2020
Antso an-telefaonina iray ihany no nilaina
Febroary 2020


SOKAJIN-DAHATSORATRA: FANOMPOANA MANAN-DANJA

Antso an-telefaonina iray ihany no nilaina

“Nametraka tanjona aho ny hiantso olona vitsivitsy isam-bolana ary nanomboka nanesy ireo anarana tao anatin’ilay lisitra.”

Rehefa notoloran’ny episkôpa lisitra iray nisy ny Tanora Tokan-tena tao amin’ny paroasy aho dia tena gaga.

Herintaona talohan’izay aho no afaka bacc ary vao afaka mihitsy aho dia voantso ho solontenan’ny Tanora tokan-tena tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ny paroasy nisy ahy. Tsy mbola feno 18 taona akory aho kanefa tsindrian-daona na dia somary nisalasala aza.

Rehefa alahady dia Tanora Tokan-tena vitsivitsy no namonjy ny lesona sekoly alahadinay. Noho izy ireo ao anatin’ny sokajin-taona samihafa sy liana amin’ny zavatra samy hafa dia zara raha nisy zavatra niraisan’izy ireo rehefa tany ivelan’ny fiangonana. Ny tanjoko niaraka tamin’ny solontenan’ny fisoronana sy ireo mpivady mpanolotsain’ny Tanora Tokan-tena dia ny hampatanjaka sy hampivelatra ny vondrona nosahaninay. Nirinay mba ho lasa mpinamana nifanohana sy nifankahery ireo Tanora Tokan-tena tao anatin’ny ezaka nataon’izy ireo mba hiaina ny filazantsara.

Tamin’izay aho no naharay ilay lisitra. Toa nandinika ahy ireo pejy nisesisesy feno anarana. Toa vitsy dia vitsy ny isan-jaton’ireo Tanora Tokan-tena nazoto. Tonga saina aho fa olona tena misy no mandrafitra io firaketana io ary izy ireo dia niasa sy nianatra ary sahirana tamin’ny fandraisana ireo fanapahan-kevitra mifamatotra amin’ny hatanorana. Nila ny filazantsara teo amin’ny fiainany izy ireo. Tsy izay ihany fa nila azy ireo ihany koa izahay.

Nametraka tanjona aho ny hiantso olona vitsivitsy isam-bolana ary nanomboka nanesy ireo anarana tao anatin’ilay lisitra. Tsy fantatro avokoa ny anarana tsirairay, koa tsy aleo ve izany tonga dia atomboka hatrany amin’ny voalohany? Nanao tatitry ny fivoarako aho isam-bolana nandritry ny filankevitry ny paroasy. Nisy laharan-telefaonina izay diso. Nisy laharana naneno lava fotsiny. Nisy ireo olona izay nilaza tamim-pahalalam-pomba fa tsy liana. Ny ‘fivoarana’ nilaina nataoko dia ny fampahafantarana ny mpitam-boky fa nisy olona iray izay niala tao amin’ny paroasy na koa hoe nila nikaroka ireo fomba vaovao ahafahana mifandray amin’ireo olona izahay.

Indray mandeha, raha teo ampihainoana ny tatitra nataoko ny eveka dia nanontany tampoka hoe: “Efa niantso an’i Karen ve ianao?” (Novaina ny anarana teto.) Tsy nanampo aho ka dia niteny hoe tsia. Mbola somary lavidavitra ihany tao anatin’ilay lisitra no nisy an’i Karen, ary tsy mbola tonga tany aho. “Tokony hiantso azy angamba ianao” hoy izy tamiko. Noraisiko an-tsoratra niaraka tamin’ny anarana vitsy hafa ny anarany.

Nandeha ny volana, ary ny sabotsy talohan’ny fivoriana manaraka aho dia nijery ny zavatra noraisiko an-tsoratra ary tonga saina fa tsy mbola niantso an’i Karen aho. Azoko antoka fa ho andrana iray tsy ahitam-pahombiazana indray izany, saingy tian’ny eveka ho fantatra ilay izy.

Nantsoiko ilay laharana ary taitra aho raha namaly izy. Tamin-tahotra no nampahafantarako ny tenako taminy.

“Salama!” hoy izy. “Nanandrana niantso anareo foana aho!” Nanazava i Karen fa vao haingana izy no nikaroka ny laharan-telefaonina ahazoana ny fiangonana teo an-toerana tao anatin’ny boky misy ireo laharan-telefaonina ary nanandrana niantso imbetsaka. Naneno fotsiny izany isaky ny niantso izy. Fantatro tsara izany fahatsapana izany.

Nifampiresaka tsara nandritra ny minitra vitsy izahay ary avy eo dia nasaiko ho tonga tany am-piangonana izy ny ampitson’io.

“Mazava ho azy!” hoy izy. “Mandram-pihaona ary e!” Efa saika nibitaka noho ny hafaliana aho!

ny ampitso maraina dia heniky ny tebiteby aho. Tamin’ny ankapobeny dia niandry aho hoe hatahotra i Karen ka tsy ho avy. Kanefa minitra vitsy talohan’ny niantombohan’ny fotoam-pivavahana dia iny fa nisy zatovovavy iray tsara tarehy sy nitsikitsiky ary namiratra ny masony. Famihinana no niarahabany ahy. Faly be foana aho.

Taorian’izay dia tonga tao nivavaka isan-kerinandro i Karen. Lasa isan’ny nazoto sy mpitondra anjara biriky tao amin’ny vondron’ny Tanora Tokan-tena nisy anay izy ary lasa namana tsara. Raha nitombo ka lasa vondrona mpinamana lehibe sy niray hina ny vondrona nisy anay dia nanampy tamin’ny fanamafisana orina sy ny fankaherezana ny hafa tamin’ny fijoroany ho vavolombelona izy.

Ny fitarihan’ny Fanahy ihany no nilaina tamin’izany. Ary antso an-telefaonina iray fotsiny ihany.