2012
Ny Antson’ny Mpamonjy mba Hanompo
Aogositra 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Aogôsitra 2012

Ny Antson’ny Mpamonjy mba Hanompo

Sary
Filoha Thomas S. Monson.

Ireo rehetra izay nianatra kajy dia mahafantatra ny hoe mpizara iombonana. Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia misy ny mpizara iombonana izay mampiray antsika. Izany mpizara iombonana izany dia ny antso ho an’ny tena manokana izay raisintsika tsirairay mba hanatanteraka andraikitra ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.

Moa ve ianao efa nahatsapa ho meloka hatramin’izay noho ny fimonomononana rehefa misy antso omena anao? Sa ve ianao manaiky amim-pankasitrahana ny fahafahana tsirairay hanompo ny rahalahinao sy ny rahavavinao, miaraka amin’ny fahafantarana fa ny Raintsika any an-danitra dia hitahy ireo izay antsoiny?

Manantena aho fa tsy ho hadinointsika ny tena tanjon’ilay tombontsoa sarobidy omena antsika mba hanompo. Izany tanjona izany, izany tanjona mandrakizay izany, dia ilay noresahan’ny Tompo ary hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona.”1

Aoka isika hahatsiaro foana fa ny kapaotin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy kapaoty mitondra fahazoana aina fa kosa akanjo lavan’ny fandraisana andraikitra. Ny adidintsika, ankoatry ny famonjena ny tenantsika, dia ny mitarika ny hafa ho any amin’ny fanjakana selestialin’Andriamanitra.

Rehefa mandeha amim-pahavononana eo amin’ny lalan’ny fanompoana an’Andriamanitra isika, dia tsy ho eo amin’ny toerana nisy an’i Kardinaly Wolsey velively izay hita ao amin’ny sangan’asan’i Shakespeare. Rehefa very ny heriny taorian’ny fanompoany an’ilay mpanjakany nandritra ny androm-piainany dia nitaraindraina tamin’alahelo izy hoe:

Raha nanao afa-tsy ny nanompo ny Andriamanitro tamin’ny antsasaky ny zotom-po

Nentiko nanompoana ny mpanjaka aho, dia tsy ho navelany, amin’izao taonako izao,

Hitanjaka eo anatrehan’ireo fahavaloko.2

Karazana fanompoana tahaka ny ahoana no takian’ny lanitra? “Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo; ary ny marisika sy ny mpankatò no hihinana ny soa amin’ ny tanin’ i Ziona amin’ izao andro farany izao.”3

Miato kely aho rehefa mieritreritra ireo tenin’ny Filoha John Taylor (1808–87): “Raha toa ka tsy milofo amin’ny antsonao ianao, dia ho raisin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ireo olona izay tokony ho azonao novonjena raha toa ka nanao ny andraikitrao ianao.”4

Ny fiainan’i Jesoa fony Izy nanompo teo anivon’ny zanak’olombelona dia tahaka ny tora-jiro feno hatsarana izay tena mazava. “Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo”5 hoy ny nambaran’ i Jesoa rehefa nampatanjaka ny rantsam-batan’ny malemy Izy, sy nampahiratra ny mason’ny jamba, sy nampalady ny sofin’ny marenina, ary nanome aina ny vatan’ny maty.

Tamin’ny alalan’ny fanoharana mikasika ilay Samaritana tsara fanahy no nampianaran’ny Tompo antsika hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika.6 Tamin’ny alalan’ilay valin-teniny nomeny an’ilay tovolahy mpanankarena, dia nampianatra antsika Izy mba hiala amin’ny fitiavan-tenantsika.7 Tamin’ny alalan’ilay famahanana an’ireo olona 5.000, no nampianarany antsika mba hijery izay ilain’ny hafa.8 Ary tamin’ny alalan’ilay Toriteny teny an-tendrombohitra, no nampianarany antsika mba hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra aloha.9

Tany amin’ny Tontolo Vaovao ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty, dia nanambara hoe: “Ary fantatrareo ny zavatra izay tsy maintsy ataonareo ao amin’ ny fiangonako; fa ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa; fa izay efa hitanareo nataoko dia izany no hataonareo.”10

Mitahy ny hafa isika rehefa manompo ao amin’ilay alok’i “Jesoa avy any Nazareta… izay nandehandeha nanao soa.”11 Andriamanitra dia mitahy antsika mba hahita hafaliana ao anatin’ny fanompoana ny Raintsika any an-danitra rehefa manompo ny zanany eto an-tany isika.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

“[Ny Tompo] dia tsy hamela antsika ho lavo raha manao ny anjarantsika isika. Hampisongadina antsika mihoatra ny taletantsika sy ny fahaiza-manaontsika Izy. … Iray amin’ireo traikefa tsara indrindra azon’ny olona iray raisina izany” (Ezra Taft Benson, tao amin’ny Teaching, No Greater Call [1999], 20). Mizàra zavatra niseho iray izay nahatsapanao fa nasongadin’ny Tompo ny talentanao sy ny fahaiza-manaonao na nahatsapan’ny olona iray fantatrao fa nasongadin’ny Tompo ny talentany sy ny fahaiza-manaony. Asao ilay fianakaviana hizara ny zavatra tsara niainan’izy ireo rehefa namaly “ilay antson’ny Mpamonjy mba hanompo” izy ireo.