2021
Ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana fikarohana sy fanangonana ary fampifandraisana ny fianakaviana
Jona 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana fikarohana sy fanangonana ary fampifandraisana ny fianakaviana

Tsy mora tamin-dry Shamola mianakavy ny nanomboka ny tantaram-pianakavian’izy ireo saingy nahita varavarana nisokatra sy fitahiana maro niseho izy ireo rehefa nanam-paharetana.

Toy ny olona niova fo maro ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ ny Andro Farany, i Frederick sy Irene Shamola dia mahafantatra ny fanamby noho ny maha-voalohany azy ireo ao amin’ny fianakaviany manao tantaram-pianakaviana.

Lasa mpikamban’ny Fiangonana i Frederick fony izy 19 taona rehefa nampahafantarin’ny olona iray tao amin’ny fianakaviany ny filazantsara. Irene ihany koa dia niova fo fony izy zatovo rehefa nandondona ny varavaran’ny fianakaviany ny misiônera. Am-polo taonany taty aoriana dia mpivady sambatra manan-janaka dimy monina ao Nairobi, Kenya i Frederick sy Irene.

Rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana Rahalahy sy Rahavavy Shamola dia tsy mbola nanao fikarohana tantaram-pianakaviana tany aloha, ary tamin’ny voalohany izy ireo dia tsy nahalala afa-tsy ny mombamomba ana taranaka vitsy tao amin’ny fianakaviany ihany.

Nandalo sakantsakana maro izy ireo rehefa niasa hamantatra razambe mba hanatanteraka ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’izy ireo. Tsy nisy firaketana voasoratra momba ny tantaram-pianakaviana koa dia voatery niantehitra tamin’ ny fahatsiarovan’ny havan’izy ireo mbola velona izy ireo.

Sarotra ny nifandray tamin’ireo havana ireo: mipetraka any amin’ny an-jato kilaometatra lavitra azy ireo ireo havana ireo ary olona vitsy dia vitsy ao amin’ny fianakaviana mipetraka any am-banivohitra be no mba manana telefaonina finday.

Na dia teo aza ireo olana dia mitahy an-dry Shamola mianakavy amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hitadiavana ny fianakaviany ny Tompo.

Vao tsy ela izay ny Rahalahy Shamola no faly ery nandray fampahalalala fanampiny momba ny razambeny avy amina tetiarana am-bava natao tao amin’ny tanàna kely misy ny renibeny ao Homa Bay, eo amin’ny morontsiraka andrefan’i Kenya.

Nataona olona ao amin’ny fianakaviana am-bava ilay tetiarana ary noraketina mba hoampiasain’ny taranaka any aoriana. Izany dia nanome azy ny mombamomba ny taranaka fito ao amin’ ny fianakaviany, ary afaka namantatra razambe maro izay tsy mbola fantany tany aloha izy. Efa nandefa ny maro tamin’ny anaran’izy ireo tany amin’ny tempoly izy ary mikasa handefa misimisy kokoa amin’ny hoavy.

Nandefa anaran’olona ao amin’ny fiakaviany mba hanaovana asa atao any amin’ny tempoly ihany koa Rahavavy Shamola. Fianakaviana an’arivony maro hafa no afaka hamantatra razambe betsaka kokoa ka hanao ny asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo rehefa hihabetsaka kokoa ao amin’ny FamilySearch.org ny oral genealogy interviews (tetiarana am-bava).

Ny tantaram-pianakaviana dia nanampy an-dry Shamola hiray hina kokoa.

Niara-niasa Rahalahy sy Rahavavy Shamola nanampy ireo zanany hanokatra kaonty FamilySearch nandritra ny fiarahamientana iray tamina takarivan’ny mpianakavy. Rehefa miara-manao zavatra momba ny tantaram-pianakaviana ny fianakaviana Shamola dia mahatsiaro ho mifanakaiky am-po kokoa amin’ny maha-mpianakavy azy. Miandrandra ny fandraisana anjara amin’izany ireo zanaka.

“Tena zava-dehibe mihitsy ny mamanta-javatra momba ny tantaram-pianakaviana satria hanampy ny zanakay sy ny taranaka hafa hahafantatra ny niavian’izy ireo izany,” hoy Rahavavy Shamola.

Tamin’ny 2012 dia nandeha saika ho 3000 kilaometra ry Shamola hankany Johannesbourg Afrika Atsimo hiaina ny fitahiana lehiben’ny famehezana ny fianakaviana. Ny tsy fananana tempoly ao amin’ny firenena misy azy ireo anefa dia nampananosarotra ny fiverenana any amin’ny tempoly mba hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny razamben’izy ireo. Akory ny hafalian’izy ireo rehefa nanambara ny hanamboarana tempoly ao Nairobi Kenya nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2017 ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018). Niandrandra tamim-pifaliana ny hanana tempoly akaiky ny tranony izy ireo mba ho mora kokoa ny fanantanterahana ôrdônansy ho an’ny razamben’izy ireo. Maniry mafy ny hanao ity asa ity ho an’ireo razambe nialoha azy ireo izy ireo.

“Voatahy isika velona mandritra izao vaninandro izao ka mahafantatra ny filazantsara,” hoy Rahalahy Shamola. “Misy ireo olona izay ho naniry izany saingy tsy nanana ilay fahafahana. Afaka mitahy azy ireo amin’izany zavatra iainana sy fahafahana izany isika. Afaka mandeha any amin’ny tempoly isika ary afaka mandray ireo fitahiana ireo ireo razambe ireo.

“Mahatsapa fiadanana izahay rehefa mieritreritra azy ireo sy mandefa ny anarany ary manao asa ho azy ireo. Manangona ny Isiraely ny Ray any An-danitra, ary mampiasa tempoly sy ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana Izy mba hanatontosana ny asany. Tombontsoa ho ahy . . . ny ho fitaovana eo an-tanan’ny Ray any An-danitra ka afaka manao izany ary mitondra anjara biriky amin’izao vanim-potoana lehibe izao. Feno fankasitrahana fotsiny aho amin’ny maha-mpikambana ahy ato amin’ny Fiangonana, ary tiako ho afaka hizara izany ireo zanako rehefa mihalehibe izy ireo.”

Mpikambana ao amin’ny Sampana Misikhu, Distrikan’i Kitale Kenya i Shadrack Barasa. I Tyler Mills dia mpikambana ao amin’ny paroasin’ny Tanora Tokan-tenan’i Meadowpark ao Syracuse, Utah, USA.