2020
Manatanteraka fanompoana amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana
Febroary 2020


Fitsipika momba ny fanompoana, Febroary 2020

Manatanteraka fanompoana amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana

Sary
ministering

Sary nataon’i Joshua Dennis; ny sary ao ambadika sy ireo sary nalaina dia avy amin’ny Getty Images

Fomba iray hanompoana ny fanampiana olona amin’ny tantaram-pianakaviany. Rehefa mampifandray ny hafa amin’ny razambeny ianao amin’ny alalan’ireo tantara sy antisipirian-javatra momba ny fianakaviana dia manampy azy ireo hahatsapa fifaliana bebe kokoa sy hahatsapa ho mifandray bebe kokoa amin’ny fianakaviany mihoatra izay efa noeritreretiny hatrizay (jereo ny Malakia 3:23–24).

Na efa mpikamban’ny Fiangonana hatrizay io na olona mbola tsy nahare ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny mihitsy, dia samy manana faniriana mafy ny hahafantatra momba ny niaviany ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Matetika dia tsy mila fotoana ela akory ny mamela fahatsapana mahery vaika sy maharitra, araka ny asehon’ireto tantara manaraka ireto.

Mitady fianakaviana any amin’ny 9,100 metatra eny amin’ny habakabaka

Tafapetraka teo akaikin’i Steve, izay nizara tamiko ny ampahan’ny tantarany manokana aho, nandritra ny sidina handeha hody vao tsy ela iray. 18 taona izy no afaka baka ary niditra tao amin’ny tafika Amerikana mba ho manampahaizana momba ny fifandraisana, ary tsy ela dia nanomboka niasa tao amin’ny Maison Blanche, nitondra fanampiana amin’ny resaka fifandraisana ho an’ny Filohan’i Etazonia. Nanomboka tamin’ny faha-18 taonany ka hatramin’ny faha-26 taonany dia nanompo Filoha anankiroa an’i Etazonia izy. Nahavariana ireo tantara nozarainy!

“Steve” hoy aho taminy, “tokony soratanao ho an’ny taranakao izany tantara izany! Ilain’izy ireo ny manana mivantana izany tantara izany avy amin’ny fijerinao manokana.” Nanaiky izy.

Avy eo dia nitaona ahy ny Fanahy hanontany azy ny zavatra fantany momba ny razambeny. Nahafantatra betsaka momba ny an’ny reniny i Steve, tafiditra amin’izany ny tantara iray izay niarahan’ny fianakaviany nisakafo hariva tamin’i Abraham Lincoln fony izy nanao fampielezan-kevitra tany ambanivohitra nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 1860.

Tena kely anefa no fantany mahakasika ny an’ny rainy. Tena te hahafantatra bebe kokoa izy. Navoakako ny findaiko dia nosokafako ny application FamilySearch. “Steve, afaka mitady ny fianakavianao isika izao dia izao!”

Dia nidirako ny Wifi tao amin’ilay fiaramanidina. Napetrako teo amin’ilay latabatra kely nanoloana ahy ny findaiko mba hahafahanay roa mahita izany. Nokarohinay ny tetiarana. Tao anatin’ny minitra vitsivitsy izahay dia afaka nijery ny fanamarinam-panambadian’ny ray aman-dreniben’ny dadany.

“Izy ireo” hoy izy. “Tsaroako amin’izay izao ny anarany!”

Nirotsaka taminay roa ny fahatsapana fientanentanana. Namorona famariparitana ny momba ireo razambeny izay tsy dia fantany loatra izahay tao anatin’ireo 45 minitra nanaraka izany. Nangataka ahy izy mba hampanantena azy ny mbola hiarahanay hanohy ny fikarohana rehefa tonga any Colorado. Nifampizara ny fomba ahafahanay mifandray izahay rehefa nidina ilay fiaramanidina.

Teo izahay, nisidina efa ho 9.100 metatra teny amin’ny habakabaka, niaraka tamin’ny fitaovana kely toy ny tanana, nikaroka lehilahy sy vehivavy nifanambady 100 taona lasa izay, izay very taminy sy tamin’ny fianakaviany. Tena tsy mampino! Saingy hitanay izy ireo. Nampifandraisina ny fianakaviana. Notsaroina ireo tantara. Fankasitrahana ho an’ny teknôlôjia sy ireo fitaovana nampiasaina no tsapa. Tena fahagagana izany.

Jonathan Petty, Colorado, Etazonia

Voahodidina fianakaviana vaovao

Nalaindaina efa nihoatra ny 20 taona i Maria. Volana vitsivitsy lasa izay dia nandany ora maromaro niaraka taminy tao an-tranonay izahay, nijery ny fianakaviany tamin’ny alalan’ireo fanisam-bahoaka sy ny rakitsoratra. Nisy fotoana izy latsa-dranomaso nilaza hoe: “Nianatra zavatra betsaka momba ny fianakaviako mihoatra noho izay efa fantatro nandritra ny fiainako aho tao anatin’ny adiny roa!”

Tamin’ny fiafaran’ny fotoana niarahanay dia nampahafantarinay azy ny fonction “Relatives Around Me” (ireo havako manodidina ahy) ao amin’ny application Arbre Familial. Dia hita fa samy havana lavitra an’i Maria izahay mivady. Latsa-dranomaso indray izy nilaza fa nieritreritra hoe irery. Tsy nahafantatra mihitsy izy hoe manana havana manodidina teo. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nihaona tamin’ny evekanay i Maria. Izao izy dia miomana ny handeha any amin’ny tempoly, ary nihaona tamin’ny havana “vaovao” maro tao amin’ny paroasinay.

Carol Riner Everett, Caroline du Nord, Etazonia

Drafitra enti-manompo

Samy manana boky momba ny fikarakarana sakafo avy amin’ny renibenay izaho sy i Ashley, rahavavy iray izay tompoiko. Ny azy dia avy amin’ny reniben’ny reniny, ary ny ahy kosa dia boky natambatro rehefa nandova ny boaty misy ny fikarakarana sakafo an’i Bebe Greenwood aho taorian’ny nahafatesany.

Samy nisafidy sakafo iray avy tamin’ny bokinay izahay ary niaraka izahay indray hariva rehefa avy niasa hanandrana izany. Nisafidy fomba fikarakarana tsindrin-tsakafo iray izy, koa dia izay aloha no nataonay ary nataonay tao anaty lafaoro izany. “Chip dip” no nofidiko, sakafo fihinan’ny fianakaviana Greenwood isaky ny mifety. I Alice zanak’i Ashley no nanampy anay nanandrana ny sakafo. Avy eo satria tsy tian’i Ashley hihinana ny tsindrin-tsakafo rehetra ireo zanany dia nateriny tany amin’ireo rahavavy izay tompoiny ny sasany.

Ny zavatra tena tiako tamin’ny fikarakaranay sakafo tamin’io alina io dia rehefa nahandro izahay: niresaka momba ireo lohahevitra rehetra mahazatra amin’ny fanompoana izahay, ireo olany sy ny ahy. Fa niresaka momba ireo ray aman-drenibenay sy reninay ihany koa izahay, izay tena fotoana mamy ho anay roa.

Jenifer Greenwood, Utah, Etazonia

Fomba manokana hanampiana

Ny tantaram-pianakaviana dia afaka manokatra fahafahana hanompo rehefa toa tsy misy afaka hanaovana izany. Ireto misy hevitra vitsivitsy azonao andramana.

  • Ampio izy ireo handray horonam-peo momba ny tantaram-pianakaviana sy hampiditra izany, indrindra fa ireo izay mifandraika amin’ny sary.

  • Mamorona tetiarana miendrika fikopahana na antontan-taratasy azo atao printy momba ny tantaram-pianakaviana izay azonao atao fanomezana.

  • Mampianara fomba ahafahan’izy ireo mirakitra ny tantarany manokana amin’ny alalan’ny firaketana diary amin’ny fomba mahafinaritra azy ireo. Diary am-peo? Diary an-tsary? Horonan-tsary? Betsaka ny safidy azo atao ho an’ireo izay tsy tia mampiasa diary mahazatra.

  • Mandehana miaraka mankany amin’ny tempoly mba hanao ireo ôrdônansy ho an’ny razambe. Na manolora tena hanatanteraka ôrdônansy ho an’ny anaran’ny fianakavian’izy ireo raha toa ka manana mihoatra ny azony entina izy ireo.

  • Miaraha mizara ny fomban-drazan’ny fianakaviana.

  • Miaraha mandray kilasy fianarana ny tantaram-pianakaviana.