2021
Ny lesona avy tamin’ilay lehilahy teo am-bavahadiko
Aprily 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Ny lesona avy tamin’ilay lehilahy teo am-bavahadiko

“Nanolotra fomba fijery vaovao momba ny fankasitrahana ny lakolosim-baravarana naneno.”

Andro vitsivitsy tao anatin’ilay fanamby #ManehoFankasitrahana nomen’ny Filoha Nelson tamin’ny faramparan’ny volana nôvambra dia efa nahatsapa ireo fitahiana maro nanodidina ahy aho. Noraketiko an-tsoratra tamim-pankasitrahana ny fianakaviana mahafinaritra ananako, ny asako, ny filazantsara, ny taramasoandro ankafizintsika saika ho mandavan-taona eto Afrika Atsimo.

Dia naneno ny lakolosim-baravarana ny talata.

Vao avy nanao izay nampatory antoandro ny zanakay vavy telo taona aho. Somary sorena sy reraka ny zanakay farany. Amin’ny maharenin-jazakely telo sady miasa ahy dia sempotry ny havizanana ihany koa aho. Ankoatra izany dia tao anatin’ny fanaintainana aho satria nioritra ny kitrokeliko raha nihazakazaka aho ny maraina, ary somary nalahelo ny tenako aho satria nandray anjara tamin’ny fanamby ara-panatanjahantena izay fantatro fa tsy ho vitako.

Natahotra aho fa hanaitra ny zanako vavy izay natory ilay lakolosim-baravarana, sady sorena tamin’ny famindra mitringatringa noho ny kitrokeliko nivonto no tsy nahandry izay hampatoriana ilay zazakeliko, mba hahafahako manenjika ny fe-potoana teo amin’ny asako.

Nikitringa aho namonjy ilay varavarana.

Nijoro teo am-bavahady ny lehilahy iray avy tamin’ny asa fanorenana tery amin’ny faran’ny lalana. Nilaza izy fa tsy nentiny ny fitoeran-tsakafony. Afaka manome sakafo ho azy ve aho?, nanontany izy.

Nilaza ny vadiko fa efa fanintelony izay no nisy olona avy tamin’io tetikasa fanorenana io tonga nangataka sakafo.

Nolazaiko azy fa sahirana be aho tamin’io fotoana io: Niezaka nampatory ny zazakeliko aho.

Ampahana mofo kely fotsiny, ho azy, hoy izy.

“Homeko zavatra tsotra ianao, kanefa ezaho tadidiana ny fitoeran-tsakafonao rahampitso azafady,” hoy aho.

Nankao an-dakozia aho dia nanokatra ny vata fampangatsiahana. Feno sakafo vaovao sy ara-pahasalamana ilay izy. Tamin’izany fotoana izany dia nahatsapa fankasitrahana sy fahamelohana niaraka aho. Fankasitrahana noho ny habetsahan’ny sakafo ankafiziko isan’andro. Fahamelohana noho ny fahatsapana ho sorena tamin’ilay fangatahany.

Tonga tao an-tsaiko ny soratra masina ao amin’ny Matio 25:35: “Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo.”

Nametraka fanontaniana tamiko ny Fanahy. Tena mpanaradia marina an’i Kristy ve aho raha toa ka tsy vonona hisahirana hanampy olona ao anatin’ny fahasahiranan’izy ireo?

Nikitringatringa aho nankeny am-bavahady, nihazona ny zanako tamin’ny tanana iray ary mofo roa nosorana totom-boanjo sy paoma roa tamin’ny tanana ilany. Nitsiky aho sady niteny taminy fa somary mbola mivaingana kely ilay mofo.

Kely ny natolotro sady nokarakaraina haingana, kanefa toa gaga ilay lehilahy rehefa notolorako azy teo am-bavahady ireo zavatra efatra ireo. Mofo roa ve? Paoma roa ve? Ho ahy daholo izany? Hoy izy nanontany sady nihakanakana.

Dia anjarako indray no gaga avy teo. Hitako vonton-dranomaso ny masony. “Misaotra neny,” toy izany foana no nolazainy, “Misaotra. Neny, neny . . . hanohana tsara ity.” Nitodika aho—sadaikatra tamin’ny fihetsika nasetriny ilay zavatra kely natolotro, natahotra ny ho latsa-dranomaso koa aho ka nanao veloma azy.

Nampaninona ahy izany ny nanolotra efatra minitra tamin’ny tontolo androko ho an’olona iray sy ny mofo roa nosorana totom-boanjo? Tsy nampaninona. Tsy nampaninona mihitsy.

Nidika inona tamin’ilay lehilahy teo am-bavahady izany? Zavatra be dia be mazava ho azy.

Nieritreritra aho fa, noho ny fihenan’ireo tetikasa fanorenana sy ny fiakaran’ny tsy fananana asa tao Afrika Atsimo taorian’ny fiparitahan’ny valanaretina Corona, dia mety vao izay io lehilahy io no nandray vola tao anatin’ny volana maromaro. Nieritreritra aho fa mety tena nilainy ny vola rehetra hatramin’ny vola madinika azony mba hanohanana ireo olona maro hafa ao amin’ny fianakaviany izay tsy manana asa.

Nieritreritra aho fa tsy “hadinony” velively ny fitoeran-tsakafony.

Nieritreritra aho fa tsy afaka mividy sakafo antoandro izy.

Fotoana fohy taorian’izany resadresaka kely izany dia saika ho tototry ny fihetseham-po aho. Kely sy tsy tonga lafatra ny fihetsiko. Na izany aza anefa dia nitondra fahasamihafana goavana teo amin’ilay lehilahy nampiako izany. Nahatsapa fankasitrahana lalina aho fa navelan’ny Tompo ny zavatra “malemy sy tsotra” (F&F 1:23) tahaka ny tenako mba hanatanterahana ny tanjony.

#ManehoFankasitrahana aho noho ireo lesona an-tapitrisa toy ity iray ity izay atolotry ny Ray any An-danitra ho antsika; noho ireo fahafahana kely hifandraisana amin’ny fanahin’olombelona hafa ireny. Satria ny fahasoavan’ Andriamanitra no mamela antsika—tsy avy amin’ny fahaizantsika manokana—hitsoka fahatsarana bitika ho an’ny fiainan’ny hafa.

#ManehoFankasitrahana aho noho ny lesona nianarako avy tamin’ilay lehilahy teo am-bavahadiko.