2020
Manao asa masina ao anatin’ny fihibohana
COVID19: Hafatra mitory finoana


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Manao asa masina ao anatin’ny fihibohana

Na dia mikatona aza ireo tempoly dia afaka manohy mitondra fanampiana amin’ny fanaovana asa masina avy ao an-tokantrano isika.

Sary
Vehivavy mijery tablette

Mipetraka ao Manille, Philippines ny mpanoratra.

Tsy nanampo na oviana na oviana ny handre teny tahaka ireo izay nolazain’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny volana lasa teo aho hoe: “Rehefa avy nandinika tsara nombam-bavaka sady manam-panirina ny ho olom-pirenena tia mandray andraikitra izahay dia nanapa-kevitra ny hampiato ny zavatra rehetra atao ao amin’ny tempoly.”1

Tahaka ahy, dia mety manontany tena angamba ianao ny amin’ny fomba hiatrehana ireo fotoan-tsarotra amin’izao fotoana izao raha tsy misy an’ireo toerana masina ahatsapana fiadanana ireo. Teto Philippines dia efa talohan’ny nampiharana ny fihibohan’ny fiarahamonina mihitsy no efa nikatona ireo tempoly, ka dia efa elaela aho izao no naniry mafy ny hiverina ho ao amin’ny tranon’ny Tompo.

Kanefa nahatsikaritra zavatra manan-danja aho raha mbola ato anatin’ny fihibohana. Na dia mikatona aza ireo varavaran’ny tempoly dia mbola mitohy ny asa fanomanana ireo ôrdônansy. Ireo razambentsika dia mbola miandry antsika ao ambadiky ny voaly mba hamantatra bebe kokoa ny momba azy ireo. Raha mitady fomba hanasana fahatsapana masina momba ny tempoly ho ao an-tokantranonao ianao dia ireto misy hevitra vitsivitsy:

  • Manaova fikarohana momba ny tetiaranao ao amin’ny FamilySearch.org.

  • Manandrama manao firaketana faobe. Mitondra zava-tsoa lavitra noho ny jeux video izany!

  • Ampiasao ny teknôlojia mba hifandraisana amin’ireo havana mbola velona.

  • Raketo an-tsoratra ny tantaran’ny fianakavianao.

Nijery ny fomba nampitodihan’ireo asa atao ireo ny fon’ny olona ao amin’ny fianakaviako aho, araka izay voafaritra ao amin’ny Malakia 4:6, sy ny nanavotan’izany anay tamin’ny fahadisoam-panantenana, sy ny fahasorenana, ary ny fahakiviana. Ary na dia tsy tsara araka izay andrandraina foana aza izany hoe anatin’ny fihibohana izany, dia velom-pankasitrahana aho noho ny fahafahana omen’izany ahy mba hitondrana fanampiana amin’ny fanaovana io asa ho an’ny tempoly atao ao an-trano io.

Afaka ny ho fotoana masina eo amin’ny fiainantsika izany. Mety hampahatsiahy antsika ny lanjan’ny tempoly angamba ity valanaretina ity. Mety hanome lanja ny fahafahana hitsidika bebe kokoa ny tempoly mihoatra izay nataontsika teo aloha isika. Araka ny voalazan’ny fanambarana nataon’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Fanovana tsy maharitra ity, ary tsy andrintsika ny andro hisokafan’ireo tempoly indray.”2

Tsy andriko ilay andro hahafahantsika manatanteraka indray ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo razambentsika! Mandra-pahatonga io andro io dia maro tokoa ireo asa mbola azontsika atao.

Fanamarihana

  1. “First Presidency Temporarily Closes All Temples,” Mar. 25, 2020, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  2. “First Presidency Temporarily Closes All Temples,” newsroom.ChurchofJesusChrist.org.