2020
Ny lalana mankany amin’ny fizakantena
Martsa 2020


Hafatra ho An’ireo Mpitarika ao amin’ny Fisoronana eto An-toerana

Ny lalana mankany amin’ny fizakantena

“Rehefa tsy fantatrao ny lalan-kombanao dia hitondra anao ho any ny lalana rehetra. Raha tsorina dia mety hiafara na aiza na aiza ianao!”

Tsy fahita matetika ny hoe lehilahy efa manambady amin’ny taonako no mijery todika ireo fotoana nisakaizany tamin’olona ka hizara fitsipika feno fahamarinana izay afaka hitondra ho amin’ny fiadanana sy fifaliana mandritra ity fiainana ity ary, fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.1 Saingy ny hafatro ho anareo dia mitondra mankamin’izany. Angamba mety tena ho tsaroan’ny vadiko, sy ireo namako akaiky tamin’izany fotoana izany (na dia ankehitriny aza ny ankamaroan’izy ireo dia mbola namako akaiky hatrany) aho niteny zavatra toy izao: “Sarotra ho ahy ny miaraka amina vehivavy iray tsy mahafantatra izay zavatra tadiaviny eo amin’ny fiainana.” Mbola tsy mpikamban’ny Fiangonana aho tamin’izany fotoana izany, kanefa zavatra iray izay efa takatro mazava tsara ny hoe raha tsy manana vina dia lasa hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona.2 Alaivo sary an-tsaina anie ny hafaliako rehefa sendra io soratra masina io aho taty aoriana e!

Fomba fiteny malaza mahakasika io fitsipika io ny hoe rehefa tsy fantatrao ny lalan-kombanao dia hitondra anao ho any ny lalana rehetra. Raha tsorina dia mety hiafara na aiza na aiza ianao! Ny tiako hahatongavana dia ny hoe mila manana vina aho ary mamolavola drafitra mba hanatontosako izay mety ho tsara tiako hotanterahina eo amin’ny fiainana. Ny miaina fiainana mandeha ho azy dia sady tsy mahafinaritra no tsy ahitam-pahombiazana. Mba hahombiazako amin’ny zavatra iray dia misy zavatra hafa mila afoiko. Koa satria ny fizakan-tena dia mifandray akaiky amin’ny fianarana, sy ny fahazotoana, ary ny fifantohana ankoatra ny zavatra maro hafa, dia mitaky ny tsirairay avy amintsika sy ny fianakaviana izany hiara-hientana hiasa mafy sy amim-paharanitan-tsaina mba hanatratrarana izany. Rehefa tapa-kevitra ny hanatratra izany isika dia tsy azontsika atao ny mamela ny tenantsika hosembatsembanin’ireo zavatra mandrebireby izay miseho azy ho tsara sy ilaina.

Mba hanehoana ny zavatra tiako hiaviana dia hampiasa ohatra iray efa nozaraiko im-betsaka taloha aho. Ny filofosana mba ho lasa olona manana marim-pahaizana farany ambony dia manan-danja amin’ny fanatratrarana ny fizakan-tena. Ny fahatongavana eo amin’izany toerana izany dia mitaky izany olona izany hanana fifehezan-tena eo amin’ny fampiasany ny fotoany. Raha ohatra ka tena tapa-kevitra aho ny hanatratra izany ao anatin’ny fotoana fohy araka izay tratra dia tsy azoko atao, ohatra, ny manome fotoana be amin’ny fanatanjahantena araka izay tiako na mandeha amin’izay lanonana reko. Nahita aho fa ny fianarana any amin’ny ambaratonga ambony dia mety hampalahelo be ny hiafarany rehefa tsy mifantoka intsony sy tsy mianatra araka ny tokony ho izy, na dia ny tanora tena maranin-tsaina be aza, ka miafara amin’ny tsy fahazoan’izy ireo diplaoma izany. Rehefa nihalehibe aho dia nahita tanora maro izay nanana fahafahana handranto fianarana kanefa naleony nisafidy ny hahazo vola eo no eo tamin’ny fanaovana asa tsotsotra; asa izay mety tsy hahafahan’izy ireo mamelona araka ny tokony ho izy ny fianakavian’izy ireo akory rehefa mandeha ny fotoana.

Ny fahombiazana eo amin’ny fizakan-tena dia ho tonga eo amin’ireo izay mifantoka amin’ny fanatratrarana izany ary ny fikirizana amin’ny fanaovana ireo zavatra izay mahatonga izany. Tiako ny ohatry ny Kapiteny Môrônia araka ny namintinana azy ato amin’ireto teny avy amin’ny soratra masina manaraka ireto: “Ary ankehitriny . . . dia tsy nitsahatra ny manao fiomanana ho amin’ny ady i Môrônia . . . ary nasainy naorina . . . ny toeram-piarovana. . . . Dia toy izany no nanomanan’i Môrônia ny toeram-pamaharana hiatrehana ny fiavian’ny fahavalony. . . . Môrônia mbamin’ny miaramilany izay nitombo isan’andro isan’andro noho ny fahatokiana ny fiarovana izay vokatry ny asany ho azy ireo, dia nikatsaka toy izany ny hanesorana ny tanjaka sy ny herin’ny Lamanita teo amin’ny tany fananany mba tsy hananany fahefana amin’ny tany fananany.”3 Izany miaraka amin’ilay fampanantenan’ny Tompo miverimberina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “raha mitandrina ny didin’Andriamanitra [isika] dia hiroborobo eo amin’ny tany [isika]”4 dia natao mba hahafahantsika manatontosa ny anjarantsika amin’ny fahatanterahan’ireo fitahian’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika!

Ho ahy dia famaritana tsara momba ny atao hoe fizakan-tena ity teny manaraka avy ao amin’ny Boky torolalana 2 an’ny Fiangonana ity: “Ny fizakan-tena dia ny fahafahana sy ny fanoloran-tena ary ny fiezahana hanome fahafaham-po ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny ankohonana.”5

Toy izao no nampianarin’ny Loholona Robert D. Hales antsika momba ny fizakan-tena: “Mandritra ny fiainantsika, na ao anatin’ny fotoan’ny haizina, na olana, na alahelo, na fahotana izany, dia afaka mahatsapa ny Fanahy Masina isika hampahatsiahy antsika fa tena zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra, izay mikarakara sy tia antsika, ary mety maniry mafy an’ireo fitahiana masina ireo isika izay Izy irery ihany no afaka manome azy. Amin’izao fotoana izao dia tokony hiezaka ny ho tonga saina isika ary hiverina any amin’ny fahazavan’ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika.

“Ireo fitahiana ireo dia natao ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra araka ny rariny sy ny hitsiny. Ny faniriana ireo fitahiana ireo, anisan’izany ny fiainam-pifaliana sy fahasambarana, dia lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika tsirairay avy. Nampianatra ny mpaminany Almà hoe: -Na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo.-

“Rehefa mitombo ny faniriantsika ara-panahy, dia lasa mizaka tena ara-panahy isika. . . . Miova fo sy mizaka tena ara-panahy isika rehefa miaina ombam-bavaka ny fanekempihavanantsika—amin’ny alalan’ny fahamendrehana handray ny fahazoan-dalana hiditra any amin’ny tempoly, ary amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena hanompo ny hafa. . . .

“Ankoatra ny fizakan-tena ara-panahy . . . , dia misy koa fizakan-tena ara-nofo, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanovoana fianarana ambony na fiofanana arak’asa aorian’ny fianarana any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, ny fianarana miasa, ary ny fiainana amin’izay ananana. Amin’ny alalan’ny fisorohana ny trosa ary ny fanangonam-bola ankehitriny, dia ho vonona ny hanao asa fanompoana amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonana any amin’ny taona ho avy any aoriana any isika. Ny tanjon’ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo dia ny hampilamina antsika manokana mba hahafahantsika manampy ny hafa izay mila fanampiana.”6

Araka ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson dia “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa noho ny hatramin’izay isika rehetra”7 amin’ny fizakan-tena eo amin’ny fiatrehana ireo adim-piainana eto amin’ny fiainana an-tany.

Hofaranako amin’ireto teny avy amin’ny Tompo, Jesoa Kristy manao hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”8 Ireo zavatra izay tokony hitranga dia hazava kokoa amintsika rehefa manaraka tsaratsara kokoa ny ohatry ny Tompo amin’ny fananana vina mazava tsara sy fahafantarana mazava tsara ny iraka nampanaovina, ny fahazotoana, ary ny fifantohana isika! Mandritra ny fotoam-pizahan-toetran’ity fiainana ity, ny andraikitsika dia ny manao ireny zavatra ireny amim-pahatokiana sy amim-pankatoavana.9 Amin’izay ireo ezaka tsara indrindra vitantsika10 omban’ireo fitahian’ny Tompo dia hitarika antsika ho amin’ny fahombiazana izay nomanin’ny Tompo ho antsika!11

Mijoro ho vavolombelona aho fa marina avokoa ireo zavatra ireo. Inty no fotoan’ny fizahan-toetra ho antsika tsirairay avy sy ho an’ny fianakaviantsika: dia ny miasa ho amin’ny famonjena antsika miaraka amin’ny fanampiana masina sy tsy manam-piafaran’ny Tompo.

Voantso ho fitopololahin’ny Vondrom-paritra tamin’ny volana aprily 2019 i S. Ephraim Msane. Manambady an’i Nomthandazo Salvatoris Mpanza izy; manan-janaka roa izy ireo.

Naoty

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.

  2. Jereo ny Ohabolana 29:18.

  3. Jereo ny Almà 50:1–12.

  4. Jereo ny Almà 37:13.

  5. Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana, Fizarana 6.1.1.

  6. Robert D. Hales, “Tonga Saina: Fanasan’ ny Tompo, ny Tempoly, ary ny Fahafoizan-tena Manao Asa Fanompoana”, Liahona, mey 2012, 34, 36.

  7. Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika”, Liahona, mey 2019, 68.

  8. Jaona 8:12.

  9. Jereo ny Abrahama 3:25.

  10. Jereo ny 2 Nefia 25:23.

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10.