2020
Lesona efatra momba ny hazavana mandritra ny andro maizina
COVID19: Hafatra mitory finoana


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Lesona efatra momba ny hazavana mandritra ny andro maizina

Na dia mitatao toy ny rahona mainty eo ambonin’izao tontolo izao aza ilay valanaretina dia mbola misy fomba hamelana ny hazavana hiditra ao.

Sary
Vehivavy mijery ao anatin’ny hazavana

Mipetraka any Oblast de Voronej, Russie ny mpanoratra.

Raha nitondra ny alikako nandehandeha aho vao haingana dia nahatsikaritra rahona mainty voatrobaky ny tara-masoandro. Nampahatsiahy ahy an’ilay valanaretina mamely amin’izao fotoana izao izany. Na dia mety ho toa maizina sy maloka tahaka ny rahona aza ny toe-javatra iainana dia mahery lavitra toy ny masoandro ny fitiavan’ny Tompo antsika.

Misy fomba fiteny iombonana amin’ny teny anglisy izay midika hoe ny fahoriana rehetra dia afaka mampianatra antsika zavatra mitondra voka-tsoa. Rehefa mieritreritra ny zavatra nanampy ahy hijanona ho tony nandritra ireo volana vitsivitsy lasa aho sy ny zavatra izay tsy dia nanampy loatra, dia tsikaritro fa misy fahamarinana manan-danja efatra izay tsapako fa mbola hitahy maharitra ny fiainako hatrany rehefa mifarana izao loza izao.

1. Ahazoana fiarovana ny fanarahana ny mpaminany

Ireo zavatra navoaka tamin’ny tambazotran-tserasera momba ny fiafaran’izao tontolo izao sy ireo filazana vaovao tsy marina momba ireo fomba noforonina mba hamotehana ilay tsimok’aretina dia tsy nampilamina ny saiko momba ny fiainana. Na dia nokasaina mba hanampy ny olona ho voaro sy ho salama aza ireny hafatra ireny, dia vao mainka izany nahatonga ahy natahotra kokoa noho ny teo aloha. Ohatra, rehefa avy nahita ireo tantara miisa enina momba ny fomba izay heverina fa ahafahan’ny mpampatsiro hanina sasantsasany mamono ny coronavirus aho, dia tadidiko aho nisisika nametra-panontaniana raha toa ka nisy tahirina mpampatsiro hanina ampy tao amin’ny fitahirizan-tsakafo, ankoatra ny fanontaniana tena raha toa ka efa akaiky ny hahafatesako.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany taona vitsy lasa izay, dia nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba handray anjara tamin’ny fifadiana mandritra ny 10 andro izay mety ho fitaovan-tserasera mitondra eritreritra ratsy sy maloto ao an-tsaina.1 Toy ny fampitandremana ho ahy ny toroheviny, ka dia niala tamin’ny fampiasana applications vitsivitsy ana tambazotran-tserasera aho izay nandany ny ankabeazan’ny fotoana malalaka nananako. Lasa faly kokoa sy tsy dia nitebiteby aho.

Ankehitriny dia fantatro fa mila mandanjalanja sy manova indray ny fahazarako amin’ny fampiasana fitaovana nomerika aho. Nanao jery todika tamim-pitalanjonana aho hoe: Efa fantatry ny Filoha Nelson tamin’izany ve fa afaka ny ho loharanon’ny hakiviana sy ny eritreri-dratsy toy izany ny tambazotran-tserasera amin’izao fotoana izao, mandritra izao fotoana hisian’ny loza izao? Tena ahazoana fiarovana marina ny fanarahana ny mpaminany. Ny tenin’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana dia toy ny tara-masoandro iray izay manavatsava ny savorovoron-tsaina ary manazava ny lalana mankany amin’ny fiadanana.

2. Mandresy ny tahotra ny fiomanana

Zavatra iray hafa tsy nampahazo aina ahy ny fandrenesana ny zavatra nolazain’ireo olona izay, tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia naneso ny hafa tamin’ny fiomanan’izy ireo sy ny fahaizan’izy ireo nitsitsy. Amiko dia niezaka ny hanana toe-tsaina miraharaha kokoa ny hoavy ny olona sasany. Ireo izay tena hendry dia nanaraka ny torohevitr’ireo mpaminany ary niezaka tamim-pitandremana tsara ny hanana fizakan-tena.

Nandritra ny taona maro no nampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana antsika mba ho afaka amin’ny trosa, handranto fianarana mba hamatsiana misimisy kokoa izay ilain’ny tenantsika sy ny hafa, hanana tahirin-tsakafo sy rano, ary hitahiry vola raha azo atao. Fantatro fa tsy mitovy ny toe-javatra iainan’ny tsirairay, ary tsy mamela ny mponina hitahiry sakafo na zavatra hafa ny firenena sasany. Saingy na dia eo aza ireo karazana fepetra famerana ireo, dia toa afaka mahita zavatra azontsika atao mba ho vonona bebe kokoa hiatrika ny hoavy ny tsirairay avy amintsika.

Mahatsapa ho voaro kokoa aho rehefa niezaka nankatò ary afaka manatona ny Tompo amim-pitokiana rehefa mangataka fanampiana. Toy ny tara-masoandro iray hafa manatrobaka ny tahotra ary mampisongadina ny fanantenana io fiomanana io.

3. Manova zavatra ny fihetsika aseho

Nahatonga ahy hankasitraka bebe kokoa ireo olona mampahery ahy amin’ny hafatra mampitraka sy hevi-baovao ara-panahy ary fampihomehezana mahasoa ity valanaretina ity. Mampamiratra ny androko foana ireo namana sarobidy ireo. Mampahatsiahy ahy izy ireo fa afaka misafidy ny fihetsika hasetrintsika izay rehetra mety hitranga manodidina antsika isika.

Niezaka nanaraka ity ohatra ity aho rehefa naato ireo fivoriam-piangonana. Naleoko nisafidy ny hifantoka bebe kokoa tamin’ny lafitsaran’ny fianarana ny filazantsara mifantoka amin’ny tokantrano toy izay ho tafaroboka amin’ireo fametrahana ireo fanontaniako atosiky ny fihetseham-po manao hoe “fa nahoana” sy hoe “amin’ny fomba ahoana”. Afaka mahita aho ankehitriny fa ny famolavolana avy amin’ny nahim-po ny fihetsika tsara iray, na dia sarotra be aza izany indraindray, dia nanampy ahy hijanona ho matanjaka kokoa ara-panahy mihoatra izay mety ho tanjaka nananako raha namela ny alahelo hanjaka aho. Tahaka ny tara-masoandro iray fahatelo, ny fihetsika tsara dia afaka mampisava ny ahiahy ary manavao ny fanahintsika.

4. Namana tena matanjaka ny Fanahy Masina

Indray andro rehefa nahatsapa ho nalahelo sy irery aho, dia nanapa-kevitra ny hihaino en ligne ny onjampeon’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely aho. Nanampy ahy foana hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny hira. Nisy fifampiresahana mivantana tao amin’ilay onjampeo, ary nahafinaritra ny nahita ireo olona manerana izao tontolo izao nilaza ny fitiavany sy ny fankasitrahany! Tsapako ho tafaray tamin’izy ireo aho. Rehefa nanamaivana ilay foko narary ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia lasa falifaly sy tony kokoa aho.

Mbola hitako hatrany hatrany fa raha miezaka ny hanasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainako aho dia hanampy ahy amin’izay rehetra ilaiko Izy. Namana tena matanjaka izay maika ery ny hitondra fanomezana mitory fiadanana sy fankaherezana ary fahatakarana ho antsika Izy. Tahaka ny tara-masoandro, dia afaka mampisava ny haizina Izy ary manambara izay marina.

Tadiavo ilay tara-masoandro

Mahery noho izay mety ho fahoriana ny Tompo. Araka ny voalazan’ny andininy faharoana amin’ny Cantiques 50 hoe:

Ny Tompo no hazavako; ny rahona hihataka,

Finoana lehibe, no hijereko ny habakabaka

Hanjakan’i Jesoa mandrakizay sy am-boninahitra.

Koa nahoana aho no hitoetra anaty haizina sy hamahatra?2

Satriko isika afaka niara-nandehandeha androany. Ho afaka ny hiandrandra ny lanitra isika, dia nilona tao anatin’ny tara-masoandro, ary niresaka ireo fahamarinana izay manazava ny fiainantsika. Mino aho fa ho nanana hevitra tena tsara ianareo amin’ny fizarana ny hazavana amin’ny hafa. Azonareo atao angamba ny maka sary an-tsaina ny fandehandehanana tahaka izany amin’ny fotoana manaraka izay hanaronan’ny tafiotry ny fihetseham-po ny faravodilanitra. Miaraka amintsika ny Tompo, ary tsy mila matahotra isika.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” Liahona, nôv. 2018, 69.

  2. “Christ est ma lumière,” Cantique, no. 50.