2013
Fifanampiana
Aogositra 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, AOGOSITRA 2013

Fifanampiana

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao. Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ireo tanjon’ny fifanampiana ato amin’ny Fiangonana dia ny hanampy ireo mpikambana ho tonga mizaka-tena, ny hikarakara ireo mahantra sy ireo sahirana, ary ny hanolotra asa fanompoana. Ivon’ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana ny fifanampiana. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Nanome fomba [ny Tompo] hatrany am-piandohana hahafahan’ireo mpianany manampy. Nanasa ireo zanany Izy hanokana ny fotoany, sy ny fananany ary ny tenany mba hiaraka Aminy amin’ny fanompoana ny hafa. …

“Nanasa sy nandidy antsika Izy handray anjara amin’ny Asany mba entina hampitraka ireo izay mila fanampiana. Manao fanekempihavanana ny hanao izany isika ao amin’ny ranon’ny batisa sy any amin’ny tempoly masin’Andriamanitra. Manavao izany fanekempihavanana izany isika isak’Alahady rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.”1

Manampy amin’ny fifanampiana ara-panahy sy ara-nofo ireo mpitarika eo an-toerana, eo ambany fitarihan’ny eveka na ny filohan’ny sampana. Matetika ny fahafahana manompo dia miatomboka amin’ny mpamangy isan-tokantrano izay mikatsaka fitaomam-panahy hahafantarana ny fomba hanampiana amin’ny zavatra ilain’ny rahavavy tsirairay izay tsidihan’izy ireo.

Avy amin’ ny Soratra Masina

Lioka 10:25–37; Jakoba 1:27; Môsià 4:26; 18:8–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:18

Avy amin’ny Tantarantsika

Nametraka andraikitra tamin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 9 Jona 1842, ny “hanampy ireo mahantra” ary “hamonjy ireo fanahy.”2 Mbola ivon’ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana ireo tanjona ireo ary aseho ao amin’ny teny filamatsika, “Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:8).

Ny filoha fahadimin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, Emmeline B. Wells, sy ireo mpanolotsainy dia nametraka ity teny filamatra ity tamin’ny 1913 ho fampahatsiahivana ireo fitsipika fototra iainantsika: “Manambara izahay fa ny tanjontsika dia … [ny hifikitra] mafy amin’ireo fampianarana mahatalanjon’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’izy nampahafantatra ny drafitra izay entina hanamafisana orina ireo vehivavy amin’ny alalan’ny antso avy amin’ny fisoronana mba hivondrona ao amin’ny fikambanana mifanentana amin’izany mba hanompoana ny marary, hanampiana ireo sahirana, hankaherezana ireo antitra, hananarana ireo manao zavatra tsy am-piheverana ary hamonjena ireo kamboty.”3

Ankehitriny dia mahenika izao tontolo izao ny Fikambanana Ifanampiana eo am-panehoan’ireo rahavavy ny fiantrana, ilay fitiavana madion’i Kristy, amin’ireo mpiara-monina aminy (jereo ny Môrônia 7:46–47).

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “Fahafahana hanao zava-tsoa,” Liahona sy Ensign, Mey 2011, 22.

  2. Joseph Smith, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2011), 63.

  3. Filles dans Mon Royaume, 63.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no fomba hiomanako mba hikarakarana ny tenako sy ny fianakaviako amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo?

  2. Ahoana no hahafahako manaraka ny ohatry ny Mpamonjy eo am-panampiako amin’ny zavatra ilain’ireo rahavavy izay sahaniko?