2021
Hazo novolena teo amoron-drano
Jona 2021


HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Hazo novolena teo amoron-drano

“Rehefa mametraka ny fitokisantsika amin’ny Tompo isika dia hianoka ireo fitahiana nampanantenainy ary hiroborobo toy ny -hazo ambolena eo amoron’ny rano velona-.”

Ny hafatra mifono fanamby nomen’i Jeremia an’i Joda dia hafatra mitory fanantenana ho an’ireo rehetra izay matoky an’i Jesoa Kristy Tompo ho Mpamonjintsika. Na rehefa malemy aza isika dia mitoetra ho mahatoky hatrany ny Tompo, ary na rehefa mandiso fanantenana Azy aza isika dia mjanona ho mahery hatrany Izy. Tsy miova velively ny fitiavany antsika sy ny famindrampony amintsika.

Sambatra isika rehefa mipetraka amin’ny Tompo ny fanantenantsika feno fitokiana, satria ho “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona [isika], izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa”1. Ny olona toy izany dia afaka mahazo fiadanam-po sy fiononana foana ao anatin’ny toe-javatra manjavozavo, satria misandrahaka mankany amin’ireo rano manome fiainana an’ny Mpamonjy ny fakan’izy ireo.

Ny rahavavy iray tonga ato an-tsaiko mahakasika izany dia Rahavavy Caroline Masiliso Sifaya. Natao batisa tao amin’ny sampana Lusaka Zambie izy sy ny vadiny miaraka amin’ireo zanany tamin’ny 1994. Herintaona taorian’izay dia nofehezina tao amin’ny tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo izy sy ny vadiny niaraka tamin’ireo zanak’izy ireo miisa efatra.

Dimy taona taty aoriana tamin’ny 1999 dia nitsidika an-dRahavavy Sifaya tao amin’ny hôpitalin’ny oniversite tao Zambie Lusaka aho. Nipetraka teo akaikin’ny fandrian’i Mwini Butala zanany lahy valo taona izay tena narary mafy izy. I Mwini dia tafavoaka velona tamin’ny lozam-pifamoivoizana iray izay namoizan’ilay rahavavy ny ain’ny vadiny, dia ny Filoha Sondo Sifaya izay filohan’ny sampana tao Lusaka.

Niala avy tao Zimbabwe aho mba handeha hampahery sy hanome teny fampiononana ho an-dRahavavy Sifaya izay mpampianatra institiota fianarana ny filazantsara. Rehefa niarahaba azy sy nampita ny fangorahana lalina tsapako ho azy aho noho ny namoizany ny vadiny sy noho ilay zanany lahy efa ho faty izay nandry teo am-pandriana toy ny tsy nisy aina intsony, dia nitsiky izy ka niteny hoe: “Rahalahy Dube a, feno fankasitrahana aho noho ny tombontsoa lehibe nananan’ny fianakavianay ho voafehy tao amin’ny tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo. Fitahiana lehibe eo amin’ny fiainanay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Ny fianteheran-dRahavavy Sifaya tamin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nahatonga azy ho afaka nanohy ny diany rehefa toa navesatra loatra sy tsy hay nozakaina ny enta-mavesany. Tena niantehitra tokoa tamin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina”2 izy.

Toa natoky tena tokoa sy feno fanantenana ny amin’izay zavatra niandry azy Rahavavy Sifaya. Tahaka ny hazo novolena teny amoron-drano, izy dia tsy natahotra rehefa niatrika olana izay efa nila ho tsy hay novahana, satria napetrany tamin’ny Tompo ny fanantenany mba hahazoany hery sy fanafahana. Amin’ny maha-olon’ny fanekempihavanana azy dia notanterahin’ny Tompo ny fampanantenana nomeny azy tahaka izay nataony tamin’i Almà sy ny olony: “Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo.”3

Nodimandry taona vitsivitsy taorian’ny fitsidihako tao amin’ny hôpitaly i Mwini zanakalahin-dRahavavy Sifaya. Tamin’ny fomba faran’izay mahavariana no nanatanterahany ny anjara asa tamin’ ny maha-reny tokan-tena azy. Nataony izay hampitomboana avy telo heny ny fidiram-bola keliny amin’ny maha-mpampianatra azy tamin’ny alalan’ny famadihana ny ampahany tamin’ny tranony ho lasa sekoly ho an’ny zaza madinika sy ny fampidirana ankizy avy eny amin’ny manodidina. Niasa andro aman’alina izy mba hakana antoka fa nahavita nandranto ny fanabeazana ilaina eo amin’ny fiainana ireo zanany. Nanohy nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny Fiangonana izy, ka nitaona ireo mpianatra nanatrika ny kilasiny mba hanao asa fitoriana ny filazantsara.

Nahomby fatratra tamin’ny fianarana ireo zanany ka nanohy ny fianaran’izy ireo tany amin’ny oniversite na teo an-toerana na tany ivelany. Manana zafikely miisa telo izao Rahavavy Sifaya ary filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka ao Lusaka izy amin’izao. “Maitso ny ravi[n-dRahavavy Sifaya, ary tsy n]itsahatra ny famoany”.4 Nanampy ireo zanany izy mba ho tahaka ny hazo novolena teo amoron-drano, ary manao izany ho an’ireo zafikeliny koa izy. Azonareo an-tsaina ve hoe ho toy ny ahoana ireo taranany?

Ny hoe tahaka ny hazo novolena teo amoron-drano dia midika hoe mandalina amim-pahazotoana ny soratra masina, mivavaka tsy tapaka, mandoa fahafolonkarena feno, mitandrina ny didy sy ny fanekempihavanana, mianatra ny adidintsika sy miasa ao amin’ny anjara fanompoana izay hanendrena antsika amin’ny fahazotoana rehetra. Kely lavitra mihoatra amin’ny fitahiana ampanantenaina ny sarany efaintsika mba ho lasa tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano.

Manolotra fanasana anareo aho ry rahalahy sy ranabavy malala hanao izay rehetra vitanareo mba ho lasa tahaka ny hazo nambolena teo amoron-drano. Rehefa manaiky io fanasana io ianareo dia marobe ireo fitahiana nampanantenaina, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy aho: “Raha mbola mitandrina (ny didin’Andriamanitra) ianareo dia hiroborobo amin’ny tany”.5

Saintsaino ity fitahiana nampanantenaina antsika sy ny zanatsika ity: “Hotahiana ianao sy ny zanakao; ary hotahiana izy ireo, raha mitandrina ny didiko izy ireo dia hiroborobo eo amin’ny tany”.6

Ampanantenaina antsika ihany koa fa “ny Tompo, ao amin’ny hatsarany lehibe tsisy fetra, dia mitahy sy mampiroborobo ireo izay mametraka ny fitokiany Aminy.

“Eny, sy ahazoantsika mahita fa amin’ny fotoana indrindra izay ampiroboroboany ny olony, eny, amin’ny fampitomboana ny sahany, ny biby fiompiny, ary amin’ny volamena sy amin’ny volafotsy ary amin’izay rehetra mety ho zava-tsarobidy isan-karazany sy zava-kanto; ny fitsimbinana ny ainy sy ny fanafahana azy.”7

Mila mampitraka ny lohantsika izaho sy ianao dia matoky. Isika dia tahaka ny hazo nafindra teny amoron’ny rano mamelombelon’ny renirano ary mamaka eo amoron’ny renirano, satria fantatry ny Tompo ny “fanekempihavanana izay efa natao[ntsika Taminy]”. Rehefa tonga ny hainandro na ny hain-tany dia tsy hanahy na hatahotra isika satria mamoa foana ary ho maitso foana ny ravintsika. Tena marina ny fampanantenan’ny Tompo hoe: “Izaho hanao fanekempihavanana amin’ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ny famatorana.”8 Afaka ny ho mafy orina toa an’i Davida isika, ary mametraka mandrakariva ny Tompo eo anoloantsika, mahafantatra fa “eo an-kavana[ntsika] Izy, ka dia tsy hangozohozo [isika].”9

Ny vavaka ataoko amim-panetren-tena dia ny mba ho mafy orina sy tsy voahozongozona isika, ary hiandrandra Azy ilay nijaly tao Getsemane, teo amin’ny hazofijaliana tao Gologota, Izy ilay nandresy ny fahafatesana mba hahafahantsika ho velona indray.

Ny Loholona Dube dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2013. I Naume Keresia Salizani no vadiny. Manan-janaka efatra izy ireo.

Fanamarihana

  1. Salamo 1:3.

  2. 2 Nefia 2:8–9.

  3. Môzià 24:14–15.

  4. Jeremia 17:8.

  5. 2 Nefia 1:20.

  6. Almà 50:20.

  7. Helamàna 12:1–2.

  8. Môzià 24:13.

  9. Salamo 16:8.