2020
Nanomboka tamin’ny tavoahangy vernis iray fanosotra amin’ny hoho izany
Martsa 2020


Pejy eo an-toerana

Nanomboka tamin’ny tavoahangy vernis iray fanosotra amin’ny hoho izany

“Fantatro fotsiny fa raha toa aho ka mandoa ny ampahafolonkarenako, dia hitahy ahy ny Ray any An-danitra avy eo.”

Ahoana no ahafahan’ny zatovolahy iray avy ao Chatsworth, Afrika Atsimo hamelona ny tenany sy hanorina hoavy amin’ny vola efatra ambiny folo rand fotsiny ao am-paosiny? Izany no olana izay natrehan’i Mervyn Pillay rehefa niverina nody avy nanao asa fitoriana ny filazantsara tao Johannesbourg izy taona maro lasa izay.

“Rehefa tonga tany an-trano aho . . . dia niteny anakampo hoe: -Ahoana no hahatafavoahako amin’ny vola 14 Rand?- . . . saingy hoy aho niteny irery hoe, -Hitahy anao ny Tompo rehefa manao ny zavatra tiany hataonao ianao.-”1

Vetivety monja taorian’izay dia nividy tavoahangy vernis iray fanosotra amin’ny hoho i Mervyn tamin’ilay vola keliny. Nandeha tany an-tsena izy ary nivarotra izany mba hahazoana tombony. Niantomboka tamin’izany ny raharaham-barotra iray, ary tsy ela dia nivarotra vernis maromaro fanosotra amin’ny hoho izy—tany an-tsena sy isam-baravarana. Rehefa nahaleo tena izy dia nahazo fahalalana misimisy amin`ny fanamboaran-javatra simba, ka noho izany, rehefa nandeha isam-baravarana izy dia nanontany raha toa ka manana fitaovana izay mila fanamboarana ny tompon-trano ary dia nahita asa fanampiny—sy fidiram-bola—tamin’izany fomba izany izy.

Tao amin’ny trano iray i Mervyn dia tafahaona tamina lehilahy iray izay mpanamboatra ilay vokatra vernis fanosotra amin’ny hoho amidiny. Rehefa nahafantatra izy fa i Mervyn dia mpivarotra tena matihanina sady afaka manamboatra zavatra ho azy ihany koa dia nampandroso azy izy ka niteny hoe: “Afaka manamboatra ny fatana fampiasako ianao.” Avy eo izy dia nanontany hoe: “Ary afaka mivarotra an’ity vernis fanosotra amin’ny hoho ity ho ahy koa ve ianao?”

Rehefa nianatra ny fomba fiasana mafy tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara azy i Mervyn dia nanatanteraka tamim-pahavitrihana ity asany vaovao ity, ary rehefa nandeha ny fotoana dia nahalafo tavoahangina vernis fanosotra amin’ny hoho teo amin`ny telo tapitrisa teo ho eo izy.

“Nividy trano ho ahy aho ary nanomboka . . . raharaham-barotra mikasika ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra . . . raharaham-barotra momba ny vokatra fikarakarana tarehy, ary dia niroborobo be ilay raharaham-barotra.”2

Taona maro taty aoriana dia mbola mitantana ireo raharaham-barotra roa ireo i Mervyn ary dia miteny hoe: “fantatro fotsiny fa raha toa aho ka mandoa ny ampahafolonkarenako, dia hitahy ahy ny Ray any An-danitra avy eo.”

Nisy fotoana ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nanao fanamarihana fa amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika, “Isika dia manana andraikitra sy fanamby ny handray ny anjara toerantsika eo amin’ny tontolon’ny raharaham-barotra, ny siansa, ny fitantanam-panjakana, ny fitsaboana, ny fampianarana, ary ireo anton’asa hafa izay mahasoa sy mampiorina. Manana ny adidy mba hanazatra ny tanantsika sy ny saintsika mba hahomby tsara amin’ny asan’izao tontolo izao isika mba ho fitahiana ny olombelona rehetra”3.

I Mervyn Pillay izay nanangana samirery ny raharaham-barotra ataony dia efa lasa nitahy fiainan’olona maro tokoa, anisan’izany ny fianakaviany, ireo mpiasa ao aminy, ary ireo izay notompoiny tamin’ny naha filohan’ny sampana sy eveka azy.

Naoty

  1. Teny notsongaina avy tamin’ny fakana am-bavany an’i Mervyn Pillay mba hitantara ny tantarany, ny 19 ôktôbra 2019, Ivon-toeran’ny tantaran’ny Fiangonana, Johannesbourg, Afrika Atsimo.

  2. Mervyn Pillay Oral History Interview.

  3. Gordon B. Hinckley, “A City upon a Hill”, Ensign, July 1990, 5.