2022
Colombie-Britannique, Canada
Jolay/Aogositra 2022


“Colombie-Britannique, Canada,” Liahona, Jolay/Aog. 2022.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Colombie-Britannique, Canada

Sary
world map showing British Columbia
Sary
Vancouver Nord, Colombie-Britannique

Tafapetraka teo amin’ny nosin’i Vancouver Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 1875. Tafatsangana tao amin’ny Tanànan’i Vancouver ny Fiangonana tamin’ny 1904. Ankehitriny ny Fiangonana any Colombie-Britannique dia ahitana:

  • mpikambana miisa 31.000 (eo ho eo)

  • tsatòka 8, paroasy 79, sy sampana maro, ary misiôna iray

  • tempoly iray

Fitiavana, finoana, fanajana, fialam-boly mahasoa

Sary
Fianakaviana eo amin’ny torapasika

Mandehandeha manaraka ny Ella Beach an’ny Nosin’i Vancouver i Brad sy i Michelle Harris ary ireo zanany. “Ny fianakaviana mahomby dia miorina eo amin’ny fitsipiky ny fitiavana, finoana, sy fanajana, ary fialam-boly mahasoa,” hoy i Michelle. (Jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org.)