2022
Nitantana anao foana Aho hatramin’izay
Jolay/Aogositra 2022


“Nitantana anao foana Aho hatramin’izay,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nitantana anao foana Aho hatramin’izay

Tena mafy tokoa ilay fahatsapana mahery vaika tonga tamiko ka nahatonga ahy handohalika.

Sary
ankizy vavy mikimpy maso

Vao telo taona monja aho ary tsy te handao ny hopitaly izay niandrasan’ny ray aman-dreniko taorian’ilay lozam-piarakodia.

Sary avy tamin’ny mpanoratra; zoron’ny sary avy amin’ny Getty Images

Niady mafy aho nandritra ny taona maro noho ny ratram-po sy ny fanahiana avy tamin’ny lozam-piarakodia nahavoa ahy sy ny ray aman-dreniko fony aho telo taona. Tsy tafavoaka velona ny anadahiko mbola tsy teraka.

Tamin’ny faha 25 taona nitsingerenan’ilay loza dia nandalo tao an-tsaiko izany. Volana maro taty aoriana dia mbola nijaly aho raha nanoro hevitra ahy ny namana iray mba hitodika amin’ny Raiko any An-danitra. Nihomehy aho avy eo nanontany hoe: “Inona no andeha hataony amiko?”

Nitohy ny toloko. Taona iray na roa taty aoriana dia reraky ny ratra aho ary nivadika ho hatezerana ilay fanaintainana. Noraisiko ny torohevitr’ilay namako dia nanomboka nitodika tamin’ Andriamanitra aho.

“Raha tena eo marina Ianao, dia andefaso olona aho, na iza izany na iza,” hoy aho nivavaka. “Mila olona aho!”

Nandeha ny andro raha nijanona teo an-tokonam-baravarako aho, niandry zava-poana.

“Hitanao, Andriamanitra, fa tsy misy olona miraharaha!” Hoy aho. “Tsy nisy olona tonga!”

Raha nirotsaka ny ranomasoko dia niditra moramora tao an-trano aho ary nanidy ny varavarana. Niakatra ny tohatra aho sady nahatsiaro resy. Saingy rehefa tonga teo amin’ny faran’ilay tohatra aho dia nisy fahatsapana mahery vaika tonga tamiko. Tena mafy tokoa izany ka nahatonga ahy handohalika.

Dia tonga tamiko izao eritreritra izao: “ReNae, nitantana anao foana aho hatramin’izay.”

Nandefa izany eritreritra mahery vaika izany tamiko ny Ray any An-danitra tamin’ny fomba malefaka tamin’ny fotoana tena nilako izany. Hitako fa tena tia ahy Izy ary tena fantany aho. Tena tiany tokoa aho ka nomeny safidim-pitondrantena malalaka. Tsy hanery ahy na iza na iza Izy hanaraka Azy, saingy manasa antsika Izy sy ny Zanany hanatona Azy Ireo (jereo ny Matio 11:28–30).

Nanomboka tamin’izay andro izay dia fantatro fa afaka miantehitra Aminy aho. Tsara kokoa izao ny fiainako satria miezaka manaraka Azy sy mihaino Azy isan’andro aho. Raha navelan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hahatsapa fanaintanana aho dia nitondra fiadanana, fankaherezana, hery, ary herim-po tamiko ihany koa Izy Ireo mba ahafahako mianatra avy amin’ny fanaovana zavatra sarotra. Ny fahatsapana fanaintanana dia manampy ahy hahatakatra sy hanampy ny hafa izay sahirana.

Mety tsy ho fantatsika tanteraka ny zavatra lalovan’ny hafa, saingy afaka maneho fitiavana an’ireo manodidina antsika isika. Feno fankasitrahana aho mahafantatra fa tia ahy ny Ray any An-danitra ary mihaino ahy Izy rehefa miantso Azy aho.