2020
Manatanteraka fanompoana amin’ny alalan’ny asa fanompoana atao any amin’ny tempoly
Martsa 2020


Fitsipika momba ny fanompoana, martsa 2020

MANATANTERAKA FANOMPOANA AMIN’NY ALALAN’NY ASA FANOMPOANA ATAO ANY AMIN’NY TEMPOLY

Rehefa manampy ny hafa isika mba hisitraka ireo fitahian’ny tempoly dia manompo isika izay.

Sary
ministering

Ny sary aoriana dia avy amin’i Getty Images; sarin’ny Tempolin’i Tegucigalpa Honduras

Mendrika hanaovana ezaka ny fankanesana any amin’ny tempoly. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “zava-dehibe amin’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika ary ny famonjena sy ny fisandratan’ny fianakaviantsika ny tempoly. …

“… Isika tsirairay avy dia mila ny fampaherezana lalan-dava sy ny fanabeazana ara-panahy izay tsy hita raha tsy any amin’ny tranon’ny Tompo.”1

Ny fankanesana any amin’ny tempoly dia mitaky ny fandrindrantsika ny fotoantsika, ireo andraikitsika sy ireo loharano eo am-pelantanantsika ary koa ny fahavononantsika ara-panahy. Manompo isika rehefa mamantatra ireo sakana izay manakana ireo rahalahintsika sy rahavavintsika tsy ho any amin’ny tempoly ka manampy azy ireo hahita vaha-olana.

Fitahiana azon’ny rehetra sitrahana ny tempoly

Tsy ela izay i Meg, misiônera iray vao avy nanompo tamin’ny fotoana feno, raha izy nizotra hihazo ny varavaran’ny Tempolin’i Kona Hawaii no nahatsikaritra zatovovavy iray nipetraka irery teo amin’ny seza iray teo ivelany. Nahatsapa i Meg fa tokony hiresaka tamin’ilay zatovovavy, saingy tsy fantany hoe inona no holazaina. Koa dia nanontaniany ny dikan’ilay tombokavatsa teo amin’ny kitrokelin’ilay zatovovavy. Izany no niantombohan’ny resaka izay nanome fahafahana ilay zatovovavy, nantsoina hoe Lani, hizara ny tantarany.

Notantarain’i Lani an’i Meg ny olana atrehany amin’ny fahafahany miverina mandray anjara feno indray ao am-piangonana, sy ny amin’ireo mpikambana mahafinaritra izay nanampy azy, ary ny fanantenany fa indray andro any izy dia hovoafehy amin’ilay zanakavavikeliny.

Nasain’i Meg i Lani mba hiara-hiditra hipetraka aminy ao amin’ny efitrano fiandrasana ao amin’ny tempoly. Mbola tsy afaka niroso lalindalina tao amin’ny tempoly izy ireo, saingy afaka nandingana kosa ny tokonam-baravarana. Nanaiky i Lani ary niara-niditra ny varavaram-be izy ireo. Nisy mpiasa tao amin’ny tempoly iray nanondro azy ireo seza iray teo ambanin’ny sary hosodoko iray misy ny sarin’ny Mpamonjy.

Raha niara-nipetraka izy ireo dia nibitsibitsika i Lani hoe: “Tena te hiditra mafy tato amin’ny tempoly mihitsy aho androany fa sadaikatra.” Satria nanaraka ny fitarihan’ny Fanahy i Meg dia nanampy tamin’ny famaliana ny vavaka mangina nataon’i Lani izy.

Hevitra hanampiana ireo izay tsy manana fahazoan-dalana

Na dia ireo izay mbola tsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly aza dia afaka mahazo fitahiana avy amin’ny tempoly.

  • Zarao ny zavatra tsapanao mikasika ny fomba nitahian’ny Tompo anao tamin’ny alalan’ny asa atao any amin’ ny tempoly.

  • Manasà olona iray hanatrika ny varavarana misokatra an’ny tempoly na ny ivon-toerana fandraisana ireo mpitsidika. Tadiavo ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org ny amin’ireo vavarana misokatra atsy ho atsy.

  • Jereo ny sary ary mianàra bebe kokoa momba ny tempoly ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

Ataovy izay hahamora ho an’ny hafa ny fankanesana any amin’ny tempoly

Mety hananosarotra na dia ho an’ireo mpikambana manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly aza ny fanatrehana ny tempoly. Mety ho mila mandeha halavirana maro ny sasany. Mety ho manana ankizy madinika na olon-dehibe efa nahazo taona izay mila fikarakarana ny sasany. Afaka miara-miasa isika mba hahafahan’ny rehetra manatanteraka asa fanompoana atao any amin’ny tempoly.

Nahatsapa ho sahirana be tamin’ny fikarakarana ny vadiny izay marary sy ireo zanany efatra i Leola Chandler. Hany ka nanapa-kevitra izy ny hanokana ny andro talata mba hankanesana any amin’ny tempoly akaiky iray. Zary loharanom-piadanana sy hery teo amin’ny fiainany izany.

Indray andro izy dia nahare ny amina rahavavy zokinjokiny tao amin’ny paroasy nisy azy izay naniry ny hankany amin’ny tempoly, saingy tsy nanana fiara fitaterana izy ireo. Nanolotena ny hitatitra azy ireo i Leola. Ny 40 taona nanaraka an’izay dia mahalana izy no hoe nandeha irery nankany amin’ny tempoly.2

Notahiana i Leola ary nitahy ny fiainan’ny hafa izy tamin’ny fanolorany tena hitondra azy ireo niaraka taminy nankany amin’ny tempoly.

Hevitra hanampiana ny hafa hankany amin’ny tempoly

Ahoana no ahafahanao manampy ny hafa handeha matetika ho any amin’ny tempoly? Mety hahita ianao fa ireo hevitra ireo ihany dia hanampy anao ihany koa.

  • Mandehana miaraka. Manolora tena ny hitatitra na handrindra ny fitaterana ny olona iray. Mety hamporisika ny olona iray hankany amin’ny tempoly ihany koa izany.

  • Iangavio ireo olona ao amin’ny fianakavianao na ao amin’ny paroasy mba hanampy anao hanatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambenao, indrindra rehefa manana anarana olona maro ao amin’ny fianakaviana izay vononona hanatanterahana ôrdônansy ianao.

  • Manolora tena hitaiza zaza amin’izay afaka mankany amin’ny tempoly ireo ray aman-dreny. Na mifandamina amin’ny fifandimbiasana amin’ny fiambesana ny zanaky ny roa tonta.

Rehefa lavitra no misy ny tempoly

Nanapa-kevitra ny hofehezina tany amin’ny tempoly i Chandradas “Roshan” sy i Sheron Antony avy ao Colombo, Sri Lanka. Faly tokoa ny amin’izy ireo i Ann sy i Anton Kumarasamy naman’izy ireo. Saingy fantatr’izy ireo fa tsy mora sady lafo ny hahatongavana any amin’ny Tempolin’i Manila Filipina.

Nanangom-bola i Roshan sy i Sheron ary amam-bolana maro no namandrihan’izy ireo mialoha ny sidina takatry ny fahafaha-mividin’izy ireo. Noho ny farany dia tonga ihany ilay andro. Kanefa nandritra ny fiampitana dia tao Malaysia, dia tsikaritr’izy ireo fa mba hanohizana ho any Filipina, dia tsy maintsy mila visa iray na mandeha amina fiaramanidina iray hafa izy ireo. Tsy afaka ny haka visa izy ireo ary tsy nanana fahafahana hividy tapakila handehanana fiaramanidina amina zotra anabakabaka iray hafa. Kanefa sarotra ho azy ireo ihany koa ny mieritreritra hoe hiveri-maina tsy vita famehezana akory.

Tsy nahalala izay tokony ho atao marina i Roshan ka niantso an’i Anton. Te hanampy mafy i Anton sy i Ann. Anisan’ireo mpivady vitsy an’isa tao Sri Lanka izay vita famehezana tany amin’ny tempoly izy ireo, ary fantatr’izy fa fitahiana lehibe izany. Saingy vao haingana no nampiasain’izy ireo ny tahirin’izy ireo mba hanampiana fianakaviana sahirana iray, ka tsy ampy ny vola teo am-pelantanan’izy ireo mba hanampiana an’i Roshan sy i Sheron hividy tapakilam-piaramanidina vaovao.

Fomba tany Sri Lanka ny hoe rehefa hivady ny olon-droa dia ividianan-dralehilahy rojo volamena fanao amin’ny tenda ravehivavy ka raha maty ralehilahy dia mba hanam-bola rahavehivavy. Nanapa-kevitra i Ann ny hamarotra ny rojony mba hanampiana amin’ny fividianana tapakilam-piaramanidina vaovao. Ny fanomezana lehibe nataony dia nahafahan’i Roshan sy i Sheron ho tody ara-potoana tany amin’ny tempolin’i Manila.

“Fantatro ny lanjan’ny famehezana any amin’ny tempoly,” hoy i Ann. “Fantatro fa ho hery lehibe ho an’ny sampana i Sheron sy i Roshan. Tsy tiako ny hamerezan’izy ireo io fahafahana io.”3

Hevitra hanampiana ireo izay tsy afaka mankany amin’ny tempoly

Ianao dia mety ho voantso hanompo ireo izay tsy afaka ny mankany any amin’ny tempoly matetika na tsy afaka mandeha mihitsy noho ny halaviran-toerana na ny saran’ny fandehanana. Kanefa mbola afaka mahita fomba hanampiana azy ireo ianao mba hisitraka ireo fitahiana avy amin’ny tempoly.

  • Mampianara na miaraha mandray anjara amina kilasy fiomanana ho any amin’ny tempoly na kilasy momba ny tantaram-pianakaviana.

  • Manomeza sarina tempoly iray mba hahanton’izy ireo ao an-tokantranony.

  • Raha efa tany amin’ny tempoly ianao dia zarao ireo fahatsapanao momba ireo zavatra niainanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ireo ôrdônasin’ny tempoly.

  • Ampianaro izy ireo hianatra momba ireo fanekempihavanana izay nataon’izy ireo sy ny fomba hitandremana azy ireny. Azonao atao ny mampiasa ny “Comprendre nos alliance avec Dieu: vue d’ensemble de nos promesses les plus importantes”, ao amin’ny Liahona Juillet 2012.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely”, Liahona, nôv. 2018, 114.

  2. Jereo ny LaRene Gaunt, “Finding Joy in Temple Service”, Ensign, Oct. 1994, 8.

  3. Voaverina tamin’i Ann sy i Anton ny rojon’izy ireo taorian’ny namerenana ny volan’izy ireo avy tamin’ny vatsim-bola fahoben’ny Fiangonana ho fanampiana ireo olona mankany amin’ny tempoly, izay manampy ara-bola indray mandeha ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tsy ho nanana fahafahana hankanesa any amin’ny tempoly raha tsy amin’ny alalan’izany.