2013
Mankasitraha sy Mahatsiarova ary Manolora Fisaorana
Aogositra 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, AOGOSITRA 2013

Mankasitraha sy Mahatsiarova ary Manolora Fisaorana

Sary
Nataon’ny Filoha Henry B. Eyring

Miandrandra antsika Andriamanitra hanolotra fisaorana Aminy noho ireo fitahiana izay voaraintsika avy Aminy. Mora amintsika no lasa manao vavaka fisaorana tsy am-piheverena, matetika mamerimberina teny mitovy hatrany kanefa tsy misy finiavana hanolotra ny fisaorantsika ho fanomezana avy ao am-po ho an’Andriamanitra. Tokony “manolotra fisaorana … ao amin’ ny Fanahy” (F&F 46:32) isika mba hahafahantsika mahatsapa fankasitrahana marina noho ireo zavatra nomen’Andriamanitra antsika.

Ahoana no ahafahantsika mahatsiaro na dia ny ampahany fotsiny amin’ny zavatra rehetra izay nataon’Andriamanitra ho antsika? Noraketin’ny Apôstôly Jaona ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy antsika mikasika ny fanomezana iray dia ny fahatsiarovana izay tonga avy amin’ny fanomezana ny Fanahy masina: “Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” (Jaona 14:26).

Mamerina ao an-tsaintsika ny zavatra nampianarin’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina. Ary iray amin’ireo fomba hampianaran’Andriamanitra antsika dia ny fitahiany, ka raha misafidy ny hampihatra finoana isika dia hamerina ny hatsaram-panahin’Andriamanitra ao amin’ny fitadidiantsika ny Fanahy Masina.

Azonao andramana amin’ny vavaka ataonao anio izany. Azonao atao ny manaraka ilay didy hoe “Hisaotra ny Tompo Andriamanitrao ianao amin’ ny zavatra rehetra” (F&F 59:7).

Nilaza ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) fa ny vavaka dia manome fahafahana hanao izany. Hoy izy: “Nisy fotoana nilazan’ny Mpaminany Joseph fa iray amin’ireo fahotana lehibe izay hahameloka ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny otan’ny tsy fanehoam-pankasitrahana. Mieritreritra aho fa ny ankamaroantsika dia tsy nandray izany ho ota lehibe. Manana fahazarana isika ny mangataka fanampim-pahasoavana rehefa mivavaka sy mitalaho amin’ny Tompo. Indraindray anefa dia tsapako fa ilaintsika ny manokana bebe kokoa ny vavaka ataontsika mba ho an’ny fanehoana fankasitrahana sy fanati-tsaotra noho ireo fahasoavana efa noraisintsika. Ary mandray be tokoa isika.”1

Afaka miaina zavatra toy izany ianao ankehitriny miaraka amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Azonao atomboka amin’ny fisaorana ny vavaka ataonao manokana. Afaka manomboka manisa ireo fitahiana azonao ianao ary miato kely avy eo. Raha mampihatra finoana ianao, miaraka amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia hahatsapa fa hitobaka ao an-tsainao ny fahatsiarovana ireo fitahiana hafa. Raha manomboka maneho fankasitrahana noho ny tsirairay amin’izy ireny ianao dia ho lavalava kokoa noho ny mahazatra ny vavaka ataonao. Ho tonga ny fahatsiarovana, miara-dalana amin’izany koa ny fankasitrahana.

Afaka manandrana zavatra mitovy amin’izany koa ianao rehefa manoratra ao amin’ny diarinao. Nanampy ny olona tamin’izany hatrany ny Fanahy Masina hatramin’ny fiantombohan’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Tsaroanareo fa ny bokin’i Mosesy dia milaza hoe: “Ary notanana ny bokim-pahatsiarovana izay nosoratana tamin’ ny fitenin’ i Adama, fa nomena ireo rehetra izay niantso an’ Andriamanitra ny hanoratra amin’ ny alalan’ ny fanahin’ ny fitaomana” (Mosesy 6:5).

Nofaritan’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) izany fomba firaketana entanim-panahy izany: “Ireo izay mihazona bokim-pahatsiarovana dia hahatsiaro kokoa ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro. Fomba iray hahafantarana ireo fitahiana azontsika ny diary ary hametrahana ny lisitr’ireo fitahiana ireo ho an’ny taranatsika.”2

Rehefa manomboka manoratra ianao dia afaka manontany tena hoe: “Ahoana no nitahian’Andriamanitra ahy sy ireo olon-tiako androany?” Raha manao izany matetika ianao ary amim-pinoana dia ho hitanao fa hahatsiaro ireo fitahiana ianao. Ary indraindray dia ho tonga ao an-tsainao ireo fanomezana izay tsy tsikaritrao nandritra ny andro saingy ho fantatrao avy eo hoe fiasan’ny tanan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.

Mivavaka aho mba ho afaka ny hanohy ny ezaka am-pinoana isika ny hankasitraka, sy hahatsiaro ary hanolotra fisaorana noho ny zavatra nataon’ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjintsika ho antsika sy ny ataon’izy ireo mba hanokafana ny lalana mody ho any amin’Izy ireo.

Fanamarihana

  1. Ezra Taft Benson, God, Family, Country: Our Three Great Loyalties (1974), 199.

  2. Spencer W. Kimball, “Listen to the Prophets,” Ensign, Mey 1978, 77.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Manasa antsika ny Filoha Eyring ao amin’ny hafatra nataony hahatsiaro ny hatsaram-panahin’ny Ray any an-danitra ao amin’ny vavaka ataontsika. Hifanakalozy hevitra miaraka amin’ireo izay ampianarinao ny fomba hanampian’ny vavaka anehoam-pisaorana ataontsika hamantatra ny fiasan’ny tanan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Miaraha mandohalika amin’ireo olona izay ampianarinao ary angataho izay hanolotra ny vavaka mba tsy hanolotra afa-tsy fisaorana.

Azonao alalinina koa ny maha-zava-dehibe ny fankasitrahana amin’ny alalan’ny famakiana ireto andinin-tsoratra masina ireto ho fanampin’ireo andininy izay efa nolazain’ny Filoha Eyring: Salamo 100; Môsià 2:19–22; Almà 26:8; 34:38; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21; 78:19; 136:28.