2017
Mitafy fahamarinana
March 2017


Hafatry avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2017

Mitafy Fahamarinana

Ny mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany, Filoha Thomas S. Monson dia nilaza fa: “Ankehitriny, dia mitoby mba hiady amin’ny fipariahan’ny fahotana sy ny faharatsiana ary ny ratsy faran’izay lehibe hatramin’izay, izay mivondrona manoloana ny masontsika isika.”1

Ho gaga ve ianao eo am-pamantarana fa ireo teny ireo dia nolazain’ny Filoha Monson dimampolo taona lasa izay? Raha toa ka nitoby mba hiady amin’ny faharatsiana izay tsy mbola nisy toa azy isika tamin’izany fotoana izany, moa tsy mihoatra noho izany ny fandrahonana ataon’ny ratsy amin’izao fotoana izao? Ary noho izany antony izany no nanambaran’ny Tompo ho an’izao vanimpotoanantsika izao ny hoe: “Ary indro, miray tetika ny fahavalo” (F&F 38:12).

Ny ady izay “nirotsahantsika”2 dia nanomboka talohan’ ny nahaterahantsika teto an-tany? Nanomboka talohan’ny nahariana ny tany izany. Nanomboka arivotaona maromaro tany amin’ny fiainana talohan’ny fahariana izany, raha nikomy sy “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona” i Satana (Mosesy 4:3).

Resy i Satana tamin’io ady io ary “noroahina tety ambonin’ny tany” (Apokalypsy 12:9), izay toerana hanohizany ny adiny ankehitriny. Ety ambonin’ny tany dia “miady amin’ny olomasin’ Andriamanitra izy ary manemitra azy manodidina” (F&F 76:29) amin’ny lainga, fahakiviana, ary fakam-panahy.

Miady amin’ireo mpaminany sy apôstôly izy. Miady amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahamasinan’ny fanambadiana izy. Miady amin’ny fianakaviana sy ny tempoly izy. Miady amin’izay tsara sy masina izy.

Ahoana no ahafahantsika miady amin’ny fahavalo tahaka izany? Ahoana no ahafahantsika miady amin’ny ratsy izay toa mitelina ny tontolo misy antsika? Inona no fiarovan-tenantsika? Iza ireo mpiara-dia amintsika?

Ny Herin’ny Zanakondry

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa i Satana dia manana fahefana amintsika raha toa ka mamela azy isika.3

Raha nahita ny androntsika i Nefia dia “nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” (1 Nefia 14:14; nampiana fanamafisana).

Ahoana no ahafahantsika mitafy fahamarinana sy hery? Mihazona tsy tapaka ny andro Sabata ho masina sy manaja ny fisoronana isika. Manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana, manao asa mikasika ny tantaram-pianakaviantsika, ary mandeha any amin’ny tempoly isika. Miezaka ny mibebaka tsy tapaka sy mitalaho amin’ny Tompo isika mba “[hampihatra] ny ran’ny sorompanavotan’ i Kristy hahazoan[tsika] mandray ny famelana ny fahotan[tsika]” (Môsià 4:2). Mivavaka sy manompo ary mijoro ho vavolombelona sy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika.

Isika koa dia mitafy fahamarinana sy hery raha toa isika ka “[mirakitra] lalandava ao an-tsain[tsika] ny tenin’ny fiainana” (F&F 84:85). Mirakitra ireo teny ireo isika amin’ny alalan’ny firobohantsika tanteraka ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ny tenin’ireo mpanompo voafidin’ny Tompo, izay hizara ny sitrapony, ny fisainany ary ny feony mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny volana ambony (jereo ny F&F 68:4)

Amin’izao adintsika amin’ny ratsy izao, dia mila mahatsiaro mandrakariva isika fa manana fanampiana avy amin’ny lafy roan’ny voaly. Ireo mpiara-dia amintsika dia ahitana an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay sy i Jesoa Kristy Tompo ary ny Fanahy Masina.

Ahitana ireo miaramilan’ny lanitra izay tsy hita maso ihany koa ireo mpiara-dia amintsika. “Aza matahotra,” hoy i Elia tamin’ny tovolahy iray raha niatrika andiana miaramilan’ny ratsy izy ireo, “fa maro ireo izay miaraka amintsika noho ireo ireo miaraka amin’izy ireo” (jereo ny 2 Mpanjaka 6:15–16).

Tsy tokony hatahotra isika. Tian’ Andriamanitra ny Olomasiny. Tsy handao antsika na oviana na oviana Izy.

Fantatro fa Andriamanitra, amin’ny famaliana ny vavaka, dia nanatanteraka ny fangatahako ny hanafahany ahy amin’ny ratsy. MIjoro ho vavolombelona aho fa miaraka amin’ny fanampian’Ilay Andriamanitra Ray sy ny Mpamonjy izao tontolo izao ary ny Fanahy Masina, dia afaka matoky isika fa hahazo hery mihoatra noho ny tokony ho izy mba hiatrehantsika na inona na inona herin’ny ratsy izay hatrehantsika.

Enga anie isika ka hitafy mandrakariva ny fahamarinana mba hahafahantsika manana fahatokiana amin’ilay fandresena lehibe.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Correlation Brings Blessings,” Relief Society Magazines, Apr. 1967, 247.

  2. “Nous voici tous enrôlés,” Cantiques, no. 161.

  3. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 214.