2020
Fahamarinan-toetra sy fizakan-tena: Lesona iray avy amin’ny dadan’ny dadabe
Martsa 2020


Hafatra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra

Fahamarinan-toetra sy fizakan-tena: Lesona iray avy amin’ny dadan’ny dadabe

“Tsy voatery notanana an-tsoratra ny fampiasana ny vola nomen’ny fanjakana, satria vatsy. Nanapa-kevitra anefa ilay dadabeko hiverina tany amin’ilay ben’ny tanàna sy hamerina ny vola tsy lany.”

Raha te-ho lasa mizaka tena tanteraka ara-panahy sy ara-nofo isika dia misy toetra tahaka ny an’i Kristy izay ilaintsika hatsaraina mba hahazoana fanampiana avy amin’ Andriamanitra. Ny fahamarinan-toetra sy ny tsy fivadiham-pitokisana no anisan’ireo toetra tena manan-danja indrindra izay tokony hatsaraintsika mba hahatratrarana izany.

Ao amin’ny fanekem-pinoana faha-13 isika dia mahita izao manaraka izao: “Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky . . .”

Noho izany isika dia tsy maintsy mianatra ny ho marina sy mahatoky eo anatrehan’ny olona, fa indrindra indrindra amin’ Andriamanitra.

Marina amin’olona

Ny tantaran’ny fahamarinan-toetran’ny razambeko iray dia nisy fiantraikany goavana tamin’ny fiainan’ny olona an’arivony maro izay nahafantatra azy, ary mbola ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo fianakaviako hatrany izany 128 tao aty aoriana. I Georg Wolf, dadan’ny dadabeko, dia mpitarika andiana hongoroa izay nifindra monina tany Brésil tamin’ny 1891. Rehefa tonga teo amin’ny seranana izay voatondro hijanonana tao Brésil dia nanome azy arivo réis (vola fampiasa tao an-toerana tamin’izany fotoana izany) sy antsibe ny lehiben’izany tanàna izany. Niaraka tamin’ireo loharanom-pitaovana ireo dia nandrasana hanokatra lalana 60 km namakivaky ny ala mikitroky ny Atlantika io vondron’olona io, izay hahitan’izy ireo ny ampahan-tany izay nomen’ny fanjakana hitoeran’izy ireo.

Tsy voatery notanana an-tsoratra ny fampiasana ilay vola nomen’ny fanjakana, satria vatsy. Kanefa satria tsy lany daholo izany hividianana ireo zavatra nilaina ho amin’ny dian’ilay vondron’olona sy ny fitoeran’izy ireo dia nanapa-kevitra ilay dadabeko ny hiverina tany amin’ilay ben’ny tanàna sy hamerina ny vola tsy lany. Somary gaga avokoa ny olona tsirairay tao amin’ilay fiaraha-monina satria nanomboka fiainana vaovao niainga avy tamin’ny tsy nisy io vondron’olona io tao amin’ny toerana iray vaovao, ary mety ho nitondra fanampiana izay ilaina ho azy ireo tao amin’ny diany io vola tsy nampiasaina io. Saingy mbola nanan-danja bebe kokoa tamin’ny dadabeko ny fahamarinan-toetra sy ny fananana fiadanan-tsaina.

Taona maro taty aoriana io toerana io dia lasa toerana miroborobo tao amin’ilay firenena miaraka amin’ireo fitahiana lehibe ara-panahy sy ara-nofo izay mitohy ao amin’ny fiainan’ny olona an’arivony ankehitriny, anisan’izany ny fianakaviako.

Nianatra aho avy tamin’ny fahatokian’ny dadabeko fa misy fitahiana manokana ara-nofo sy ara-panahy izay tsy zo raha tsy marina amin’olona isika.

Marina amin’ Andriamanitra

Raha toa ka mampiroborobo ny fizakan-tena ny fahamarinan-toetra amin’ny mpiara-belona, ny fahamarinan-toetra amin’ Andriamanitra dia mampitombo betsaka ny fahatongavana amin’izany. Raha ny tena marina dia tsy mahazo ireo fitahiana tsara indrindra avy amin’ Andriamanitra isika raha tsy entintsika eo amin’ny alitarany ny ezaka tsara indrindra avy aty amintsika!!

Raha milaza ny Tompo ao amin’ny Malakia 3:10 hoe: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako . . . ary izahao toetra amin’ izany Aho . . . raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo”, dia milaza amintsika Izy raha ny tena marina manao hoe: “Mandoava ampahafolon-karena marina, mandalina ary miasa mafy, manàna finoana, ary hitahy betsaka anareo Aho, ara-panahy sy ara-nofo.”

Ho famintinana dia manasa antsika rehetra aho mba ho marin-toetra tanteraka, ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia amin’ Andriamanitra. Rehefa manao izany isika dia homena ny fahafahana manatanteraka ityy tanjona lehibe ao amin’ny drafitry ny vondrom-paritsika ity: “Ho lasa mizaka tena mba hanompoana tsara kokoa ny hafa”.

I Joni L. Koch dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana ambony tamin’ny aprily 2017. I Liliane Michele Ludwig no vadiny. Manan-janaka roa izy ireo.