2020
Vina ho an’i Afrika
Febroary 2020


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROM-PARITRA

Vina ho an’i Afrika

“Ny tena tanjaky ny Fiangonana dia tsy ao amin’ny hatsaran’ireo trano fiangonany, ny habetsahan’ireo mpiangona ao aminy, na ny isan’ny paroasy sy tsatòka ao aminy, fa ao amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon’ireo mpikambana tsirairay kosa, izay mikatsaka ny hanao sy hanaja fanekempihavanana masina—rehefa mifankatia sy mifampitsinjo ary mifanompo izy ireo.”

Nanatrika ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tany Salt Lake City izaho sy i Jacqui vadiko tamin’ny volana ôktôbra lasa teo. Nohodidinina mpikamban’ny Fiangonana an’arivony maro izahay, niara-tafavory tao amin’ilay Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana mahatalanjona sy mahavariana. Hahatsapana fifaliana lehibe rehefa tafangona marobe avy amin’izao tontolo izao, ary manerana izao tontolo izao ireo Olomasina, hihaino ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly velona ao ambadiky ny Tempolin’i Salt Lake izay tandindona azo tsapain-tanana ny fahafoizana nataon’ny vahoaka mpanao fanekempihavanana sy mpitandrina fanekempihavanana.

Niverina taty amin’ny kaontinanta Afrikanina malalanay izahay, ka ny alahady nanaraka an’izay dia nihaona tamina vondrona kelin’ireo Olomasina tao anatina trano nofaina iray tao Kigali Rwanda. Na dia faran’izay vitsy aza ny mpiangona raha oharina amin’ny zavatra niainanay ny herinandro talohan’izay, dia tena nahatsapa fifaliana be izahay niaraka tamin’ireo Olomasina mahafinaritra ireo izay mifankatia sy mifampitsinjo ary mifanompo. Firenena ahitana vahoaka 13 tapitrisa ny Rwanda ary ny Fiangonana amin’izao fotoana dia mbola tanora sy kely any raha ny isan’ny mpikambana no jerena. Saingy matanjaka ny Fanahy eo anivon’ireo Olomasina ireo ary marobe amin’izy ireo no mpikambana vao niova fo. Taorian’ny fivoriana dia niresadresaka tamina vondrona tanora mahafinaritra be izahay, izay samy tamin’ny taona lasa avokoa no nahavitana ny batisan’izy ireo ary miomana mba hanompo amim-pahafoizan-tena ny hafa amin’ny alalan’ny fandehanana hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno.1

Izany fahatsapana fananana fijoroana ho vavolombelona sy fahavononana hanompo izany dia nisy ihany koa teo anivon’ny andiana rahalahy izay nivory tao amin’ny trano fianarana kely vita amin’ny hazo tao Kirtland Ohio Etazonia tamin’ny 1834. Tao anatin’io trano kely 4 metatra toradroa io no niangonan’ireo mpihazona ny fisoronana rehetra teto ambonin’ny tany tamin’izany fotoana izany. Taorian’ny nizaran’ireo rahalahy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo dia nitsangana ny mpaminany Joseph ary nilaza hoe: “Tiako ny hilaza aminareo fa tsy mahafantatra mihoatra noho ny tsy fahafantaran’ny zazakely eo ampofoan-dreniny ny hoaviny ianareo raha ny mikasika ny hiafaran’ity Fiangonana ity. . . . Olona vitsy kely ao amin’ny fisoronana fotsiny no tazanareo eto anio hariva, kanefa ity Fiangonana ity dia . . . hameno an’izao tontolo izao.”2 Torak’izany koa hoe vitsy amintsika no tena mahatakatra ny hoavin’ny Fiangonana aty Afrika, tazantsika kely anefa izany hoavy izany ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona madio ataon’ireo izay tia sy manaraka an’i Jesoa Kristy ary mitondra ny anarany eo amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Vao tsy ela izahay no nampandraiketina hampianatra misiônera ao Etiôpia, izay firenena be mponina indrindra eto amin’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana, ahitana vahoaka miisa 100 tapitrisa. Nahita tanora misiônera feno finoana an’i Kristy miisa roa ambin’ny folo izahay raha nanompo ny rehetra tamin’ny fizarana ny filazantsara amin’ireo izay tsy mitovy finoana amintsika3 izay vonona ny hihaino azy ireo izy ireo. Mahatakatra ireo misiônera ireo fa na dia vitsy an’isa aza izy ireo, izy ireo miaraka amin’ireo mpikambana mahatoky ao Etiôpia dia tahaka ireo zanakalahin’i Môzià manasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fampianarana finoana an’i Kristy, ny fifalian’ny fibebahana, ary ny fitahian’ny fidirana ao amin’ny fanekempihavanana masin’ny batisa.

Torak’izany koa, i Jesoa sy ireo mpanaradia Azy kely an’isa dia mety noheverin’ireo fifavahana mpirehareha sy efa tafaorina tsara tamin’izany fotoana ho tsisy dikany tamin’ny voalohany. Rehefa nanaiky avy hatrany ny fanasany mba hanaraka Azy anefa ireo mpianany ireo dia nitombo tao amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona ireo lehilahy sy vehivavy vitsivitsy avy any Galile ireo hatramin’ny fotoana nahafahan’i Petera namaly ilay fanontaniana mampieritreritra hoe “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?” miaraka amin’ilay fanambarana hoe “Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.”4

Ao amin’ny firenena faran’izay kely eto Afrika dia misy Olomasina vitsy izay mitsaoka miaraka isaky ny alahady, eny fa na dia tsy misy paroasy na sampana natsangantsika aza any. Ny ankamaroan’ireo rahalahy sy ranabavy ireo dia irery, lavitry ny fianakavian’izy ireo ary miasa amin’ny fotoana voafetra amina andraikitra tena sarotra. Tena kely tokoa ilay vondrona hany ka tsy misy izany hoe antso manara-penitra izany any. Vao tsy ela akory izay dia nanana fahafahana nihaona tamin’ny sasany amin’ireo Olomasina mahatoky ireo izaho sy i Jacqui, anisan’izany ny mpikambana vao niova fo iray, tao amin’ny trano fiangonana tsotra tsy mifidy fivavahana iray tao amin’ny toby miaramila amerikanina. Vahiny avy amin’ny toerana lavitra be izy ireo, anisan’izany Samoa sy Hawaï. Misy olona vao niova fo ao anatin’izany vondrona izany ary mahafinritra tokoa no mahita fa ny olona tsirairay dia mamiratra amin’ny hazavan’ny filazantsara eo amin’ny masony. Tsy hohadinoanay ny fifaliana lehibe tsapanay raha nahita izany vondrona kelina mpanaradia mpitandrina fanekempihavanana an’i Kristy izany mifankatia sy mifampitsinjo ary mifanompo izahay.5

Samy voakasika mafin’izany traikefa mamy izany izahay raha nahatonga anay hisaintsaina ny fahatsiarovanay taloha indrindra momba ny Fiangonana izahay. Fony izy zatovovavy, raha mbola nipetraka tao Nigéria i Jacqui, dia nanatanteraka fivorian’ny fanasan’ny Tompo isak’alahady tao amin’ny tokantranony izy sy ny fianakaviany, satria tsy nahitana mpikamban’ny Fiangonana hafa nanodidina ny 4,800 kilaometatra nanodidina an’i Kaduna. Fony aho zazalahy dia nipetraka tao amina toeram-piompiana ondry tao ambanivohitr’i Nouvelle Zélande izahay, izay lavitry ny paroasy na sampana efa mitsangana. Rehefa nahazo fankatoavana avy tamin’ny filohan’ny misiôna dia nitantana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ny raiko isak’alahady nandritra ny fotoam-pivavahana tsotra natao tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny, izay nahitana lahateny sy hira ary vavaka nataon’ny olona ao amin’ny fianakaviana kelinay. Izaho sy i Jacqui dia samy mahatakatra amin’ny fomba tena manokana hoe ohatra ny ahoana izany ao anatina fiangonana mifantoka amin’ny tokantrano izany izay hikolokoloana ny finoana, ary hitoeran’ny Fanahy ao amin’ny tokantrano hianarana ny filazantsara. Ankamamianay ireo fanekempihavanana masina natao taty aoriana tamin’ny batisa ary tao amin’ny Tranon’ny Tompo. Ary matoky ny fampanantenan’ny Tompo izahay fa “na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo (na maromaro) amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.”6

Mety hisy ny fotoana hahatsapantsika tsirairay avy ho vitsy an’isa sy irery. Mety hoe isika irery no hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviana. Mety hoe isika irery no hany mpikamban’ny Fiangonana ao an-tsekoly na ao am-piasana. Mety hoe lavitry ny tempoly no misy antsika na miangona ao amina trano kely ofaina isika amin’ny alahady. Tsy irery izany anefa isika rehefa manaja ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo, mifanompo, mivoky amin’ny Bokin’i Môrmôna,7 ary matoky ilay fampanantenana ny Fanahiny hiaraka amintsika mandrakariva8 rehefa mibebaka isika amin’ny alalan’ny fitodihana Aminy.9

Ny tena tanjaky ny Fiangonana dia tsy ao amin’ny hatsaran’ireo trano fiangonany, ny habetsahan’ireo mpiangona ao aminy, na ny isan’ny paroasy sy tsatòka ao aminy, fa ao amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon’ireo mpikambana tsirairay kosa, izay mikatsaka ny hanao sy hanaja fanekempihavanana masina—rehefa mifankatia sy mifampitsinjo ary mifanompo izy ireo. Izany vina izany dia voasoritra ao amin’ny Drafitry ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana. Na inona na inona toe-javatra iainantsika, dia aoka isika rehetra “hanamafy orina ny fiovam-po amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pontsika sy ao amin’ny tokantranontsika.”10 Rehefa manao izany isika dia “hanorina ny Fiangonana eo ambony fototra azo antoka”11 izay “hamoaka azy avy ao amin’ny haizina sy avy ao amin’ny haizimpito”12 ary hanatanteraka ny anjarany eo anivon’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra ao amin’ny kaontinanta Afrikanina.

Voantso ho Fitopololahy Manampahefana Ambony i S. Mark Palmer tamin’ny volana aprily 2016. I Jacqueline Ann Wood no vadiny; manan-janaka enina izy ireo.

Naoty

  1. Jereo ny Drafitry ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana.

  2. Wilford Woodruff, teny nindramina avy ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith.

  3. Jereo ny Drafitry ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana.

  4. Matio 4:15.

  5. Jereo ny Drafitry ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana.

  6. Matio 18:20.

  7. Jereo ny Drafitry ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana.

  8. Jereo ny Môrônia 4:3.

  9. Jereo ny Helamàna 7:17.

  10. Drafitry ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana – Vina.

  11. Drafitry ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana – Vina.

  12. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30.