2020
Inona no atao hoe manompo?
Febroary 2020


Pejy eo an-toerana

Inona no atao hoe manompo?

Manompo tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

  • Ny hoe manompo dia mamantatra ary manatanteraka ny filan’ny hafa.

  • Atombohy amin’ny vavaka ny fanompoana, ataovy tsotra izany, ary fantaro izay tena mety ho an’ireo izay niantsoana anao mba hotompoina

  • Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson: “Manana fomba maro hifandraisana amin’ny olona isika, mba hijerena ny mahasoa azy ireo sy hanampiana azy ireo eto amin’ity lalana fiverenana any amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra ity. … Inona no mandaitra? Inona no ilaina?”

Ahoana no hanomboako?

  1. Mifandraisa amin’ireo izay nanendrena anao mba hotompoina. Azo atao amin’ny fomba maro izan-karazany izany. Resaho mivantana izy ireo, na amin’ny alalan’ny téléphone, na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra, na amin’ny tambazotra ifaneraserana, na taratasy mihitsy aza.

  2. Fantaro izy ireo. Fantaro ny momba ny fiainan’izy ireo, sy ny olona mifandray amin’izy ireo, ary ny toe-javatra iainan’izy ireo. Raha manao izany ianao dia ho afaka mamantatra ny zavatra ilain’izy ireo ary afaka ny ho vitanao irery ny hanatanteraka izany zavatra ilainy izany na hiantso ny mpitarika ao amin’ny paroasy misy anao mba hahazoana loharanom-pitaovana sy hevitra fanampiny.

  3. Aoka ianao ho namany amin’ny alalan’ny fampahafantarana azy ireo fa miraharaha azy ianao. Miezaha ny ho karazana namana izay ilain’izy ireo.

  4. Mivavaha ho azy ireo sy mba hahazoana fitarihana. Tsy misy mahafantatra tsara ny zavatra ilain’ireo olona nanendrena anao mba hotompoina mihoatra ny Ray any An-danitra. Katsaho ny fanampiany ary mivavaha mba hahazo fitarihana ny amin’ny hanompoana azy ireo amin’ny fomba tsara indrindra—dia ny fombany. Ny fahitana valiny nentanim-panahy amin’ireo fanontaniana anananao sy ny fampiasana ireo fomba fifaneraserana rehetra izay misy eo am-pelatanana no fototry ny fanompoana nentanim-panahy.

  5. Manompoa azy ireo amin’ny fomba izay natao manokana sy namboarina mba hifanaraka amin’ny filan’izy ireo.

  6. Hazony ny fifandraisana. Mety miova haingana ny fiainana ho an’ny olona sasany. Miresaha matetika amin’ireo izay tompoinao dia ho vonona tsara kokoa ianao ny hanampy sy hanompo azy ireo rehefa misy filana mitranga.