2020
Fiarahabana avy ao amin’ilay Ala kely masina
Aprily 2020


Fiarahabana avy ao amin’ilay Ala kely masina!

Sary
Hello from the Sacred Grove

Salama ô, izahay no Margo sy Paolo.

Amin’ity volana ity dia mitsidika ny toerana nitrangan’ny Fahitana Voalohany 200 taona lasa izay izahay, mba ho fankalazana ny Famerenana amin’ny laoniny!

Fony i Joseph Smith 14 taona, dia nipetraka tao amin’ny trano iray vita amin’ny vatan-kazo tao New York, Etazonia izy. Nanana rahalahy dimy sy anabavy telo izy. Nankatò ireo ray aman-dreniny izy ary nifankahazo tsara tamin’ny hafa. Namaky ny Baiboly niaraka tamin’ny fianakaviany izy, saingy tsy nitovy ny fiangonana nivavahan’izy ireo.

Tia miasa mafy i Joseph. Nanampy tamin’ny fanapahana hazo izy mba hahafahan’ny fianakaviany mamboly. Nanampy ny fianakaviany nanangona rano misy tsiro avy amin’ny hazo erabla koa izy mba hanaovana siramamy.

Naniry ny hitady fiangonana tahaka ilay iray ao amin’ny Baiboly i Joseph. Indray andro dia nandeha tany anaty ala kely iray izy ary nivavaka. Niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa. Nilaza taminy Izy Ireo fa voavela ny helony. Nilaza ihany koa Izy Ireo fa tsy misy tokony handehanany amin’ireo fiangonana. Vetivety foana dia ho tafaverina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa!

Maro ireo olona nihomehy an’i Joseph noho ny zavatra hitany. Nolazain’izy ireo fa noforoniny fotsiny izany. Saingy nanohy nilaza ny marina i Joseph. Hoy izy hoe “Nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho” (Joseph Smith—Tantara 1:25).

Amin’izao fotoana izao dia afaka mitsidika ilay faritra nivavahan’i Joseph ny olona. Kanto sy tony ery izany.

Mipetraka any amin’ny toerana naha-lehibe an’i Joseph ireto ankizy ireto!

Fantatro fa ny Ala kely masina dia toerana miavaka satria nivavaka i Joseph Smith dia nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa tao.

Piper D., 5 taona, New York, Etazonia

Feno fankasitrahana aho fa mipetraka eo akaikin’ny tranon’i Joseph Smith izahay. Tiako ny mankeo amin’ny Tranobe Grandin misy ny fanontana printy. Tiako ery ny mahita ny toerana nanambaran’izy ireo ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna voalohany.

Roscoe B., 9 taona, New York, Etazonia

Misaotra niara-nitsidika ny Ala kely masina taminay. Amin’ny manaraka indray!

Sarin’ankizilahy nalain’i Julie Poulson; sary nataon’i Katie McDee