2017
Ny hery mampatanjak’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany
March 2017


Ny hery mampatanjak’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, Martsa 2017

Ny hery mampatanjak’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay?

Sary
Relief Society seal

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy” (Filipiana 4:13). “Na dia manana fahalemana aza isika tsirairay, dia afaka mandresy azy ireny,” hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Eny, amin’ny alalan’ny famindrampon’ Andriamanitra dia tonga matanjaka ho antsika ny zavatra malemy, raha manetry tena sy manam-pinoana isika.”1

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Mpamonjy dia nilaza hoe: “Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88).

“I Nefia dia ohatra iray izay nahafantatra sy nahatakatra ary niantehitra tamin’ilay hery mampatanjaky ny Mpamonjy,” hoy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Nofatoran’ireo rahalahiny tamin’ny tady i Nefia ary nikononkonona ny hamotika azy izy ireo. Mba diniho ity vavaka nataon’i Nefia ity: “Tompo ô, araka ny finoako izay ao Aminao dia Ianao anie hanafaka ahy eo an-tanan’ny rahalahiko; eny, omeo hery aho hahazoako manapatapaka ireto tady izay ifatorako ireto” (1 Nefia 7:17; nampiana fanamafisana).

“… I Nefia dia tsy nivavaka mba hanovana ny toe-javatra niainany. Fa nivavaka kosa izy mba hahazo hery hanovana ilay toe-javatra nisy azy. Ary mino aho fa izany indrindra no karazam-bavaka nataony satria fantany sy takany ilay hery mampatanjaky ny Sorompanavotana ary niainany izany.

“Izaho dia tsy mihevitra hoe ilay tady namatorana an’i Nefia dia tonga dia nivaha tamim-pahagagana teny amin’ny tanany sy ny hatotanany fotsiny. Fa mieritreritra kosa aho hoe nomena faharetana sy hery manokana izay mihoatra ny heriny ara-boajanahary izy, ka dia ‘tamin’ny herin’ny Tompo’ (Môsià 9:17) no niasany sy nanodinkodinany sy nisintosintonany an’ilay tady ka tamin’ny farany dia afaka namaha tanteraka ilay fatotra izy.”2

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

Isaia 41:10; Etera 12:27; reliefsociety.lds.org

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Famindram-po,” Liahona, Mey 2015, 108.

  2. David A. Bednar, “Strength beond Our Own,” New Era, Mar. 2015,4.