2020
Ilay boky teo amin’ny talantalana
Janoary 2020


FEON’NY MPIKAMBANA

Ilay boky teo amin’ny talantalana

“Raha teo am-pikarohana ireo fitoeram-bokiny izy dia nilatsaka avy teo amin’ny talantalana ambony ny Bokin’i Môrmôna ka nisokatra teo amin’ny toko faha-10 ao amin’i Môrônia. Novakiany ilay pejy nisokatra ka nanaitra azy ny tenin’i Môrônia.”

Rehefa ren’i Dinah Boitumelo Rakwela fa hatao batisa ka ho lasa mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny anadahiny, dia natoky tena ny amin’ny heviny manokana izy fa diso ny Fiangonana. Nitsidika fiangonana maro izy nandritra ny taona maro—izay nahazoana kiboky momba an’i Joseph Smith—ka nino ireo fampahalalana diso nataon’izy ireny izy. Resy lahatra tamin’io fahadisoana io izy ka nandeha nitsidika ny anadahiny mba hiresaka aminy momba ny fanapahan-keviny.

Niresaka tamin’ny anadahy hatramin’ny misasak’alina izy momba ilay “fahadisoana” izay hataony. Nony farany dia niteny ilay anadahiny hoe: “Tara loatra izao raha ifanakalozana hevitra momba izany, kanefa mila milaza zavatra iray monja aminao aho.” Nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany izy ka niteny hoe: “Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ary tsy te-hiditra amin’ny fiangonana hafa aho na inona na inona izany.” Nahatsiaro ho resy izy; fantany fa efa tapa-kevitra izy. Nomen’ny anadahiny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna izy. Tsy te hiraharaha momba izany izy ka rehefa nody tany an-tranony izy dia napetrany teo amin’ny talantalalana ambony indrindra tao amin’ny efitranony izany—toerana iray izay ahafahany manadino izany.

Tia mamaky boky hatrizay i Dinah, ary indray andro—taona vitsivitsy taty aoriana—dia nila boky iray izy. Raha teo am-pikarohana ireo fitoeram-bokiny izy dia nilatsaka avy teo amin’ny talantalana ambony ny Bokin’i Môrmôna ka nisokatra teo amin’ny toko faha-10 ao amin’i Môrônia. Novakiany ilay pejy nisokatra ka nanaitra azy ny tenin’i Môrônia. Nahatonga azy hamaky ny Bokin’ny Môrônia iray manontolo izany ary avy eo niantomboka tamin’ny fiandohana ao amin’ny Nefia voalohany. Namaky haingana izy nandritra ny roa andro, ary rehefa vitany ilay boky, dia fantany fa tenin’Andriamanitra izany.

Tamin’io fotoana io dia nitory ny filazantsara tany amin’ny Misiônan’i Capetown Afrika Atsimo ilay anadahiny. Nantsoiny ny evekan’ny paroasin’ny anadahiny—izay nihaona taminy mialohan’ny nandehanan’ny anadahiny—ka rehefa nilaza tamin’ilay eveka izy fa te hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana, dia nanantitrantitra ilay eveka fa mila mandray ireo lesona izy. Kanefa tsy te handray ireo lesona i Dinah, fa te hatao batisa fotsiny!

Koa mba hanarahana ny torohevitr’io eveka io mba hoampianaran’ny misiônera araka ny tokony ho izy, dia nanao dia adiny 8 isaky ny faran’ny herinandro avy any an-tranony any Serowa (Botswana) mankany Gaborone (Botswana) izy sy ny reniny—izay efa noreseny lahatra ihany koa mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Nampianarin’ireo misiônera izy ireo tany ary nanatrika ireo fotoam-bavaka mialoha ny nodiana. Mazava ho azy fa samy natao batisa i Dinah sy ny reniny.

Na dia tsy nanana sampana na paroasy tany amin’ny tanànany aza izy ireo dia nihaona sy niara-nianatra tamin’ny mpikambana hafa. Niara-nifady hanina sy nivavaka tsy tapaka izy ireo mba hanorenana sampana iray. Ary nony farany dia nifindra tao amin’ny tanànany ny mpikambana iray izay nihazona ny Fisoronana Melkizedeka ka natsangana ny sampana iray. Noraisiny ho fahagagana iray izany, sady nanazava izy hoe: “Ny zavatra rehetra dia tanteraka amin’Andriamanitra.”

Ankehitriny Rahavavy Rakwela dia mpikambana ao amin’ny Paroasin’i Mochudi any Botswana ary mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady. Ary ilay anadahiny—izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana na dia teo aza ireo ezaka nataony hampihemorana azy—dia ny Loholona Clement Matswagothata, izay Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ao amin’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana.