2021
–Tsy maintsy mivaly ny vavaka na rahoviana na rahoviana–
Aogositra 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

–Tsy maintsy mivaly ny vavaka na rahoviana na rahoviana–

Mizara ny fahatsapany tamin’ny fanambarana ny tempolin’i Le Cap Afrika Atsimo ireo mpikamban’ny Fiangonana ao Le Cap.

Tamin’ny fotoana nitsidihan’ny Loholona Neil L. Andersen an’i Le Cap, Afrika Atsimo tamin’ny 2018 dia nototofan’ireo mpikambana fanontaniana momba ny fotoana hanorenana tempoly ao amin’ny tanànan’izy ireo izy. Nanokatra ny mason’izy rehetra ny valin-teny nomen’ny Apôstôly.

“Hoy izy: –aza aty amiko ianareo no mitalaho mba hahazo tempoly, mitalahoa amin’ny Tompo–” araka ny voalazan’i Ryan Holmes, izay filohan’ny tsatòkan’i Le Cap amin’izao. “Nanova tanteraka ny fifantohanay” hoy ny Filoha Holmes ny anatra nomen’ny Apôstôly. “Tsy nanontany ireo mpitarika ireo mpikambana ny amin’izay ataon’izy ireo mba hahazoana tempoly ao Le Cap, fa nanomboka nangataka tamin’ny Tompo izy ireo.”

Nilaza i Andew Herbert, mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòkan’i Belville Afrika Atsimo, fa ho azy, ny torohevitry ny Loholona Andersen dia midika fa “tsy vitan’ny mangataka tsy tapaka Aminy fotsiny, fa manazava amin’ny Tompo ny antony ilanay tempoly eto, ka milaza Aminy hoe: –ireto avy ny zavatra hiova eto aminay raha manana tempoly izahay.–”

Nivavaka nangataka izany fitahiana izany isan’andro ny fianakaviana Herbert ary nanao fangatahana am-bavaka mitovy amin’izany ny Filoha Herbert isaky ny nanatanteraka dinika sy tafa ho fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Nanaraka fianarana momba ny fanamboarana tranonkala izy vao tsy ela, ary nitaky ny hamoronany tranonkala iray ny entimody farany azony. Rehefa nisaintsaina ny foto-kevitra ifantohan’ilay tranonkala ny Filoha Herbert dia nahita hevitra toy izao izy: –Ny antony ilan’i Le Cap tempoly.–

Tranonkala iray feno ilay entimody vitany izay nahitana fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo mpikambana momba ny fomba hitahian’ny tempoly ny tanànan’izy ireo, fanasana ireo mpikambana mba hivavaka ny amin’izany, sarin’ireo mpikambana mamonjy tempoly hafa manerana izao tontolo izao, ary faritra fanehoan-kevitra izay manasa ny olona hizara ny heviny momba io foto-kevitra io.

Efa ho misasakalina tao Afrika Atsimo raha nanambara ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fivoriana ny 4 aprily 2021 tamin’ny fihaonambe farany teo, fa hisy tempoly vaovao miisa 20 haorina.

Tafapetraka kely Rahavavy Shelley Herbert, izay nijery ilay fivoriana teo am-pandriany raha natory ny vadiny. Nanintona ny sainy ny lahatenin’ny Filoha Henry B. Eyring teo alohan’izany, izay nanasany ny olomasina mba “ho vonona amin’ireo fahafahana maro hahazoana ireo traikefan’ny tempoly izay ho tonga amintsika”1.

Rehefa namaky ny teny hoe –Cape Town, Afrika Atsimo– ny mpaminany dia “nikoriana teo amin’ny tavako ny ranomasoko,” hoy Rahavavy Herbert. “Raha mbola nitomany aho dia nanofokofona ny vadiko hifoha sady niteny hoe: –tanteraka ilay izy!–”

“Betsaka loatra ireo olona tsy nino ny hahazoanay tempoly, saingy izahay dia nanantena izany, satria mino ny fitalahoana ny Tompo izahay.”

Nilaza Rahavavy Thirsly Motolwana avy ao amin’ny sampan’i Gugulethu Le Cap fa rehefa nahare ilay vaovao izy dia niteny hoe “Toy ireny ankizy kely ireny aho, nitsambinkina noho ny hafaliana!” Efa nivavaka ny amin’izao fotoana izao ihany koa Rahavavy Motolwana, mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny 24 taona izay, hatramin’ny nitsidihan’ny Loholona Andersen.

“Nieritreritra aho hoe, telo taona nitolomana am-bavaka vao nitranga ilay izy! Tena mahavelombolo ny mahafantatra fa tsy maintsy mivaly ny vavaka na rahoviana na rahoviana.”

Nilaza izy fa afaka manomboka miomana amin’ireo fitahiana amin’ny fisian’ny tempoly eo an-toerana izy sy ireo mpikambana namany. “Rehefa mamaky kokoa ny soratra masina izahay sy mahatakatra kokoa ny momba ny tempoly dia hanampy anay izany mba hiomana,” hoy izy. “Mila mifady hanina bebe kokoa izahay mba hahafahanay ho heniky ny Fanahy.”

Na dia hoe valin’ny vavaka nataon’ny maro aza ny fanambarana an’ilay tempoly dia hoy ny Filoha Holmes hoe: “Tsy hitako hoe inona no nataonay mba ho mendrika ny hahazo izao fitahiana izao.

“Saingy azo antoka fa fiasan’ny tanan’ny Ray any An-danitra izany. Toy ireny mamihina ireny Izy sady milaza hoe: –Fantatro ny fahasarotan’ny fiainana, hanampy anareo hifantoka amin’ny tena manan-danja izany.–”

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy”, Liahona, mey 2021, 30.