2020
Ho an’ireo misiônera nomena andraikitra vaovao tamin’ny fomba tsy nampoizina
COVID19: Hafatra mitory finoana


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Ho an’ireo misiônera nomena andraikitra vaovao tamin’ny fomba tsy nampoizina

Nisy zavatra nitranga tsy nampoizina ve nandritra ny asa fitorianareo? Ireto misy sosokevitra avy amin’ny olona iray izay mahatakatra zavatra kely mikasika ny zavatra izay iainanareo.

Sary
vehivavy mamaky soratra masina

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Maro aminareo misiônera no tsy any amin’ny toerana izay nandrandrainareo mba hisy anareo, miandry ny hahafantatra hoe aiza indray ny toerana asaina hanaovanareo asa fitoriana, na mety handeha hody mihitsy aza. Ny fijerena ny fizotran’ireo trangan-javatra ireo dia namerina tato an-tsaiko ireo fahatsiarovana mamy momba ny zavatra niainako tamin’ny asa fitoriako taona maro lasa izay. Dia hoy aho hoe afaka mizara fomba fijery izay mety hanampy angamba aho, avy amin’ny misiônera samy hafa izay nomena andraikitra vaovao tamin’ny fomba tsy nampoizina.

Famoahana hiala ny faritr’i Albanie

Tamin’ny fiandohan’ny taona 1997 dia nanao asa fitoriana tany Albanie aho. Izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko dia tia ny faritra ambanivohitra, ny tarte vita amin’ny frômazy sy epinara, ary ny lantom-peon’ilay fiteny izay nanaovanay ezaka tamin-kitsim-po mba hianarana. Ambonin’izany rehetra izany dia tianay ny niara-niasa tamin’ny olona tao.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nihahenjana ny toe-draharaha ara-pôlitika nanodidina anay. Niezaka nifantoka hatrany tamin’ny fizarana ny filazantsara izahay, saingy tsy maintsy nahare vaovao momba ny fitomboan’ny tanjak’ireo hery mpikomy manerana ilay firenena. Dia nametraka lalàna momba ny fe-potoana tsy azo ivoahana ny trano ny fitondram-panjakana avy eo, ary nanomboka ny fampiharana herisetra. Nizotra nankamin’ny ady an-trano ilay firenena.

Nony farany, tamin’ny 14 martsa, dia navoaka hiala ilay faritra ny misiônanay iray manontolo. Tsy hohadinoiko mandrakizay ilay antso an-telefaonina izay nilaza taminay fa tonga ny fotoana hivondronanay mba hahafahana mamoaka anay haingana tao amin’ilay firenena. Nitambolina tao an-tsaiko ny eritreritra sy fahatsapana mifanohitra. Mazava ho azy fa te ho voaro aho, saingy nahavaky ny foko ny fieritreretana hoe handao ireo fianakaviana izay efa lasa tianay, indrindra fa tao anatin’izany toe-javatra nikorontana izany. Tsy hanana fahafahana hifanao veloma akory izahay.

Tafiditra tao anatin’ny dianay nivoaka ilay firenena ny fandehanana angidimby nankany amin’ny sambo iray fitobian’ny fiaramanidina, ary avy eo dia nisy famindran-toerana tsy dia naharitra nankao Italie talohan’ny nandefasana anay nankany amin’ny misiôna hafa. Tany Angletera no niafarako. Haingana dia haingana ilay izy, somary nampientanentana, saingy tena sarotra tamin’ny ankapobeny. Isan’ny fahatsiarovana farany ananako momba an’i Albanie ny fijerena ireo faritra taza-maso izay nihakely teo ambanin’ny angidimby nandehananay, sady nanontany tena ny amin’izay hitranga amin’ireo olona izay nilaozanay.

Mahita fiadanana

Na dia hafa noho ny zavatra niainako aza ny zavatra iainanareo, dia azoko antoka fa mahatsapa fiontanam-po mifangaro tahaka izany ianareo ankehitriny. Koa manantena aho fa hanan-danja aminareo ihany koa ny zavatra hozaraiko manaraka. Ireto misy fitsipika enina izay nanampy ahy hahita fiadanana taorian’ilay fiovaovana be nanampoka ahy teo amin’ny zavatra niainako nandritra ny asa fitoriana tamin’ny fotoana feno izay nataoko.

  1. Mifandraisa amin’ny hafa. Mety hahatsapa alahelo sy safotofoton-tsaina izay hahatonga anareo haniry ny hihataka amin’ny hafa ianareo. Saingy zava-dehibe ny mifandray hatrany, indrindra fa mandritra ilay fotoana kely izay hiezahanareo hizatra amin’ny toe-java-misy. Mifandraisa amin’ireo olona be fitiavana izay miezaka manao izay hieritreretanareo zavatra tsara. Noho ny teknôlôjia azo ampiasaina amin’izao fotoana izao dia tsy misy fialan-tsiny azo atao mihitsy! Azonareo atao angamba ny mitady olona hanaovana fanazaran-tena amin’ny fampitomboana ny fahaizanareo teny vahiny. Mety ho afaka hanohy hifandray amin’ireo izay notompoinareo sy nampianarinareo mihitsy aza ianareo. Na dia mety mahatsapa ho tsy amin’ny toerana tokony hisy anareo aza ianareo amin’izao fotoana izao, dia tsy irery ianareo. Na dia tsy fantatr’ireo fianakavianareo sy namanareo aza ny fomba hanampiana anareo araka ny tokony ho izy, dia mino aho fa tena miraharaha marina anareo ny ankamaroan’izy ireo ary tian’izy ireo hilamina ny zavatra iainanareo.

  2. Zarao hatrany ny fijoroana ho vavolombelona anananareo. Na aiza na aiza ny toerana misy anareo eo am-pamakiana ity dia azoko antoka fa hodidinin’ny olona izay ho voatahy noho ny fomba fijery miavaka anananareo ianareo. Aza menatra mizara ny zavatra nianaranareo sy tsapanareo amin’ny maha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno anareo, na lava na fohy ny fotoana naha-”tao amin’ny saha” anareo. Eo am-pandrosoanareo ao anatin’ireo trangan-javatra amin’izao fotoana izao sy hahitanareo ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra miasa eo amin’ny fiainanareo, dia zarao amin’ireo havan-tianareo ireo zavatra tsapanareo ireo. Mety ho ny lesona nianaranareo avy tamin’ny zavatra nolalovanareo mihitsy no ilain’ny olona iray ho heno.

  3. Matokia fa mahafantatra anareo ny Ray any An-danitra. Mba fantatrareo ve? Fantatr’ Andriamanitra fa hitranga izao zavatra izao! Fantany avokoa izay rehetra mitranga eo amin’ny fiainanareo. Ary ny Mpamonjy anareo, i Jesoa Kristy, dia mahatakatra tsara ny zavatra tsapanareo. Miaraka aminareo Izy ireo eo am-pandiavanareo izao lalana izao ary afaka mampahery anareo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mety haharitra ela ny fahatsapana ratram-po, saingy tsy maninona izany. Matokia ny Tompo rehefa milaza Izy hoe: “Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88).

  4. Manàna faharetana ao anatin’ny fahorianareo. Mahatsapa hatezerana ve ianareo? Malahelo ve ianareo? Sorena ve ianareo? Na manjary mieritreritra hoe: “Tsy rariny mihitsy izao!”? Mety mahatsapa karazana fiontanam-po hafa mihitsy ianareo. Fantaro anefa fa na inona na inona no tsapanareo amin’izao fotoana izao dia mitombina izany. Malahelo noho ny famoizana zavatra iray ianareo, ary zava-dehibe ny manana faharetana amin’ny tenanareo eo am-piezahanareo mandroso ao anatin’izany dingana izany. Mifanindran-dalana amin’izay, dia mitandrema sao dia hataonareo mampitolagaga be loatra ny zavatra niainanareo na mieritreritra be loatra momba ny lasa ianareo ka hisy fiantraikany amin’ny fahafahanareo miasa amin’izao fotoana izao izany. Raha tsapanareo fa toa sahirana ianareo amin’ny fiezahana ho tafavoaka ao anatin’izany amin’ny fomba mahasoa, dia angataho ny eveka na ny filohan’ny misiônanareo mba hanampy anareo hifandray amin’ny mpanoro hevitra matihanina. Tsy mahamenatra ny mitady fanampiana.

  5. Manaova ezaka hanasana ny Fanahy. Mandraisa anjara feno hatrany amin’ny fitoriana ny filazantsara. Raha nomena andraikitra any amin’ny toerana vaovao ianareo dia ankatoavy hatrany ireo fitsipi-pifehezana ao amin’ny misiôna. Mitadiava fomba isan’andro hanehoana amin’ny Fanahy fa mila Azy hiaraka aminareo ianareo, ary raketo an-tsoratra ny fitaomam-panahy voarainareo avy Aminy. Ny fijanonana ho akaikin’ny Fanahy dia hanampy anareo handray fanapahan-kevitra momba ny hoavinareo sy hahazo hery ao anatin’ny toe-javatra misy anareo amin’izao fotoana izao.

  6. Matokia fa mbola “antsoina ho amin’ny asa” ianareo. Nieritreritra foana aho nandritra ny fotoana maharitra fa ny “antsoko” dia tany amin’ny toerana nandefasana ahy hanompo mba ho misiônera. Raha mba takatro mialoha mantsy fa ny tena antsoko dia ny hanompo ny zanak’ Andriamanitra rehetra na aiza na aiza misy ahy. Na taorian’ny nanaisorako ny marika an-tratrako miloko mainty aza dia mbola voafatotry ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa aho mba hitondra eo amiko ny anaran’i Jesoa Kristy sy hitondra ny hafa amin’ny fomba izay hitondrany azy ireo isan’andro. Na mahazo andraikitra vaovao hitory ny filazantsara ianareo na nisaorana tamin’ny fanompoana tamin’ny fotoana feno dia matokia hatrany fa azo ampiasaina mba hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra ny talentanareo na aiza na aiza no alehanareo.

Eo am-pelatanany

Ataoko angamba fa ny lafin-javatra niteraka rarin-tsaina indrindra tamin’ny fialana tao Albanie dia ny hoe namela irery ireo Olomasina vaovao izay tsy maintsy hianatra ny filazantsara tsy misy ny fanampianay izahay. Fa inona hoy ianareo? Mahatalanjona ny zava-bitan’izy ireo. Na dia tsy teo aza izahay mba hanampy azy ireo, dia niaraka tamin’izy ireo Andriamanitra. Hatramin’ny nialako tany efa 20 taona mahery lasa izay, dia nandroso ny asa tao amin’ilay tany, ary matanjaka ireo Olomasina.

Ka noho izany ry misiônera malala, dia tadiavo hatrany ao anatin’ny zavatra izay mitranga eo anoloanareo ilay asa masina. Mbola misy olona mila ny feonareo, ary mbola be dia be ny fifaliana mety ho hita. Ampiasao ho toy ny fahafahana hanatsarana ny fifandraisananareo amin’ Andriamanitra ity zavatra iainana miavaka ity. Enga anie ka hitahy anareo Izy eo am-pandrosoanareo amim-pinoana.