2012
Mahafantatra izay Tokony Holazaina
Septambra 2012


Ho an’ny Tanora

Mahafantatra izay Tokony Holazaina

Raha toa ianao ka mahatsapa tena ho tsy ampy fahalalana mikasika ny filazantsara mba hahafahana mizara izany amin’ny hafa, dia mahazoa fampaherezana avy amin’ireto fampanantenana avy amin’ny soratra masina ireto:

“Asandrato amin’ ity vahoaka ity ny feonareo; teneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan’ ny olona ianareo;

“Fa homena anareo amin’ izany ora izany indrindra, eny, amin’ izany fotoana izany indrindra izay holazainareo” (F&F 100:5–6).

“Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” (Jaona 14:26).

Fampanantenana lehibe ireo, kanefa mba hahazoana izany, dia mila manao ny anjarantsika isika. Ao amin’ity hafatra ity ny Filoha Eyring dia nampianatra antsika ny fomba hanaovana izany: “Miomàna hizara [ny filazantsara] amin’ny alalan’ny famenoanao isan’andro ny sainao amin’ny ireo fahamarinan’ny filazantsara.” Inona no azonao atao mba hamenoana ny sainao amin’ny fahamarinan’ny filazantsara?