2020
“Hitanareo ve ny zavatra vitan’ny finoana kely fotsiny?”
Aprily 2020


“Hitanareo ve ny zavatra vitan’ny finoana kely fotsiny?”

Godfrey J. Ellis

Washington, Etazonia

Sary
family caught in rainstorm

Sary nataon’i © Gary Alphonso, i2iart.com

Fotoana maromaro lasa izay dia nentinay mivady tany Frantsa ireo zanakay roalahy farany mba hitety ireo faritra nanompoako fony aho misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno. Nitsidika ireo sampan’ny Fiangonana izay nanompoako izahay ary niara-paly tamin’ireo mpikambana izay nampianariko. Nitsidika toerana manan-tantara ihany koa izahay.

Ny toerana iray dia ny sisa tavela tamin’ny Château de Châlucet. Io lapaben’ny mpanjaka izay goavana naorina tamin’ny taonjato salasala io dia nisy nanafika ary saika rava tanteraka taonjato maro lasa izay. Rakotra zava-maniry ny manodidina ilay trano rava, ary tery sy mideza ny lalana mankeny. Sahirana izahay niakatra teny, saingy tsy nanenenana ny ezaka natao rehefa tonga teny izahay.

Tian’ireo zanakay lahy ny niakatra nankeny amin’ilay efi-tranomaizina tamin’izany fotoana izany sy ny nihanika nankeny amin’ny sisa tavela tamin’ny rindrin’ilay lapabe. Variana tamin’ilay lapabe izy ireo, tahaka ny nahavariana ahy tamin’izany ihany koa 24 taona talohan’izay.

Raha mbola teny izahay dia nahatazana oram-baratry ny fahavaratra niforona tery lavitra tery. Nanatona haingana ilay izy. Nanenika ny lanitra ny rahona mainty sy ny tselatra, izay nodimbiasan’ny kotroka nidoboka mafy.

Nidina haingana ilay lalana izahay ary nihazakazaka hamonjy ny fiara raha iny nanatona anay haingana iny ilay oram-baratra. Vetivety dia hotsaky ny orambe nivatravatra izahay ary lasa fotaka ilay lalan-tany. Nanahy izahay hoe sao dia halama ny lalana ary hianjera teo amin’ilay lalana mideza vatovatoina izahay.

Nahita toerana hialofana teo amin’ireo hazo teo amoron’ilay lalana izahay. Nifampisisisisika teo amin’ilay toeram-pialofana izahay ary nametra-panontaniana hoe hafiriana no tsy maintsy hiandrasanay mba hidinana ilay lalana indray.

“Andao hivavaka,” hoy ny zanakay faralahy.

Nangataka ny hanao izany izy ary nivavaka mba hitsaharan’ny orana mba hahafahanay midina soa aman-tsara an’ilay tendrombohitra. Nijery anay izy dia niteny hoe: “Mila manam-pinoana fotsiny isika izao.”

Nanazava aho fa tsy voatery hivaly amin’izany fomba izany foana ny vavaka.

“Tsia,” hoy izy, “hitsahatra io afaka 10 minitra!”

Rehefa afaka 10 minitra teo ho eo dia nitsahatra ny orana.

“Andao handeha amin’izay!” hoy Izy.

“Raha miala eto isika izao dia ho avy indray ny orana, dia ho voafandrika isika,” hoy ilay zanakay lahy zokiny.

“Tsy ho avy io!” hoy ny zanakay faralahy namaly. “Andao handeha!”

Nandeha teo amin’ny ampahany maina tamin’ilay lalana izahay sady nihazona ireo kirihitra sy rantsana rehefa nandeha. Nony tafaverina teny amin’ny fiara dia nanolotra vavaka fankasitrahana izahay. Vetivety dia nanomboka avy indray ny orana.

“Hitanareo ve ny zavatra vitan’ny finoana kely fotsiny?” hoy ilay zanakay tamim-panetrentena.

Nampianatra lesona tena tsara ho anay rehetra izy tamin’izay andro izay.