin’ny alalan’ny fampiasana ny fotoanantsika, ny fahaiza-manaontsika, ny talentantsika, ny fanaovana vavaka ombam-pinoana, ary ny fanohanana ara-panahy sy ara-pihetseham-po.1

Amin’ny alalan’ny tatitra avy any amin’ireo mpamangy isan-tokantrano, no hahafantaran’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ireo izay mila fanampiana manokana noho ny aretina ara-nofo na ara-pihetseham-po, na noho ny voina tampoka, na ny fahaterahana, na ny fahafatesana, na tsy fahafahana manao zavatra, na fanirery, na ny fisian’ny olana hafa. Avy eo ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia mitatitra ireo zavatra hitany any amin’ny eveka. Eo ambany fiahian’ny eveka dia ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana no mandrindra ny fomba entina hanampiana.2

Amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika, dia afaka manana “antony lehibe … hiravoravoana” isika satria “izany no fitahiana izay efa natolotra antsika, dia ny efa nanaovana antsika ho fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe ity” (Almà 26:1, 3).

Avy amin’ny Soratra Masina

Matio 22:37–40; Lioka 10:29–37; Almà 26:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18–19

Avy amin’ny Tantarantsika

Tany am-piandohan’ny Fiangonana, dia mbola vitsy ny mpikamban’ny Fiangonana ary nivondrona tamin’ny toerana iray. Afaka nanampy haingana ireo mpikambana rehefa nisy olona nila fanampiana. Ankehitriny dia efa mihoatra ny 14 tapitrisa ny isan’ny mpikambana ato amintsika ary miparitaka manerana izao tontolo izao. Ny famangiana isan-tokantrano dia lafiny iray ao anatin’ny drafitry ny Tompo mba hanomezana fanampiana an’ireo zanany rehetra.

“Ny hany fomba fiasa ahafahana manome fanampiana sy fankaherezana manerana ity fiangonana izay lehibe ity ao anatin’ilay izao tontolo izao izay ahitana fahasamihafana maro dia amin’ny alalan’ny mpanompo tsirairay izay akaikin’ny olona mila fanampiana,” hoy ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Notohizany izany hoe: “… Ny eveka tsirairay sy ny filohan’ny sampana tsirairay dia manana filohan’ny Fikambanana Ifanampiana azony iankinana.” “Manana mpamangy isan-tokantrano izy io, izay mahafantatra ny fitsapana sy ny zavatra ilain’ny rahavavy tsirairay. Amin’ny alalan’izy ireo ahafahan’ ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mahafantatra ny fon’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana. Afaka manampy izy ary manampy ny eveka amin’ilay antsony mba hikarakara ny olona tsirairay sy ny fianakaviana.”3

Fanamarihana

  1. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 9.5.1; 9.6.2.

  2. Jereo nyManuel 2, 9.6.2.

  3. Henry B. Eyring, in Filles dans mon Royaume: L’ histoire et l’ oeuvre de la Société de Secours (2011), 110.

Inona no Azoko Atao?

  1. Moa ve aho mampiasa ny fanomezam-pahasoavako sy ny talentako ananako hitahiana ny hafa?

  2. Moa ve ny rahavavy izay vangiako mahafantatra fa vonona ny hanampy azy ireo aho rehefa misy zavatra ilainy?