2012
Filàna Manokana sy Asa Fanompoana Atolotra
Septambra 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Septambra 2012

Filàna Manokana sy Asa Fanompoana Atolotra

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Ny zavatra ilain’ny hafa dia misy foana,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson, “ary isika tsirairay avy dia afaka manao zavatra hanampiana olona iray. … Raha tsy manadino ny tenantsika ao anatin’ny fanompoana ny hafa isika, dia ho zara raha hisy tanjona ny fiainantsika.”1

Amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika, dia afaka mahafantatra amin-kitsimpo ny rahavavy tsirairay izay vangiantsika isika ary mitia azy. Ny fanompoana an’ireo izay vangiantsika dia hisosa mora ho azy noho ny fitiavantsika azy ireo (jereo ny Jaona 13:34–35).

Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny filàna ara-panahy sy ara-batan’ireo rahavavintsika ka hahafahantsika manolotra asa fanompoana rehefa ilaina izany? Amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika, dia manana fahafahana isika hahazo fitaomam-panahy rehefa mivavaka mikasika ireo izay vangiantsika.

Zava-dehibe koa ny fifandraisana tsy tapaka amin’ireo rahavavintsika. Ny fitsidihana mivantana, ny antso an-tariby, ny teny kely soratana mifono fankaherezana, ny e-mail, ny fipetrahana miaraka aminy, ny fandokafana amin-kitsimpo, ny fanatonana azy rehefa any am-piangonana, ny fanampiana azy ao anatin’ny fotoana isian’ny aretina na fahasahiranana ary ny asa fanompoana hafa dia hanampy antsika avokoa hifampitsinjo sy hifankahery.2

Ny mpamangy isan-tokantrano dia angatahina hanao tatitra mikasika ny mahazo ireo rahavavy sy izay zavatra ilainy manokana raha misy, ary ny asa fanompoana izay natolotra azy ireo. Izany karazana tatitra izany sy ny asa fanompoana ataontsika amin’ireo rahavavintsika dia manampy antsika hampiseho ny maha-mpianatra antsika.3

Avy amin’ny Soratra Masina

Jaona 10:14–16; 3 Nefia 17:7, 9; Môrônia 6:3–4

Avy amin’ny Tantarantsika

Ny fifanompoana dia efa ivon’ny famangiana isan-tokantrano hatrizay. Mitondra hatsaram-panahy sy finamanana izay mihoatra ny famangiantsika isam-bolana isika amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana mitohy. Ny fikarakarantsika no tena zava-dehibe.

“Ny faniriako dia ny hitalaho amin’ireo rahavavintsika ny hanajanona ny fiahiahiana momba ny antso an-tariby na ny famangiana isan-telo volana na isam-bolana,” hoy i Mary Ellen Smoot, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faha-13. Nangataka antsika izy mba “hifantoka kosa amin’ny fikolokoloana ireo fanahy malemy.”4

Ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nampianatra hoe: “Tena zava-dehibe ny fifanompoantsika ato amin’ny fanjakana.” Nefa niaiky izy fa tsy voatery ho asa lehibe daholo akory ny asa fanompoana rehetra. “Matetika tokoa ny asa fanompoana ataontsika no ahitana famporisihana tsotra na fanomezana … fanampiana amin’ireo andraikitra mahazatra” hoy izy, “kanefa dia tena misy fiantraikany lehibe miseho … avy amin’ny fihetsika kely nefa natao tamim-piniavana!”5

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “What Have I Done for Someone Today?” Liahona, Nôv. 2009, 85.

  2. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 9. 5.1.

  3. Jereo ny Manuel 2, 9.5.4.

  4. Mary Ellen Smoot, tao amin’ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011), 117.

  5. Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball, (2006), 82.

Inona no Azoko Atao?

  1. Moa ve aho mikatsaka fitaomam-panahy manokana hahafantarana ny fomba hihatrehana ny zavatra ara-panahy sy ara-batana ilain’ny rahavavy tsirairay izay nasaina iandraiketako?

  2. Ahoana no ahafantaran’ny rahavavy izay iandraiketako fa miraharaha azy ireo sy ny fianakaviany aho?