2013
Manaova Jery Todika
Aogositra 2013


Ho an’ny Tanora

Manaova Jery Todika

Nindramin’ny Filoha Eyring ny zavatra nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) izay milaza hoe: “Fomba iray hahafantarana ireo fitahiana azontsika ny diary ary hametrahana ny lisitr’ireo fitahiana ireo ho an’ny taranatsika.” Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2012 dia nanome ny fijoroany ho vavolombelona momba ny firaketana diary ny Filoha Thomas S. Monson. Nizara ireo zavatra niainany sasantsasany teo amin’ny fiainany izy, ary nampiany hoe: “Ilay diariko isan’andro izay nanoratako nandritra ireo taona maro ireo dia nanome ahy zavatra sasantsasany amin’ny antsipiriany, izay raha tsy izany dia tsy ho azoko notantaraina mihitsy. Nanoro hevitra izy hoe: “[Ataovy] jery todika amin’ny antsipiriany ny fiainanao ary [tadiavo] manokana […] ireo fitahiana, lehibe sy kely izay azonao” (“Consider the Blessings,” Liahona sy Ensign, Nôv. 2012, 86). Manaova ezaka amin’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany ireo ary mametraha tanjona amin’ny fanoratana ao amin’ny diarinao.