2022
Misy hivoarana
Jolay/Aogositra 2022


“Misy hivoarana,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Mitombo taona amim-pahatokiana

Misy hivoarana

Fantatry ny Tompo fa hiroborobo sy hamelana indray aho.

Sary
voninkazo ao anaty fitoerany

Taona maro lasa izay no nahafatesan’i Jerold vadiko. Tonga haingana sy namely mafy ny homamiadana, ary tao anatin’ny telo volana dia lasana izy. Ankehitriny dia mieritreritra azy aho rehefa miasa ao amin’ny zaridainako.

Raha namindra zavamaniry iray tamin’ny fitoerany aho dia nanana eritreritra iray. Talohan’ny nanaovako izany dia tsy naninona io zavamaniry io. Efa toy ny tao an-tranony izy tao amin’ilay fitoerana efa nisy azy, saingy tsy niroborobo. Fantatro fa raha tsy afindrako fitoerana izany dia hisy fotoana tsy hamony intsony ary mety tsy hitombo intsony mihitsy. Azo antoka fa tsy hahavita izay tsara indrindra vitany izany.

Koa nanapa-kevitra aho ny hanome toerana hivoaran’ilay zavamaniry tamin’ny alalan’ny famindrana azy amin’ny fitoeram-boninkazo lehibe kokoa. Tsy fitoeram-boninkazo ngeza be, fa somary mivelatra kokoa noho ny haben’ilay iray taloha. Raha omeko toerana lehibe loatra izany dia mety ho lasa dibo-drano ka ho faty satria lo ny fakany.

Sary
sinin-drano

Noeritreretiko fa hijaly ilay zavamaniry satria hiezaka hifanaraka amin’ilay fitoerany. Nahazo aina tsara ilay izy, niraikitra tao anatin’ilay fitoeram-boninkazo izay lasa nahazatra azy. Tsy fantany akory fa hanampy azy hivoatra hatrany ny fiovana. Nila nikolokolo azy aho, nanome azy hazavana, rano, ary ireo otrikaina fanampiny ilaina mandritra io fotoana fiovana io. Fantatro fa hiroborobo sy hamelana izany amin’ny farany.

Rehefa nieritreritra ny fiainako mananotena aho dia tsapaka fa toy izany zavamaniry izany aho. Nahazo aina aho. Tsy naninona aho. Saingy rehefa maty ny vadiko dia nahare ny Fanahy nibitsika aho hoe niditra dingana iray vaovao hivoarana aho. Mbola nanana zavatra nila nianarana sy nataoko aho eto amin’ity fiainana ity.

Nandritra ny roa taona nanaraka dia lehilahy fito hafa tao amin’ny paroasinay no lasana. Nanomboka nangataka ireo namako mananotena aho mba hiaraka, hiresaka, hifampitsidika, hifanompo, mba hahafahanay tsirairay tsy hahatsapa ho irery. Tsy nisy nisafidy ny hafindra amin’ny fitoeram-boninkazo vaovao izahay. Saingy rehefa nampifanaraka ny tenako tamin’ny fiainana an-tany tsy miaraka amin’ny vadiko aho dia hitako fa afaka nanolotra fanampiana ny hafa izay miatrika fanamby mitovy amin’izany aho. Nahita ihany koa aho fa nisy fahafahana maro handaniana fotoana miaraka amin’ireo zanaka sy zafikely ary hanome toky azy ireo fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny hiaraka indray ny fianakavianay aorian’izao fiainana izao.

Tsy ho nampoiziko mihitsy ny fivoarana tonga tamiko noho ny fahafatesan’ny vadiko. Saingy niditra an-tsehatra ny Ray any An-danitra ary nanova ny fitoerako ka nanome toerana hivoarako tamin’ny alalan’ny fametrahana ahy tao anaty fitoeram-boninkazo mivelatra kokoa, fanamby vaovao izay nanome fahafahana hivoarana.

Mbola malahelo an’i Jerold aho isan’andro. Taona maro taty aoriana dia mbola sahirana aho miezaka mifanaraka amin’ny fiovana tsy misy azy. Saingy fantatro fa hikolokolo ahy ny Tompo mandritra izany. Rehefa mandeha ny fotoana, sy miaraka amin’ny finoana Azy dia hiroborobo sy hamelana indray aho.

Ny mpanoratra dia monina any Idaho Etazonia.