2020
Ny zavatra nampianarin’ny fiaraha-mivavaka ao an-trano ahy momba ny fiaraha-mivory
COVID19: Hafatra mitory finoana


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Ny zavatra nampianarin’ny fiaraha-mivavaka ao an-trano ahy momba ny fiaraha-mivory

Nalahelo aho rehefa naato vetivety ny fivoriam-piangonana noho ity valanaretina ity. Ankehitriny aho dia feno fankasitrahana noho ny zavatra nianarako.

Sary
vehivavy mihazona soratra masina mivelatra

Monina any Scania Suède ny mpanoratra.

Iray amin’ireo zavatra manan-danja ao anatin’ny herinandroko ny fankanesana any am-piangonana. Tiako ny tafavory miaraka amin’ny namana sy fianakaviana sy ny famelana vetivety ny fanahian’izao tontolo izao eo am-piarahanay mivavaka.

Dia nanomboka niova avy eo ny zava-drehetra noho ilay valanaretina. Tamin’izany fotoana izany dia tsy betsaka ny olona voan’ny coronavirus tao Suède, ary mbola nitohy toy ny mahazatra ny fandehanana tany an-tsekoly, ka noho izany dia tsy dia takatro loatra ny antony nahatsapan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana hoe nilaina ny nampiato ireo fivoriana. Noho ny fivoaran’ny toe-draharaha haingana be maneran-tany, dia maika ery aho ny hihaona tamin’ireo namako ny alahady. Saingy tamin’izay aho no nahafantatra fa naato mandritra ny fotoana tsy maharitra ireo fivoriam-piangonana ary ho any an-trano izahay no hivavaka. Sady nalahelo aho no sosotra kely.

Rehefa tonga ny alahady dia nisolo akanjo sy nanaingo ny tarehiko aho, nihinana sakafo maraina, dia niara-nipetraka tamin’ireo ray aman-dreniko. Hitako fa nokarakarain’ny raiko tamim-pitandremana tsara ny fanasan’ny Tompo ary nosaronany lamba fotsy ny mofo sy ny rano, dia nosokafany tao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ny soratra masiny.

Vetivety dia tonga ny fotoana hihirana ny hiran’ny fanasan’ny Tompo. Rehefa nanomboka namaky ny mofo ny raiko dia nahatsapa tamin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy aho. Toy ireny hoe nilaza tamiko ireny izy fa natao ho ahy manokana ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Nanomboka nitomany aho, ary rehefa nitodika tany amin’ny reniko aho dia hitako fa latsa-dranomaso koa izy ary nitsiky tamiko. Afaka nahatsapa ny Fanahy koa izy.

Na dia nisalasala aza aho tamin’ny voalohany dia fantatro ankehitriny fa ny fandraisana fanasan’ny Tompo ao an-tokantrano dia fotoana mahakasika tanteraka ny tena manokana sy mahafinaritra ery. Tao anatin’ireo herinandro farany dia nahatsapa fankasitrahana bebe kokoa aho noho ny fisoronana sy noho ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, izay manome antsika hery sy fiadanana mandritra ireo fotoan-tsarotra. Tsapako ihany koa ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ny zanany rehetra. Ary nahatsapa ho nanana fankasitrahana manokana aho noho ny mpaminany, izay manampy antsika hahafantatra ny zavatra tokony hatao, eny fa na dia rehefa tsy takatsika aza ny antony.

Hatramin’ny nahazoantsika ilay torolalana tany am-boalohany mba hanao fotoam-pivavahana ao an-trano dia niparitaka tamin’ny olona an’arivony tao Suède ny COVID-19 ary mitohy ny fifindrany any amin’ny ankamaroan’ireo firenena maneran-tany. Ary na dia tiako aza ny fahatsapana fa tena mahakasika ny tena manokana ny fanaovana fotoam-pivavahana ao an-trano miaraka amin’ny olon-tiana vitsivitsy, dia tsikaritro ihany koa fa tsy mitovy amin’ny mankany am-piangonana sy ny fiarahan’ny paroasy na ny sampana mivavaka izany. Tsy misy mahasolo ny fifankaherezana mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa.

Araka ny nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny antony lehibe nananganan’ny Tompo Fiangonana dia ny hamoronana fikambanan’ Olomasina izay hifanohana ao amin’ilay -lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay- [2 Nefia 31:18].”1

Tsapako fa ny fiangonana dia mihoatra lavitra ny fiaraha-mivondrona amin’ny namana isan-kerinandro fotsiny. Fandraisana ny fanasan’ny Tompo izany, fahatsapana ho isan’ny fianakaviambe iray, fifanohanana, ary fanorenana fiarahamonin’ny finoana ao anatin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ho feno fankasitrahana mandrakariva aho noho ny fahafahana manao fiaraha-mivavaka ao an-tokantrano mandritra ity fotoan’ny COVID-19 ity, sy noho ireo hevi-baovao izay voaraiko mikasika ny lanjan’ny fiaraha-mivory. Hitombo ny fahatsapana ny maha-tena miavaka ny fivoriana fanasan’ny Tompo rehefa afaka hiara-hivory indray isika.

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108.