2012
Manompo ao amin’ny Tempoly
Aogositra 2012


Ho an’ ny Tanora

Manompo ao amin’ny Tempoly

Rehefa feno 17 taona aho dia nanomboka nieritreritra tsara momba ny hoaviko, ary nivavaka tamin’ny Ray any an-danitra aho momba ny zavatra azoko atao mba hiomanako hanao asa fitoriana sy handraisako ny Fisoronana Melkizedeka. Nahatsapa aho fa tokony handeha any amin’ny tempoly matetika kokoa satria tranon’ny Tompo izany ary ho toerana izay tena ahafahako mahatsapa ho akaiky indrindra amin’ny Raiko any an-danitra.

Noho izany dia nametraka tanjona aho hanao batisa 1.000 ao anatin’ny herintaona. Tena nahatsapa ny filana nametraka izany tanjona izany aho, ka dia nifady hanina mba hahafantarana raha izany tokoa no tokony hataoko. Namaly ahy ny Raintsika any an-danitra ary dia nanomboka nandeha tany amin’ny Tempolin’i Tampico Mexique isaky ny Asabotsy aho.

Rehefa nahavita batisa 500 aho dia nametraka tanjona mba hanao fikarohana mikasika ny tantaram-pianakaviana momba ireo razambeko, ary tena tiako loatra ny nanao ny fikarohana ka dia tsy te-hatory akory aho satria nitady ireo anarana. Nahita anarana dimampolo aho ary taranaka valo tao anatin’ny tantaram-pianakaviako. Nanampy tamin’ny fanatanterahana ireo asa atao any amin’ny tempoly ho azy rehetra ireo aho.

Nahavita hatramin’ny batisa 1.300 aho tamin’ny farany, sy nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny fanaovana seminera, ary nandray ny Fisoronana Melkizedeka, ary ankehitriny dia manompo amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno, izay iray tamin’ireo tanjoko lehibe indrindra teo amin’ny fiainana.