2020
Hafahafa tamiko ny nampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana saingy tsy nanenenana izany
Aprily 2020


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Hafahafa tamiko ny nampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana saingy tsy nanenenana izany

Toa tsotra kanefa dia lasa nitaky ezaka mihoatra noho ny nieritreretako azy ny fanarahana ny torolalana avy amin’ny mpaminany.

Rehefa niresaka nikasika ny fampiasana ny tena anaran’ny Fiangonana ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2018, dia tena nazava tamiko ny hafatra napetrany: “Izany dia didin’ny Tompo. …

“… Ny fanesorana ny anaran’ny Tompo amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia fandresena lehibe ho an’i Satana” (“Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87, 88).

Tsapako fa nila nieritreritra indray ny fomba firesahako amin’ireo manodidina ahy aho, ao anatin’izany ireo mpanjifa sasany ao amin’ny toeram-piasako izay lasa zatra miantso ahy hoe “Môrmôna” sy hoe mpikamban’ny “Fiangonana Môrmôna.”

Noho ny fanolorantenako hampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana, dia niandry ny fahafahana manaraka hampahafantarana ny maha-mpikambana ahy ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Tonga tokoa ilay fahafahana, mbola teo amin’ny sehatry ny asa ihany. “Tena olona tsara fanahy ianareo Môrmôna,” hoy ny olona iray izay mety ho lasa mpanjifa ao aminay. “Misaotra betsaka!” hoy aho namaly. “Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anay dia mino izahay fa mpirahalahy sy mpirahavavy isika rehetra.” Avy eo dia nitohy ny resaka nifanaovako taminy sy ireo rehetra niresaka momba ny hatsaran-toetran’ireo “Môrmôna”.

Na dia nanao ny anjarako aza aho rehefa nilaza ny anarana fenon’ny Fiangonana dia mbola nahatsapa ihany aho hoe misy zavatra tsy mety. Mbola nijery ahy ho toy ny mpikamban’ny “Fiangonana Môrmôna” foana ihany ireo namako sy ireo mpiara-miasa amiko fa tsy hoe mpanara-dia an’i Kristy, ary tsy hoe mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Nilaina ve ireo ezaka nataoko?

Nandritra ireo fifampiresahana manaraka momba ny finoako dia nahatsapa ho toy ny niala an-daharana aho satria hafahafa tamiko ny nanonona ny anarana feno sy lavan’ny Fiangonana imbetsaka tao anatin’ny fifampiresahana tokana. Toa ohatra ny hafahafa avokoa ny fihetsiky ny olona rehetra noresahiko. Ary mbola nifantoka tamin’ny hoe “Môrmôna” foana ny resaka.

Niezaka ny hiresaka tamin’ny fomba faran’izay tsotra aho. Kanefa dia toa lasa sarotra kokoa noho ny neritreretako azy izany, indrindra tamin’ireo olona tsy tiako ho tafintohina. Tsy tiako ho toy ny hoe manara-drenirano fotsiny na hoe goragora eo amin’ny fiainana ny finoako aho, nefa koa tsy te hiseho hoe masiaka aho satria efa niantso ahy hoe “Môrmôna” ny sasany amin’ireo olona ireo ary izaho dia nanaiky izany. Nahare mpikamban’ny Fiangonana maro koa aho niantso ny tenany sy ny mpikamban’ny Fiangonana hafa hoe “Môrmôna” nandritra ny fotoam-pivoriana maro samihafa sy teo amin’ny sehatra hafa.

Nanontany tena aho raha toa ka tena manan-danja tokoa ny fampiasana ny anarana fenon’ny Fiangonana rehefa dinihina ny lafin-javatra tena manan-danja. Tsy dia tena hoe ratsy ao an-tsain’ny olona ilay fiantsoana hoe “Môrmôna” rehefa tena dinihina, tombontsoa ho ahy mihitsy ary ny atao hoe “Môrmôna” tany aloha tany. Saingy rehefa namerina namaky ilay lahateny nataon’ny Filoha Nelson aho dia nahatsapa fa tena manan-danja tokoa izany na dia hafahafa aza ao anatin’ireo resaka ifanaovantsika. Noho izany dia nanavao ny fanolorantenako aho.

Fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy

Tany am-pamangiana namana iray tany amin’ny fiangonana avy amin’ny antokom-pinoana hafa iray aho rehefa nila nampiasa indray ny anarana fenon’ny Fiangonana. Nisy olona nanatona ahy ka nanontany tamim-pitsikiana raha toa ka Môrmôna aho. “Eny tompoko, mpikambana amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho,” hoy aho. Nanomboka nametraka fanontaniana maro tamiko izy, izay nanomboka tamin’ny hoe: “Moa ve ny Fiangonana Môrmôna mino fa … ?” Ary isaky ny namaly aho dia natomboko tamin’ny hoe: “Ao amin’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mino izahay fa …”

Nitohy teo amin’ny inefatra na indimy teo izany fifanakalozana mahafinaritra izany. Rehefa nahatsikaritra izy fa tsy nanaiky ilay fiantsoana hoe “Môrmôna” aho dia nanontaniany mivantana be fotsiny aho hoe: “Fa moa ve ianao tsy Môrmôna indray e?”

Noho izany dia nanontany azy aho raha toa ka fantany hoe iza i Môrmôna. Tsy fantany. Nolazaiko taminny fa mpaminany sy mpahay tantara ary jeneraly sy mpanao pôlitika tany Amerika fahiny i Môrmôna. Voninahitra ho ahy ny nampitahaina tamin’ny lehilahy toa azy izay nanolo-tena teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny hafa.

“Kanefa,” hoy aho nanohy, “i Môrmôna dia tsy maty ho an’ny fahotako. Tsy nandatsaka ny rany ho ahy na nijaly tao Getsemane na koa maty teo amin’ny hazofijaliana i Môrmôna. Tsy Andriamanitro i Môrmôna. I Jesoa Kristy no Andriamanitro sy Mpamonjy ahy. Izy no Mpanavotra ahy. Ary amin’ny anarany no tiako hahafantaran’ny olona ahy amin’ny andro farany, ary amin’ny anarany no antenaiko mba hahafantaran’ny olona ahy anio.”

Nahatsapa ny fanohanan’ny Fanahy aho raha nanolotra izany fijoroana ho vavolombelona izany tamin’ilay namako vaovao. Taorian’ny fahanginana nandritra ny segaondra vitsy dia hoy izy avy eo: “Kristianina izany ianao?”

“Eny, Kristianina aho” hoy aho namaly, “Ary mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny.”

Toa tsotra kanefa dia lasa nitaky ezaka mihoatra noho ny nieritreretako azy ny fanarahana ny torolalana avy amin’ny mpaminany. Tsy mbola lavorary aho amin’ny fanarahana ny zavatra rehetra asaina ataoko. Fa amin’ny toe-javatra rehetra kosa dia maka antoka aho fa mampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana.

Feno fankasitrahana aho noho ny Fanahy izay tsapako rehefa manana fahafahana mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa momba ny Mpamonjy sy ny maha-mpikambana ahy ao amin’ny Fiangonany. Ankehitriny aho dia afaka mijoro ho vavolombelona ny Aminy sy ny amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny amin’ny fomba mandeha ho azy rehefa misy manontany ahy raha toa ka “Môrmôna.”