2012
Mizara ny Filazantsara avy ao am-pon’ny iray ho an’ny an’iray hafa
Septambra 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Septambra 2012

Mizara ny Filazantsara avy ao am-pon’ny iray ho an’ny an’iray hafa

Sary
Nataon’ny Filoha Henry B. Eyring

Andriamanitra dia hametraka ireo olona voaomana eny amin’ny lalan’ireo mpanompony voaomana izay te-hizara ny filazantsara. Efa nitranga teo amin’ny fiainanao izany. Ny fitrangan’izany dia miankina amin’ny fahavononan’ny sainao sy ny fonao.

Manana namana izay aho izay mivavaka isan’andro mba hihaona amin’ny olona iray izay voaomana handray ny filazantsara. Mitondra Bokin’i Môrmôna iray izy eny aminy. Ny alina talohan’ny dia iray tsy dia lavitra loatra, dia nanapa-kevitra izy ny tsy hitondra Bokin’i Môrmôna iray eny aminy fa nitondra kosa karatra fanome eny an-dalana. Kanefa rehefa niomana ny handeha iny izy, dia nisy fahatsapana ara-panahy tonga tao aminy nanao hoe: “Mitondra Bokin’i Môrmôna iray eny aminao.” Nasiany anankiray tao amin’ny kitapony.

Rehefa nisy vehivavy iray nipetraka teo akaikiny nandritra ilay dia, dia nanontany tena izy hoe: “Ity ary ve ilay olona?” Dia mbola tafaraka taminy ihany io vehivavy io nandritra ny dia niverina. Nieritreritra izy hoe: “Ahoana no fomba hiresahako momba ny filazantsara?”

Kanefa ilay vehivavy indray no niteny taminy hoe: “Mandoa fahafolonkarena moa ianareo ao amin’ny fiangonanareo sa tsy izany?” Dia namaly izy hoe eny. Nilaza izy fa tokony handoa fahafolonkarena any amin’ny fiangonany kanefa tsy nandoa. Dia nanontany izy avy eo hoe: “Inona no azonao lazaina amiko momba ny Bokin’i Môrmôna?”

Nazavainy fa io boky dia soratra masina, testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, nadikan’ny Mpaminany Joseph Smith. Toa liana ilay vehivavy, koa dia naka zavatra tao anatin’ny kitapony izy sady niteny hoe: “Nisy nanosika ahy hitondra ity boky ity ety amiko. Mino aho fa ho anao izy ity.”

Nanomboka namaky izany izy. Rehefa nisaraka izy ireo, dia hoy ilay vehivavy hoe: “Mbola ho betsaka ny resadresaka hifanaovantsika mikasika ity.”

Ny zavatra tsy fantatr’ilay namako—kanefa tena fantatr’Andriamanitra—dia ny hoe teo am-pitadiavana ny fiangonana ilay vehivavy. Fantatr’Andriamanitra fa nandinika ilay namako ilay vehivavy ary nanontany tena hoe nahoana ny fiangonany no tena mitondra hafaliana ho azy. Fantatr’Andriamanitra fa hanontany momba ny Bokin’i Môrmôna izy ary ho vonona ny ho ampianarin’ny misiônera. Efa voaomana izy. Ary toy izany koa ilay namako. Izaho sy ianao koa dia afaka miomana.

Ny fiomanana ilaintsika dia ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Ilay vehivavy dia nandre sy nahatsiaro teny momba ny Bokin’i Môrmôna, sy ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny, ary ny didy handoa ny fahafolonkarena amin’Andriamanitra. Ary dia nahatsapa tao am-pony ny fiantombohan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana.

Ny Tompo dia nilaza fa hanambara ny fahamarinana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 8:2). Ny ankamaroan’ny olona izay hihaona aminao dia efa nahavita ny fanombohan’izany fiomanana izany. Efa nandre na namaky momba an’Andriamanitra sy ny teniny izy ireny. Raha toa ka malefaka tsara ny fon’izy ireo, dia ho tsapany, na dia kely fotsiny aza, ny fanamafisana ny fahamarinana.

Efa voaomana ilay vehivavy. Ary toa izany koa ilay namako, ilay Olomasin’ny Andro Farany izay nandalina ny Bokin’i Môrmôna. Nisy fijoroana ho vavolombelona tsapany nilaza fa marina izany, ary fantany ny fitarihana avy amin’ny Fanahy nitaona azy hitondra iray eny aminy. Niomana tao an-tsainy sy tao am-pony izy.

Andriamanitra dia manomana olona handray ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny. Mitaky ny finoanao Izy ary avy eo ny fandraisanao andraikitra hizara tsy amim-patahorana ilay zavatra izay lasa tena sarobidy loatra ho anao sy ho an’ireo izay tianao.

Miomàna hizara amin’ny alalan’ny famenoanao isan’andro ny sainao amin’ny ireo fahamarinan’ny filazantsara. Rehefa mitandrina ireo didy ianao ary manaja ny fanekempihavanana nataonao, dia hahatsapa ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy ary hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy anao sy ireo izay mihaona aminao.

Raha manao ny anjaranao ianao, dia hitombo ny fanananao fahafahana hiaina zavatra tsara amin’ny fihaonana amin’olona izay voaomana hihaino ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinana—atolotra avy amin’ny fo iray mankamin’ny fo iray, ny anao mankany amin’ny azy ireo.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Diniho ny ny fomba ahafahana mamaky miaraka amin’ilay fianakaviana ny hafatra ary ifanakalozy hevitra ny andinin-tsoratra alohan’ny farany, izay ilazan’ny Filoha Eyring ireo fomba hampahatanjahana ny fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ilay fianakaviana ny maha-zava-dehibe ny fijoroana ho vavolombelona rehefa mizara ny filazantsara. Ny ankizy ao amin’ny fianakaviana dia mety hahita fa manampy ny filalaovana ny fomba fijoroana ho vavolombelona amin’ny namana.