2020
Sitrapon’ny Ray any An-danitra
Janoary 2020


FEON’NY MPIKAMBANA

Sitrapon’ny Ray any An-danitra

“Nanoratra indray izy mba hilaza tamin’ny filohan’ny misiôna fa nanaraka ireo toromarika avy amin’ny filohan’ny sampana nisy azy tao Lisbonne ary efa nampianatra foana ny fianakaviany sy ny namany. Nisy olona 18 vonona ny hatao batisa tamin’izay.”

Tamin’ny taona 2000 i Lucas Bento dia nandeha avy tany Môzambika nankany Lisbonne Portugal izay toerana nipetrahan’ny rahalahiny mba hanaraka fitsaboana noho ny aretina mitaiza iray. Niara-nipetraka tamin’ny rahalahiny izy ary nandeha nankany amin’ny hopitaly iray teo akaiky teo isan-kerinandro. Mpikambana mahatoky tao amin’ny fiangonana Protestanta iray tao Môzambika i Lucas ary maika ery ny hanatrika ireo fivoriam-bavaka nandritra ny fotoana nipetrahany tany Lisbonne. Rehefa nanontany ny rahalahiny izy hoe aiza no mety hahitany ny fiangonana Protestanta teo an-toerana dia nolazaina azy fa tsy nisy teo amin’ilay faritra, fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, “ilay Fiangonana marina” no teo akaiky teo. Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny rahalahiny kanefa efa nahafantatra tsara ireo misiônera ary nahafantatra fa nandeha matetika nitsidika olona teny amin’ny manodidina teny izy ireo. Fantatry ny rahalahin’i Lucas fa ho faly tokoa ireo misiônera ny hitondra an’i Lucas any am-piangonana.

Nanomboka nihaona tamin’ireo misiônera i Lucas ary vetivety izy dia naneho fahalianana ny ho lasa mpikambana. Ny tena nahatalanjona azy indrindra dia ireo didy sy ny fampianaran’ny Fiangonana, toy ny Tenin’ny fahendrena, ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary ny maha-zava-dehibe ny fananana mpaminany velona. Nanan-danja tamin’ny fikarohany ny fiangonana marina ny soratra masina iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Namaky toy izao izy tao amin’ny 3 Nefia 27:8 hoe “Ary ahoana no maha-fiangonako azy raha tsy antsoina amin’ ny anarako izy?” Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Lucas Bento ary natao batisa tamin’ny 9 jona 2002. Notendrena ho ao amin’ny Fisoronana Aharôna izy ary fotoana fohy taorian’izay dia niverina tany amin’ny tanànany tany Môzambika izay izy irery no mpikamban’ny Fiangonana tao.

Nanome torolalana azy ny filohan’ny sampana nisy an’i Bento tao Lisbonne mba tsy ho any amin’ny fiangonana hafa rehefa miverina any Môzambika, fa hamory kosa ny fianakaviany ary hampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanontanian-drahalahy Bento an’ireo misiônera tany Portugal ny antony tsy nahitana ny Fiangonana tao Môzambika. Rehefa nahafantatra izy fa tao amin’ny fireneny tokoa ny Fiangonana, dia nanoratra tamin’ny filohan’ny misiôna tao Maputo izy mba hangataka toromarika ho an’ny Fiangonana. Nisy misiônera nalefa namangy an-dRahalahy Bento tao Nampula. Nasehony azy ireo ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny batisany sy ny fanendrena azy ho amin’ny Fisoronana Aharôna, ka dia natao ny fandaminana mba hanendrena an-dRahalahy Bento ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Nanoratra indray izy mba hilaza tamin’ny filohan’ny misiôna fa nanaraka ireo toromarika avy amin’ny filohan’ny sampana nisy azy tao Lisbonne ary efa nampianatra foana ny fianakaviany sy ny namany. Nisy olona 18 vonona ny hatao batisa tamin’izay.

Manohy mizara ny filazantsara amin’ireo mpiray monina aminy Rahalahy Bento ary ankehitriny dia izy no mpitarika ny vondrona ho an’ny fiangonana kely iray ao amin’ny tanànan’i Luaha, Môzambika. Mpikambana mananika ny 80 isa no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana any vokatry ny asa fitoriana nataon-dRahalahy Bento. Tia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ary manohy mampianatra an’ireo mpiray monina aminy momba ny mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Vao haingana Rahalahy Bento no nandeha tany amin’ny tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo mba hofehezina tamin’ny vadiny. “Rehefa nandeha tany Lisbonne aho,” hoy izy, “dia tsy nandeha tany noho ny aretiko fotsiny. Sitrapon’ Andriamanitra no nandehanako tany. Nandritra ireo taona nijanonako tao Portugal dia nandeha tany amin’ny hôpitaly miisa dimy aho kanefa tsy mbola sitrana ihany. Fa ankehitriny aho dia mahatakatra fa hitady ny fiangonana marina, dia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy no nandehanako tany Portugal.”