2020
Fanetrentena sy finoana ary fibebahana
Janoary 2020


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROM-PARITRA

Fanetrentena sy finoana ary fibebahana

“Ny tsirairay avy amintsika dia afaka misafidy ny hanetry tena. Tena ao anatin’ny zavatra voafehin’ny tenantsika manokana izany. Manaraka ny fanetrentena ny fahafahana hianatra fahamarinana, sy hibebaka ary hitombo finoana.”

Tamin’ny Aprily, nandritra ny fivoriana alahady marainan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny Filoha Russell M. Nelson dia nitantara momba ny resadresaka nifanaovany tamin’ny zanany vavy izay maty vao tsy ela izay. Fotoana izay tena mety ho sarotra ho azy tokoa amin’ny maha-ray azy.

Mety ho azo azontsika an-tsaina ihany koa ireo fahatsapana izay mety ho nandalo tao an-tsain’ny lehilahy iray izay manana toerana ambony eo amin’ny sehatry ny asa fitsaboana, izay nahafantatra fa izy dia manana ireo fanalahidy rehetra an’ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana izay nomen’Andriamanitra ny olombelona eto an-tany, raha nijery ny zanaka vavy malalany nandritra ireo fotoana farany nahavelomany. Lalim-paka ny teny nambarany momba izany.

“Fotoana nampihetsi-po sy nahalatsa-dranomaso anay izany. Nandritra ireo 67 taona niainany dia niara-niasa izahay, niara-nihira, ary niara-nanao ski. Fa tamin’io hariva io izahay dia niresaka momba ireo zavatra izay manan-danja indrindra, toy ny fanekempihavanana, ny ôrdônansy, ny fankatoavana, ny finoana, ny fianakaviana, ny fahatokiana, ny fitiavana, ary ny fiainana mandrakizay.”

Mahakasika ny fahalasanan’ny zanany vavy fotoana fohy taorian’izany, dia nampiany hoe:

“. . . noho ilay filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia tsy manana ahiahy ny momba azy izahay. Eo amim-panohizanay manaja ny fanekempihavananay tamin’Andriamanitra, dia miandrandra ny ho tafaraka aminy indray izahay. Mandra-piandry izany dia manompo ny Tompo izahay ety, ary manompo Azy any—any amin’ny paradisa”.1

Izany no fijoroana ho vavolombelona izay maneho ny fanekena tanteraka ny sitrapon’ilay Mpahary Lehibe izay nokolokoloin’ny ray iray sy ny zanany vavy tamin’ny alalan’ny fanolorantena ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ahoana no ahafahantsika mahazo finoana toy izany?

Namporisika ny vahoakany i Môrmôna hoe:

“Ary koa, ry rahalahiko malala, mba te hiresaka aminareo ny momba ny fanantenana aho. Ahoana no ahatongavanareo amin’ny finoana, raha tsy manana fanantenana ianareo?

“Ary inona no hantenainareo? Indro, laziko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana.

“Koa, raha manam-pinoana ny olona iray dia tsy maintsy ilaina ny hananany fanantenana; fa raha tsy misy finoana dia tsy mety hisy fanantenana.

“Ary koa, indro lazaiko aminareo fa tsy afaka ny hanana finoana sy fanantenana izy raha tsy malemy fanahy sy mietry am-po.

“Raha tsy izany dia foana ny finoany sy ny fanantenany, fa tsy misy azo ekena eo anoloan’Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po”2.

Ny fananana toe-tsaina feno fanetren-tena sy ny fahalemem-panahy dia toetra ilain’ny mpianatr’i Kristy rehetra. Ny fanetren-tena no tany mamokatra izay mampandrombona ny finoana izay mitondra mankamin’ny fibebahana marina.

Nanao ohatra ny amin’ny fanetrentenany manokana i Kristy tamin’ny alalan’ny fanehoana fa Izy dia hanaiky ny didin’ny Ray rehetra:

“Nefa na dia masina aza Izy dia asehony ny zanak’olombelona araka ny maha-nofo, fa manetry ny tenany eo anoloan’ny Ray Izy ary mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray, fa hankatò Azy amin’ny fitandremana ny didiny”.3

Nampahafantarin’ny Ray avy hatrany ny fankasitrahany io fanehoana fanetrentena io:

“Koa, nony efa vita batisa tamin’ny rano Izy dia nidina teo Aminy tamin’ny endriky ny voromailala ny Fanahy Masina”4.

Ny fanetrentena dia takiana amin’ny olona rehetra izay misafidy ny hifandray amin’ny alalan’ny fanekempihavanana amin’ny Ray amin’ny alalan’ny fidirana amin’ny ôrdônansin’ny batisa:

“Ary ankoatra izany, ho fandidiana ny fiangonana momba ny fomba fanaovana batisa—Ireo rehetra izay manetry ny tenany eo anoloan’Andriamanitra ary maniry ny hatao batisa, ka manatona amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina . . . dia horaisina ao amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny batisa”5.

I Almà ihany koa dia nampianatra fa ny fanetrentena no toetra mamaritra manokana an’i Melkizedeka, ilay lehibe indrindra amin’ny lehilahy rehetra izay nihazona ny fisoronana avon’Andriamanitra, ary nampitondraina ny anarany izany.

“Ary ankehitriny ry rahalahiko, dia mba tiako ny hanetrenareo tena eo anoloan’Andriamanitra ary ny hamoazanareo ny voa miendrika ny fibebahana mba hahazoanareo koa miditra amin’izany fitsaharana izany.

“Eny, manetre tena ianareo, toy ny olona tamin’ny andron’i Melkizedeka . . . izay nandray teo amin’ny tenany koa ny fisoronana avo mandrakizay”6.

Ny tsirairay avy amintsika dia afaka misafidy ny hanetry tena. Tena ao anatin’ny zavatra voafehin’ny tenantsika manokana izany. Manaraka ny fanetrentena ny fahafahana hianatra fahamarinana, sy hibebaka ary hitombo finoana.

Avy eo dia ho mafy orina mandrakariva ny fanantenantsika ny amin’ny ho avintsika, mitovy amin’ny an’ny Mpaminanintsika sy ilay zanany vavy, sy ny an’ireo mpaminany lehibe fahiny rehetra toa an’i Enôka, i Abrahama, i Mosesy, ary i Joseph Smith (jereo Mosesy 6:26–39; Genesisy 18:17–19; Nomery 12:3, 6–8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 24–29).

I Joseph W. Sitati dia notohanana ho Manam-pahefana Ambony ao amin’ny Fitopololahy tamin’ny aprily 2009. I Gladys Nangoni no vadiny; manan-janaka dimy izy ireo.

Naoty

  1. Russell M. Nelson, “Avia, manaraha Ahy”, Liahona, Mey 2019, 88.

  2. Môrônia 7:40–44.

  3. Jereo 2 Nefia 31:7.

  4. 2 Nefia 31:8.

  5. Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37.

  6. Almà 13:13–14.