2020
Ny Fahitana Voalohany
Aprily 2020


Ny Fahitana Voalohany

Feno fanajana [naoty mainty] = 68

Sary
The First Vision

1. Te hahalala i Joseph fa tsy hainy izay hatao,

nandalina izy ary indro nipàka am-pony tao

andalan-teny izay nitaona azy hivavaka

ka teo no hainy f’Ilay Ray manampy tsy mba manavaka.

2. Toerana iray tony, tanaty ala kely

no niantsony ny Ray, nandohalika izy irery,

niseho tamin’izay ny Ray sy i Kristy

hamerina indray ny filazantsara ho antsika etỳ.

3. Mbola misy hatrizao ireo fanambarana,

ilay filazantsara mitondra fahalalana

hoe mihaino ny Mpamonjy, miteny izy amin’izao,

miantso mpaminany mba hitarika ahy sy ianao.

Fiverenan-kira: Nivavaka izy ka novaliana,

mahafantatra azy ny Ray sy i Jesoa.

Mivavaka aho, tia ahy ny Ray

ary mihaino ahy toy izany koa.

Sary nataon’i Sarah Keele