2020
Tsy hanadino ahy na oviana na oviana Izy
Janoary 2020


“FANOMPOANA MANAN-DANJA”— MIFANARAKARAKA

Tsy hanadino ahy na oviana na oviana Izy

“Avy eo dia nolazainy ny tao amin’ny Isaia 49:16 manao hoe: ‘Fantatro fa tia ahy Izy ary tsy hanadino ahy na oviana na oviana satria efa vitany tombo-kavatsa eo am-pelatanany aho.’”

Ny sasany tamin’ireo traikefa ara-panahy lehibe indrindra izay nananako dia tonga avy tamin’ny famangiana ireo mpikambana malaindaina. Nanana ny fahafahana ny nianatra avy tamin’izy ireo aho, ary vokatr’izany dia lasa natanjaka ny finoako ny Tompo Jesoa Kristy. Rehefa manao ny fanavotana aho dia mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy bebe kokoa satria mitombo ny fahatakarako sy ny fankasitrahako ny Sorompanavotany. Mandao ny famangiana tsirairay aho miaraka amin’ny fahatakarana lalina kokoa ny Asany sy ny Voninahiny.

Vao haingana izay no tao an-tokantranon’ny reny iray izay loham-pianakaviana sy nitaiza zaza efatra farafahakeliny izaho sy ny namana mpihazona ny fisoronana anankitelo. Taorian’ny resadresaka fohy dia nanontany an’ity reny loham-pianakaviana ity mba hizara ny hira ao amin’ny fihirana izay tena ankafiziny ny iray tamin’ireo namako. Tsy tamim-pihambahambana no namaliany tamin’ny hoe “Ry! zanaky ny Tompo”. Efa aman-taonany maro no tsy nankanesan’izy ireo tany am-piangonana, ary nanontany izahay raha toa ka afaka ny mihira an’izany hira izany ho an’ny fianakaviana izahay. Namiratra ny tavany raha nihira izahay, ary heniky ny teny kanton’ireo hira ilay efitrano. Feno tsiky avokoa teny amin’ny tavan’ny tsirairay raha toa ka heniky ny Fanahin’ny Tompo ilay efitrano. Mora taminay ny nanasa an’ity fianakaviana mahafinaritra ity hiverina any am-piangonana sy nizara tamin’izy ireo ny fanirian’ny Tompo ny hiverenan’izy ireo.

Tao amin’ny renivohitra iray izay dia tao an-tokantranon’ny zatovolahy nalaindaina iray izay nantsoina hoe Melusi Ngwenya izahay. Sahirana nanao fanadinana izy, ary dia tamin-kafaliana no nanekeny rehefa nanontany izahay raha toa ka te hamona tsodrano izy. Niaraka taminay tamin’izany famangiana izany ny namana mpiara-mianatra seminera iray tamin’i Melusi. Ity namana feno haim-panahy ity dia nampahatsiahy an’i Melusi an’ireo fanontaniana tsara izay napetrany tao amin’ny kilasy, ary ny fandraisany anjara dia nampisy haim-panahy sy nanampy ireo mpianatra hafa. Ny tsikiny vaventy dia toa nilaza fa tsy tsapany mihitsy hoe nisy fiantraikany tsara toa izany tamin’ny hafa izy.

Rehefa teo am-pandaozana ny tranom-piompian’i Melusi izahay dia nijanona teo amin’ny tranom-boromailalany ary nahatsikaritra fa nisy vorona 10 tao anatiny, ary nisokatra ilay varavaran’ilay tranom-borona. Nanontany izahay hoe nahoana no avelany mivoha ilay varavarana ary raha toa ka mandeha mitsoaka manidina ireo vorona. Tamin-tsika lehibe iray hafa no namaliany hoe: “Miverina foana izy ireo; fantatr’izy ireo fa misy sakafo sy rano eto ary ity no fonenany.” Avy eo dia niteny taminay izy hoe manana voromailala 50 isa izy ary ny ambiny dia mbola hiverina amin’ny hariva.

Rehefa nandao an’ity zatovolahy ity izahay, dia tsy niala tao an-tsaiko ireo teniny manao hoe “miverina foana izy ireo, fantatr’izy ireo fa ity no fonenany”. Noheveriko ho toy ny fialofana misy sakafo sy rano ary fisorohana amin’ny loza ny Fiangonana. Indraindray ny sasany dia mirenireny ka manaraka lalana tsy faleha sy voarara, saingy rehefa manana maso izay mahita isika ary sofina izay maheno, dia miverina mba handray ny rano velona sy mofon’aina ary mamihina ny Mpamonjy antsika isika. Amin’izay dia ho tsapantsika fa “Mbola mihinjintra ny tanany” (jereo 2 Nefia 19:17), miantso antsika mba hankany Aminy mba “hananantsika ny fiainana Mandrakizay” (jereo 3 Nefia 9:14). Nampatsiahivina ahy indray ny andraikitro mba hanamora ho an’ny olona izay mety efa very lalana mba hiverina amin’ny alalan’ny fitiavana azy ireo sy ny tsy fitsarana azy ireo.

Ny famangiana fahatelo dia nahitana ahy, ny eveka, ary mpiara-miasa iray. Niditra tao amin’ny tranon’ny mpikambana mazoto iray sy ny renibe izay nitaiza ankizy sy tanora malaindaina miisa 10 farafahakeliny teo izahay. Rehefa nifankafantatra izahay dia nasaiko izy ireo mba hizara ny soratra masina izay tena ankafizin’izy ireo. Tonga dia namaly i Diana fa ny Jeremia 29:11 dia tena soratra masina nanan-danja taminy. (Soratra masina tsara be io no sady tsy dia voalaza matetika.) Nanontaniako izy hoe nahoana no tiany io soratra masina io, ary nanazava izy fa io soratra masina io dia mampahatsiahy azy fa tian’ny Tompo izy. Avy eo dia nolazainy ny tao amin’ny Isaia 49:16 manao hoe: “Fantatro fa tia ahy Izy ary tsy hanadino ahy na oviana na oviana satria efa vitany tombo-kavatsa eo am-pelatanany aho.”

Tsy ho adinoko ity traikefa mamy niaraka tamin’i Diana sy ny soratra masina nozarainy ity. Nararaotinay ity fahafahana ity mba hiresahana momba ny antony ilana ny hahatsiarovana Azy. Niresaka momba ny fitahiana azo avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerin’andro ho toy ny fomba iray hahatsiarovana Azy izahay. Nasongadinay ny lanjan’ilay fampanantenana manao hoe “Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo” (3 Nefia 18:7).

I Melusi sy ireo fianakaviana roa izay novangianay dia efa niverina nazoto ao am-piangonana. Nilaza ny Loholona Mervyn B. Arnold ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Rehefa mandeha mamonjy isika, Andriamanitra dia manome antsika hery, fankaherezana sy fitahiana”1. Nianatra aho fa handray fanampiana sy aim-panahy isika rehefa iraky ny Tompo. Tena tsy mandeha irery isika rehefa mandeha manavotra ireo Zanany. Tena efa vitany tombo-kavatsa eo am-pelatanany tokoa isika ary noho izany dia tsy hanadino na oviana na oviana ny zanany Izy.

Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra i Tasara Makasi ny Aprily 2014. Nisaorana izy tamin’ny 2018 rehefa nantsoina mba hanompo amin’ny maha-Filohan’ny Misiônan’i Zimbabwe Harare. I Shamiso Mberengwa no vadiny, manan-janaka efatra izy ireo.

Note

  1. Mervyn B. Arnold, “Hamonjy ny hafa: vitantsika izany”, Liahona, Mey 2016, 53.