2017
Efa nanapa-kevitra aho
March 2017


Zatovo

Efa nanapa-kevitra aho

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Nandray lesona manan-danja iray aho tao amin’ny kilasin’ny zatovovavy iray mikasika ny fahadiovana ara-pitondrantena—lohahevitra iray izay tsy nampahazo aina ireo zatovo teny amin’ny sezan’izy ireo. Tsy tadidiko daholo ireo zavatra nianarako tamin’io andro io, fa ny zavatra tadidiko dia ny fitsipi-pitondrantena manokana niainan’ny mpitarika anay dia ny mitoetra ho madio ara-pitondrantena. Niraikitra tato anatiko ny teniny, ary nanapa-kevitra aho ny hanao izany ho iray amin’ireo soatoaviko manokana.

Indray andro raha nandeha nody avy nanatrika hetsika ara-panatanjahantena iray aho, dia nisy ankizy iray tao anatin’ilay fiara fitaterana nanomboka nanao kilalaon-tsaina momba ny filazana ny marina na fahasahiana manao fihetsika. Rehefa sorisorena teo dia nandray anjara tamin’izany izaho ny ireo ankizy sasantsasany. Nony tonga teo amin’ny anjarako, dia nasaina nanao zavatra iray aho izay fantatro fa tsy mendrika. Mety ho sarotra tamiko ny nandray fanapahan-kevitra tamin’izany, saingy tonga tato an-tsaiko ny tenin’ilay mpitarika ahy tao amin’ny zatovovavy, ary dia mora ny nandray ilay fanapahan-kevitra. Dia nandà haingana aho. Efa nanapa-kevitra an’izay ho ataoko aho raha ao anatin’ izany toe-javatra izany.

Fantatro fa rehefa mandeha any am-piangonana sy manome toerana ireo zavatra ampianarina antsika any isika dia hahazo tanjaka ara-panahy sy fiarovana lehibe kokoa eo anatrehan’ny fakam-panahin’izao tontolo izao.